dimanche 31 août 2014

PaOzY HaNdEhA HiAsA

Tonga sahady ny volana Septambra, mifarana hatreo ny fialan-tsasatra ho an'ny ankizy mpianatra fa tsy latsa-danja ihany koa ireo Ray aman-dReny nanararaotra naka fialan-tsasatra niaraka tamin'ireo zanany. Izaho manokana aloha efa niverina niasa. Koa dia mba afaka manome hevitra kely ho anareo, mba hampisy ny haingam-panahinareo amin'ny akanjo ho entina miasa.


Ny ambonin'akanjo dia novidiana tao amin'ny Maje. Ny poketra tao amin'ny Primark ary ny zipo tao amin'ny Princess Nomade




Ny kiraro Aldo



Ny kojakoja tao amin'ny IAM (ilay loko hoho : Yves Saint Laurent)




Tsy dia atao lava reny be aloha ny resaka anio fa aleo ireo sary ireo no hiteny sy hisolo tena ahy eo anilanareo anio.

Dia mirary soa ho amin'ny manaraka indray! 


jeudi 28 août 2014

MANGAHAZO

Vaovao natao hampitahotra ve ny tranga anio tao Antananarivo? Ny andiam-balala nanafika ny Renivohitra? 

Asa fa rehefa misy zavatra mitranga eo amin'io Renivohitra io dia toy ny hoe i Madagasikara iray manontolo no marary, nefa efa oviana moa no nisy ny andiam-balala tany amin'ny faritra hafa? Izay tsy nety voafongotra na dia maro aza ny tetik'asa sy fanampiana avy amin'ny firenena matanjaka. Tadidiko fa efa taona maromaro lasa izay, efa teo Antsirabe anie ny adiam-balala. Koa ankehitriny atao mahagaga ve hoe avy aiza ireto bibikely be dia be? Rehefa tsy maty avokoa ireo andiam-balala tany amin'ny faritra hafa dia indro manenika an'i Madagasikara. Fa dia inoana sy antenaina moa fa hampitombo ny tetik'ady ny mpitondra fanjakana isan'ambaratongany amin'izao tranga izao satria manitikitika ny Renivohitra izay iorenan'ny antenimiera sy ny parlemanta ary ireo vondrona mpanao politika rehetra.

Gaga izao ianareo hoe nanomboka oviana koa aho no manao lahatsoratra izay tranga miseho any an-tanàna e? Tsy izany fa resaka malaza ka mba aleo koa isika mba handrakitra ho tantara ny zavatra miseho, mba ho tsarotsaroana é, dia izay fotsiny :)

Sady tsy izany fa tiako zaraina mafy aminareo koa ity mangahazo nandrahoiko ity, ny fomba nanaovako azy dia nahandro tsotra be toy ny any ambanivohitra:

Maka mangahazo 1kilao, voasana, avy eo sasàna hadio tsara, tetehina majinika, dia arotsaka anaty vilany, asiana rano be, avela hiketrika mandritra ny ora iray dia izay. Vonona ny sakafontsika.

Asiana ronono kely sy siramamy ho an'ireo afaka mividy.



Ary ianareo? Atao ahoana ny fikarakarana mangahazo? Mba zarao eo ambany lahatsoratra é.
 

Cookies

Tonga ihany ity ny fialantsasatra, fotoana ankafizin'ny olombelona rehetra eto an-tany angamba izy ity. Fa ho antsika Malagasy manokana dia manamarika  ilay fotoana mamy iarahana amin'ny zanaka ito fotoana ito. Koa dia mirary hafaliana be dia be ny ho an'ny tokatranontsika Malagasy tsy vaky volo IkalaFanja.

Mba ho anjara biriky kely entiko ho an'ireo Reny rehetra izay mikarakara sakafo maraina ho an'ny zanany, na koa oe ody ambava fo rehefa tolaka iny ny andro, dia ito misy torohevitra kely fanamboarana mofo arosoko ho anareo. Sady tadidio fa fotoana afaka ifampizarana amin'ny ankizy koa ny manamboatra azy. Mba tretrika ery ny kilonga amin'izay mandray anjara.

