dimanche 4 mai 2014

SAKAFO MARAINANTSIKA

Vao maraina vao mifoha, dia maka saina kely aloha, inona no hoarapaka? Sakafo inona izao no mora masaka? Fanontaniana maro be, fa ny valiny vitsy kely anie, raha tena Malagasy, tsy maintsy oe vary aloha? 

Dia indro mitsangana ampitsikiana, handrehitra afo aloha, saribao na kitay, taloha izany manko é! tamin'ny andron'i Neninay. Izaho izao handrehitra afo, efa "gaz" no miainga ato, tsy mihosina intsony, tsy miandry ela izany hono. Lasa izao, arotsaka ny vary, vary mena hono izany, manitra anie ry reto izy ity, nareo koa ve tsy mahita oe mamy izy itony? Sady mba tena angady, ilay mahandro vary. Maka rano be dia be, atao dobo ao ity vary mena é! miandry minitra vitsy monja, indray mahamasa-bary, 30mn angamba izany. Dia haroso ny sakafo, manasa é!



Eny hoy aho, rehefa mba tafitafita, tsy telina intsony ity vary sosoa be rano, mila kisa indray, mba inona no laoka? Hevitra nandaitra ireto fony fahazaza: na siramamy, na sira, na tantely, na tongolo, ary raha kitoza kely? Mbola maro ny safidy, ny anao mba lazao oandramana, ho atao. Ny ahy aloha atody tamin'ity indray maka ity.





Fa nivoatra ny fiainana, lasa maikamaika avokoa, inona indray ny fika hanamora ny maraina, dia andeha hanefa adidy tsy hitaraina? Indro ady paika mora, ndao hividy é! Safidy maro ho antsika, ny mofo gasy, ny ramanonaka, ny makasaoka sy ny mofo baolina, ary ny menakely sns ... Mividy etsy dia samy vita :) Sa moa tsy izay ry Soahary? Izy aza nisasatra mihitsy naka ireto sary ;)




Tena mamy ny maraina, efa voky izao rakibo, koa andeha izatsy izy, mahereza indray manefa ny adidy miandry anao anio. Tsikitsiky no tsindrin-tsakafo, aza adino, tsara io sady tsy vidiana lafo ;)