lundi 9 juin 2014

HAINGO: LATABATRA

HAINGO! 

Vao miresaka oe haingo dia haitraitra no ao an-dohan'ireo lehilahy! Handany vola indray izay ramatoa! Hividy fahatany fa tsy mba manao kaonty aloha! Izany foana, miantsena lava izao, mividy dia mividy dia mividy foana ny Anao! Fa asa, toetra ratsy efa raikitra tampisaka ao anatintsika vehivavy io haingo io! Ravahana avokoa, ny vatana, ny fiara ?!? ny tokontany ary ny trano ihany koa! Fa ho an'iza moa ireny? Tsy ho antsika samy irery fa voninahitra aroso ho an'ireo manodidina antsika, ireo olontiantsika dia ny vady, ny zanaka, ny havana sy ny namana (sa ve hevitro manokana izany!).

Asa izao mba firy ny ohatr'ahy, sondriana midanàka irery rehefa mamonjy fety! Fa mahafinaritra loatra kosa ny mijery ny haingo anaovan'ireny matihanina ireny ny latabatra sy ny efitrano rehefa misy lanonana e! Indrindra moa fa mamonjy mariazy izany! Aoka fotsiny! Mirindra hatrany amin'ny lokon'ny taratasy fanasàna anie izany ry zareo, hatrany am-piangonana, ary any amin'ny trano hilanonana izany moa dia aoka fotsiny. Izay no tena mampiavaka ny fety! Misy haingo manokana! Moa ve tsy mahasondriana loatra. Ary dia vola be tokoa moa no lany rehefa maka mpanaingo trano izay! Asa manokana sady asa be! Maro pitsopitsony, hatramin'ny majinika indrindra mila haingo avokoa. Tsy mora ny manakaiky ny lafatra e!

Izaho manokana aloha efa hatramin'izay no nitsiriritra mangiana, oe mba sambatra loatra ireny olona ireny! Manana aingam-panahy mba hanaingoana. Fa asa loatra, tonga oazy tsy natsoina tato anatiko koa ny fahazotoana sy fitiavana te hanaingo koa mba nikarokaroka, mba andeha koa aho mba hanaingo ny tokantranoko. Fa tena mbola tsy sehatro e! Mbola lavitra ny ezaka, fa nandramako aloha, nohaingoiko ny latabatra isakafoanana rehefa andro lehibe, ny fety rehetra, mba nanao ezaka aho! Dia mba afapo, dia mba faly ery! Tretrika ka tsy aritra ny tsy hizara aminareo e! 

Ireto ny aingam-panahiko voalohany, tsotra tsy mankaiza, fa Izay an-tanana no nahiratra. Fa kanto malagasy koa anefa! Tsara tsy ambakan'ny hafa! Tsotra tsy dia be filirony! Latabatra nisakafoananay tamin'ny fetin'ny mpifankatia <3 . Somary bangabanga fa nazoto homana e! Mba niova kely ilay mahazatra fotsiny.
Fa nanomboka teo kosa, lasa toy ny fahazarana, haingoana lava izao ny latabatra hihinànana. Dia mba nanao ezaka kely, mba miezaka mividy fitaovana rehefa hisy andro lehibe, mba ho voahaingo tsara ny latabatra. Toy ny handray vahiny manan-kaja e! Toy ny hanao fanadinana, kaliana tsara ity haingon-databatra ity sao ratsy naoty IkalaFanja :) 

Haingon-databatry ny fetiko ihany koa ny manaraka eto. Mavo adala no foto-kevitra niaingàna teo satria izay ny voninkazo namelana be dia be teny andalambe. 


Mbola andro hafa koa! Handray vahiny, gasy sy vazaha mpivady moa ka dia nafangaroko teo ny kolontsaina, dia toy izao indray ny endriky ny latabatra.



Farany vao haingana indrindra ity, fetin'ny pentekôsta, izay manan-danja mafy ho ahy fa andro lehibe tokoa ho an'ny fiainako am-panahy. Ny manga (bleu turqouise) no nibàhana nanjaka, nanenika ny voary, nandravaka ilay tontolo keliko! 
               
Ny voninkazo rehetra tamin'ireo sary rehetra ireo dia tsy nisy novidiako na iray aza fa notsongaiko teny an-dalana avokoa. Ny lamban-databatra manga sy ny famafana vava sy tanana dia novidiana tao amin'i Auchan (mbola misy ambiny maro be hehehe).

Dia izay indray ny kanto ifampizarana anio. Manao veloma majinijinika anareo mpankafÿ.