Ireto ary ny lisitry ny zavatra ilaintsika:
  • atody 03
  • siramamy 01 vera
  • menaka 01 vera
  • lalovaitra 1 
  • lafarinina 600g
Marihiko mandrakariva fa ny zavatra ilaina eto dia ezahiko mba ho mora raisina sy mora hita (accessible) ao an-trano.

Ny fanamboarana azy indray? 

Maka vilia jobo, vakiana ny atody arotsaka ao anatin'io vilia io, rehefa izay dia arotsaka ihany koa ny siramamy rehetra, kapohina mba ho levona tsara ny siramamy.

Hafanaina mandritra ny 10mn ny lafaoro ka atao mari-pàna 180°C

Rehefa levona ny siramamy, dia alaina ny lafarinina ka afangaro amin'ny lalovaitra, arotsaka tsikelikely anatin'ilay vilia jobo efa misy ny atody voakapoka ka afangaro moramora, ampifanelanelanina ny fandrotsahana ny menaka sy ny lafarinina mandrapitambatra azy rehetra. 

Rehefa mifangaro tsara dia asiana vovoka lavanila (afaka nafangaro mialoha ihany koa raha izay no mahazatra anao).

Ankehitriny nahazo paty mitambongana isika, koa andeha hovolavolaina ho atao mofo kely be dia be. Hosory menaka ny tananao mba halama tsara, volavolao araka izay endrika mahafinaritra anao ny mofokely (aza atao matevina loatra sao tsy masaka). Alaharo ambony lasitra efa misy taratasy mba tsy hampiraikitra azy (papier cuisson),raha tsy manana ilay taratasy ianao dia hosory menaka manify ny lasitra.

Andrahoina mandritra ny 15mn, hafanàna 180°C

Dia mazotoa homana daholo isika mianakavy e! Sakafo natao hifalian'ny kilonga io ka aza gaga ianareo hoe misy siramamy be sy menaka be, ny ankizy be herim-batàna ary mihetsiketsika be mandritra ny tontolo andro ka tsy atahorana hatavy. Isika renimpianakaviana kosa aleo mitandrina ihany na dia matsiro aza ny ambony latabatra.

Ito ny rohy momba ny horonantsary, mandram-pilamin'ny ara-tekinika :)


TORO HAY FANAOVANA MOFO BAOLINA

Salanitra é!

Mangatsiaka, manorana aty aminay amin'ity herinandro ity! Mahavalabalaka ny saina ny tsy mahita masoandro koa dia manita-kevitra manao izay mahavery dia ny tenako.

Ny tsotra indrindra dia ny manao sakafo, sady mahafinaritra ny mikarakara no mahafinaritra ny mihinana azy avy eo. Koa ho zaraiko aminareo ary ny masaka tato.

Mofo baolina no be dia be ato ry zareo a! Isika Malagasy dia samy manana ny fomba fanaovany azy, ary samy manana ny tsiro itiavany azy. Ny ahy ilay nahazatra ahy hatramin'ny fahazaza, ilay nataon'i Neny no tena ankafiziko; somary mitovy tsiro amin'ireny amidy eny anaty sobika eny an-tsena ireny izy ito ka asa na ho tianao fa izaho aloha tena mankafy mafy.

Aleo tsy manao be safary ary isika fa tonga dia alefa ny tanisa.

Ireto ary ny zavatra ilaina:

  • lavanila 1 (tahony)
  • lalovaitra 2 sotrokely
  • atody 4
  • lafarinina 1kilao
  • siramamy 200grs
  • ronono 36 sotro
  • menaka 1litatra (hanendasana azy)
Rehefa vonona ianao, dia andao hikarakara izato mofo

Maka lovia lehibe jobo isika, arotsaka ny lafarinina, ny siramamy, vakiana ny atody, alefa ihany koa ny ronono, ny lavanila izay nokikisana mba ahazoana ny voany ao anatiny ary ny lalovaitra. Rehefa izay, dia afangaro miaraka ireo zavatra ilaina rehetra ireo mandra-pahazo paty iray mibolongana. 

Avela hilona ora iray.

Maka vilany Saba (ao Madagasikara feno tsara tarehy fa izaho tsy manana indrisy), asiana menaka sahabo ho 1 litatra. Atao mamay tsara ny menaka vao arotsaka ny mofo novolavolaina ho boribory.

