mercredi 29 avril 2015

33 TAONA AHO

33 taona aho ity.

Ohatran'ny mahavariana ahy, toa tsy tsaroako niaina lava be toy izany akory aho tamin'ny fiainako anefa tsy azoko lavina satria vao avy nankalaza ny tsingerin-taona naha-33 taona ahy izahay tamin'ity volana aprily ity.

Fahatsiarovana mitambolona irony fahazaza no tena tiako rehefa tonga ny fetiko fony aho vao niala ny tokantranon'i Dada sy i Neny. Satria fony aho mbola zaza dia tsy adinon'i Neny ny manao mofomamy ho asiana labozia hotsofina hankalazana ny tsingerin-taonako sy ny zokiko lahy (i Samoela), izay samy daty mitovy no nahateranay na dia 3 taona aza ny elanelanay. Fahatsiarovana mamy izany taloha, satria andro miavaka nahazoana fanomezana ihany koa... Natsiro ny fahiny.

Tany amin'ny taona 2004 tany ho any angamba (angamba satria tena tsy tsaroako hoe taona firy) izy izay no maty i Neninay (matin'ny homamiadana). Nanomboka teo, tsy tiako nankalazaina loatra intsony ny andro fetiko, satria io daty io no nandevenana ilay reniko. Iza intsony no hanao mofomamy ho ahy eo? Iza intsony no ahatsiaro hanome fanomezana ho ahy eo?

Izahay moa dia fianakaviana tsy dia nanan-katao, sady maro an-trano tetsy an-daniny, fa hafa ihany i Neny ry zalahy, nahay nampifaly teny, tsy adinony izany fanomezana izany, hainy loatra fa tsy voatery handany vola be vao hampitsiky ireo tiany. 
Asa nahoana fa izao aho efa 33 taona, fa tsy misy andro tsy ilako iny reniko iny, matetika aho latsaka tomany, nahoana no dia izao no sedra eto an-tany? Midradradra amin'ny toerana mangiana, raha mba azoko natao, na dia iray minitra monja, hamihina an'i Neny.

Dia lasam-betsovetso eto indray aloha koa inona?

.................
Fa na izany aza, tsy irery aho eto an-tany fa mbola banga tsy ho voatototra iny toerana iray iny ato am-poko, 

.................
very.... mampihomehy kely fa tsy tadidiko ny tena anton-dahatsoratro :)
lasa vinany teto aho dia lasana ihany koa ilay tena aingam-panahy nanokafako ity pejy anio ity

.................
zary lasa nizarako ny tsiahy sy ny fitiavako ny reniko, angamba aho te-haneho fa mbola zaza be ato anatiko ato na dia nitombo taona be aza. Te hamita-tena.

.................
aleo ianareo avelako aloha fa ndrao tofoka, ho zary zendana ahita ahy hilofika amin'izato tsiahy mampangotsoka ahy.

.................
hiverina tsy ho ela aho hitafa sy hiresaka
fa izao aloha:
bà betsaka

jeudi 23 avril 2015

Mankafy Fiainana

Maninona moa e? Maninona raha fongarina hatreo ny fijerena ny hafa dia mba mijery indray ny soa sy ny tsara izay tsy misy mpanana afatsy izaho irery? Satria mijery ny manodidina aho, toa sambatra ery i Ranona satria manana an'izato sy izato, sambatra loatra i Anona iry satria tsara tarehy, sady manga feo no manan-talenta no .... Eo dia variana mampitaha eo, ary izaho mba manana inona? 😞 dia valaka sy kivy saina eo.

Anefa vao ovaina ny fomba fijery dia lasa indro feno tsiky miteny irery: "Hay sambatra aho fa manana ANAO". Hay sambatra aho fa manana an'izao sy izao... Andray, hay ve e? Nahoana no tsy hitako raha tsy izao? Jamba loatra, nanampi-maso variana nitazana ny hafa ka zary tsy nahita ilay fahasoavana teo ampela-tanana.

Anio aho hizara ny fahasambarako, izay tsy miavaka akory, fa nahatsapako fahasambarana teo amin'ilay fotoana niainako azy.

Anio aho nisakafo maraina, fa naninona no tsaroako tampoka fa sambatra aho? Satria any ho any, maro ireo tsy mba manana anjara amin'izany, satria any ho any, misy no mangahiahy, raha mba misy azo arapaka lahy 😞.



Ity volana ity no nahazoako ity ranomanitra ity, fanosotro matetika, ary faran'izay mahasambatra ahy ny mamofona ny tenako isaky ny manao azy aho. Hanitra malefaka, mitondra ahy anaty fahasambarana tsy misy pentina. Sambatra aho, satria manana asa, manana fidiram-bola ahafahako mividy izay tiako. Sambatra aho fa mahay mankafy izay eo ampelatanako. 



Omaly tolak'andro, nafana be ny andro. Indro izaho sy ny bokiko, naka toerana malomaloka, naka fy ny tontolo, sambatra aho satria misy ny masoandro, sambatra aho nanana fotoana nakana aina. Tsy nisy afatsy izaho irery, nanadino ny taraina.



Izany hasambarana rehetra izany, afaka tsy hitako raha variana nijery ny hafa aho, raha tsy nitodika kely nijery ny tena izaho sy izay anjara fahasoavako.