Marihina fa mitsingevana ho azy ny mofo ao anaty menaka rehefa mahazo ny hafanana mamay ilay menaka. Eny antsefatsefany ampanendasana eny dia mila alàna ambony afo ny saba raha mamay loatra ny menaka fa manjary may fotsiny ny ivelany ary tsy masaka ny anatiny.

Miparasadrasaka tsara no tokony endriky ny mofo baolina vita raha ity fomba arosoko ito no arahinao. 

Dia mirary anao hazoto homana indray ary!

Ito ambany ito ny rohy raha te ahita ny horonantsary ianao :)

https://www.youtube.com/watch?v=i91WvaXagA8

mercredi 13 août 2014

BRUSSELS / BRUXELLES

Hi everyone!

Normally, I should write this article in my own language, Malagasy, but I think it's more helpfull for all people around the world if I use english today because I think even other foreigners may need my view about how I find Brussels.

Of course, It's my second visit to this pretty city. And I enjoyed each day I spent other there. Only one remark, if you are in Brussels and you speak english you will never be lost. English is most speaking than french there.

First time I was in Brussels, exactly, I was at Ixelles. I took this red car "Open Tour" to do the visit (you can pick one of them near the Gare Centrale), it was the easiest way to see all MONUMENTS existing in Brussels. Especially if you are with family (like kids).

For my second time, I didn't take any guide, I simply took a Metro Plan wich shown all the monuments you could visit, if I'm not wrong there are 9 points you could ( I suggest too) look. And this last experience was succesfull. I saved money because I took the pass 24h for 7€.

The advantages are:
  •  I was able to take picture,
  •  I was close to the monuments,
  •  I got all the time to appreciate the Atomium sculpture for example on my own rythm. No rush. Even a shoot of myself was a bonus that I can keep for my memories in the future.

So I recommand obviously to all tourists on visit to just take the Metro Plan to find Brussels for two conditions: you should like to walk and you must like adventure.




I discovered too some new places to eat. Oh my.. It's just so great to eat all over the terasse. And I saw so different and yummy food. The price was very attractive: menu 10€. It was behind this Grande place. All belgians specialities <3




You can buy there goodies written Brussels, maneken pis, atomium and so on...but for all beauty addict I recommand you to go at the shop Pinktree: there are so much different kind of handmade beauty products that you can't find in France. Personally, I took some soap which smell very "...hmmmm...", just divine. You can order them at the link here:
http://pinktree.be/fr/


For fun I bought one box of hairchalk. And a kit of 5 nails polish. I will make a review about them soon. Stay tunned!

dimanche 3 août 2014

HaUl SoLdEs EtE 2014

Vita izay ny fiantsenàna Soldes ho ahy manokana. Efa imbetsambetsaka niverimberina teny an-tsena ka afa-po amin'izay. Koa satria eto fizaràna ny soa sy ny tsara dia mba zaraiko aminareo izay hitako sy nahasarika ahy tamin'ny Dernières Demarques (ilay mora be indrindra). Araho an-tsary ary izay tao anaty harona e! 

Eto ny ambony akanjo dia novidiko tao amin'ny Stradivarius 4€99, ny zipo tao amin'ny Camaieu 10€, ary ilay kapa kosa tao amin'ny André 22€.



Ny manaraka eto indray kapa novidiko tao amin'ny San Marina 34€, mahafinaritra loatra ahy izy io, vao tamin'ny pré-vente na ilay antsoina hoe varotra mialohan'ny fihenambidy ofisialy dia efa nanintona mafy ny masoko izy io ary tena nandrian'ny foko mafy dia mafy, saingy -20% monja izy tamin'izany ka mba nihaotra ihany aloha, efa ilay antsoina oe dernière démarque aho vao niverina indray ka mbola niandry ahy teo ilay anjarako, io mihitsy no farany teo, nitokana kely tery amin'ny dernières pointures. Dia azoko ihany e! 
Ny akanjo Stradivarius 7€99.


Ireto farany ireto tena manan-danja indrindra fa tena sady tiako loatra (amin'ny faran-tampom-pitiavako mihitsy) no faran'izay mora:
1-Kiraro Clarks (eny, tena tara loatra amin'ny kiraro ao aho.. Maro be ny tiako tao saingy indrisy..) 44€
2- pataloha Bershka 7€99
3- ambonin'akanjo Stradivarius 4€99
4- palitao Stradivarius 9€99


Dia izay ny tsena vita... Amin'ny Janoary indray mifankahita ;)

KIlalaoKO FahiNY, INdro tsaRoaKO ANkehitriNY

Manembonembona ny fahazazana indray aloha aho izany mahita ireo zana-bahiny anaty fialan-tsasatra. Manao fanenjika ireto izy, antsoina oe fanenjiky ny saka sy voalavo : "on joue au chat? ". Izay no mba tena malaza ankoatry ny kitra rehefa ety anjaridaina ety. Ankoatr'izay dia efa kilalao hafa tanteraka no miseho ety, toboggan, escalade en corde, bac à sable ... Indrisy fa kilalao samy maka ho azy no maro be ety fa tsy misy mba iarahana. 

Eeee mba tsaroako loatra irony fakàn-drivotra kely (récréation) tany an-tsekoly: tamin'izany, izahay ankizy vavy rehetra niaraka nanao lasitika, dia nasisika ery ity zipo, nasisika teo amin'ny takon-kenatra, natao mba tsy hiraviravy sao handöna ilay tady. Tsy mbola nahalala menatra akory tamin'izany fahazaza. Dia lasa izao, nifanesy, nifaninana, nitsambikina ka izay nahakasika ny tady dia resy, miala tsy manao aloha, fa miandry ny manaraka koa. 

Dia natao koa ny sabaka, tena nahafinaritra: tsy azo natao ny nanitsaka ireo soritra. Natosika tamin'ny tongotra ilay vato fisaka hanavatsava ilay fefy nofaritana ka izay tonga tamin'ny ara-sivy no nandresy.

Mbola tsaroako koa, ny tanisa vatokely! Mbola tiako ankehitrio: tanisa hono izany re ry zareo, ilay vato dimy efa maorimaorina notsongaina ho mora alaina. Misy apetraka dia misy atsipy... Hmmmmhmmm te hiverina ilalao mihitsy izany izao ankehitriny izao.




Eny e! Nahafinaritra ireny lalao fahazaza, fa namolavola fihavanana tamin'ireo namana, indraindray aloha velom-pialonana tokoa, misy manko be teknika, izy ireny nandresy foana na inona lalao atao na inona.


Fa mba tena nahamarika ny fahazazako koa indrindra indrindra dia Izaho tena nankafy ny tantara vato. Na dia milalao vovoka irery dia tsy mba nahatsiaro fahanginana, vato no nakapokapoka teny, dia niresaka izay tsy izy, tsy nangiana velively. Ny ahy zary tena lasa niaro adàlana ilay fahazazana, nentiko hatrany ampandriana ireo vato karangana. Rehefa avy iny ny orana manko, teo ampandriana ihany aho no nilalao vato. Nafenina tsara hono izany mba tsy hohitan'i Dada sy Neny, fa tsy tonga saina manko fa mipoapoaka ireny vato ireny, saingy tia zanaka ireo niandohàna, nodiany tsy hita ny nataoko, nitondra ireo fianakaviana vato tao an-trano.

Mba zaraiko aminareo, fa izaho koa fony fahazaza dia vavy tokana an-tanàna, bandy kely avokoa ireo nanodidina ahy taloha, dia nanao fanenjika teny, ny raosy jamba sy kômandô. Ahhhh izany rehetra izany, tena fahatsiarovana, feno fotoana mamy.

Ankehitriny izao, hany sisa mbola fanao, rehefa misy fiarahana amin'ireo akama: ny dômy, rami sy belôty. 


Fa niova ny ambiansy tsy toy ny taloha, izao efa lasa mihirahira ihany koa; raha vao samy tafaraka, indreo ry zalahy mandray gitara, dia samy mivetso na dia be ny mpamalana. 

Fehin'izany fahatsiarovana rehetra izany dia fihavanana tsy mety lany! Tsaroana foana ireo namana be dia be. Na antitra aza mbola misy revy koa ange e!

Mirary fialantsasatra feno fihavanana ho antsika rehetra :)