Zaraiko aminareo anio, satria tiako mba ahatsapa fahasambarana koa ianareo. Teny nomena ahy ity nahasoa ahy ka indro zaraiko ahasoa anareo koa izao: "ampy ahy ny fahasoavaNao"


Naoty: lahatsoratra ataoko ety an-dalana ity nefa tsy andriko ny hizarana azy koa dia miala tsiny aloha fa mbola tsy vita kaly ny endriky pejy 😉

dimanche 19 avril 2015

CATRICE Cosmetics

Tsara ery ny andro aty anio, masoandro be, lanitra manga na dia tsy mafana be aza fa mila akanjo mafana ihany raha hivoaboaka any ivelany any. Izaho moa ato sady mikohaka be no voan'ny sery izay tsy izy ka dia fahafinaretana lehibe azo atao amin'izao fotoana izao ny manoratra eto, miaraka amin'ny dite mafana.


Anio hozaraiko aminareo ny fahitako an'ity marika CATRICE Cosmetics ity, izay vao voalohany no nampiasako azy na dia efa ela dia ela aza izy no nisy. Raha mpijery Youtube toa ahy ianareo dia marika malaza be izy io no sady azo ioriranana tokoa ny vidiny.

Mba ho fanandramana dia nividy vokatra karazany 4 aho, satria tsy afaka nandramana moa ity izy fa dia novidiana an-jambany ka aty an-trano no nanao izay azo atao.






Omaly ary aho no nampiasa azy rehetra ireo, satria nanasa vahiny aho omaly. Ny maraina alohan'ny hiantsena aho izany no nanomboka nanao manjamaso, nampiasa an'ity "base de teint" ity. Natokana ho an'ireo olona manana tarehy mitera-menaka izy io sy be mason-koditra, izay tena izaho mihitsy izay karazan'olona izay. Tiako ampahafantarina anareo aloha fa izaho dia tamin'ny 2 ora maraina vao nanala ny manjamasoko fa satria izay vao lasa ny vahiny. Izany hoe nataoko andrana mihoatra ny 10ora izy. Teny anatin'ny tontolo andro teny dia nisy fotoana aho nahandro sakafo, izany hoe nafana be ny toerana nisy ahy; na izany na tsy izany, azoko lazaina fa tena tsy nangirana mihitsy ny tarehiko ary tsy niala mihitsy ny "fond de teint" fa dia nitazona tsara teo foana. 


Naoty ho an'ny "base de teint" = +++++


Ny "mascara" natokana ho an'ny volomaso (sourcils) indray dia miloko volon-tany, tsy afaka nasiako sary fa tena sahirana mafy aho maka sary fa tsy mivoaka araka ny tadiaviko mihitsy koa dia aleoko tsy asiana fa dia io miloko vonlon-tany amin'iry sary fahobe ambony indrindra iry izy e!
Ny antony ampiasako "mascara" ho an'ny volomaso moa dia tsy inona fa tsy tiako misavoritaka ny volomasoko fa mitsiparaka lava izy ireo, volomaso maditra :) koa dia feheziko amin'ny "mascara" mba hanao jery atrika hendry tsara. Fa tena tsy ambaka ny hafa izy e, tena nahavita ny asany, ary maivana tsy heno akory hoe nisy "mascara" ny volomasoko.

Naoty ho an'ny "mascara" = +++++


Raha mba misy zavatra tiako ihany koa amin'ny tontolon'ny manjamaso dia ny lokomena, koa nanandrana an'ity lokomena "Ultimate Colour - 360" ary aho, izy io dia anisan'ireo lokomena tsy mangirana fa "matte".

Toram-po goavana ny ahy, tena tsara izy, tsy araka ny maha-lokomena mora vidy azy fa tena tsara kalitao, tsy manamaina molotra. Izy aloha tsy anisan'ireo lokomena mitazona ela be, tena tsy misy soratra milaza an'izany koa moa eo ka tsy hoe namitaka akory ny mpamokatra, koa rehefa avy misakafo ianareo dia mioman-komana izany aloha fa tsy maintsy miverina mihosotra lokomena avy eo.
Ny indro kely hitako amin'izy ity: mora mifindra amin'izay tratrany eo izy raha toa ka tsy miketoka "mouchoir" avy mihosotra azy, koa raha mividy koa ianareo, aza adino, somary atao mandalo an'elanelan'ny molotra ny "mouchoir" rehefa avy manao lokomena.



Naoty ho an'ny "lokomena" = +++++



Farany vokatra nandramako dia ity "vernis" fatao fototra alohan'ny hanao "vernis" misy loko. Ny hankafizako azy? mora maina kely ery izy ka tsy miandry 40segondra akory dia afaka manosotra ny "vernis" manaraka. Tiako satria izaho tsy manam-paharetana. Izy koa dia manamafy hoho ary natao hitazona ela ny "vernis", izaho manokana dia afaka manamarina aloha fa tsy misy lainga izay voalazany, raha ny omaly sy ny anio, mbola afapo aho. Mety fohy loatra ny fotoana nanandramako azy fa izaho koa anefa tsy manao "vernis" ela be amin'ny hohoko fa 2 andro ihany dia esoriko, izany hoe ho ahy manokana, mety tsara sady mahafapo ahy izy.

aza ny tanako tsy vita "manucure" no jerena fa ny "vernis" :p

Naoty ho an'ny "vernis" = +++++


Azoko hamehezana ity anio ity, izaho manokana dia afapo 100% amin'ireo vokatra novidiko, aza hitako ka hamporisika ahy hividy zavatra be dia be ao amin'io marika io fotsiny izao andrana nataoko izao, satria mora anie ny vidiny e, tsy misy mihoatra ny 6€ ny vokatra iray nefa tena tsy ambakan'ireo marika lehibe toa an'i Mac sy Urban Decay izy (ireo aloha ny mpamokatra tena haiko dia ireo no tanisaiko).

Dia izay indray ary aloha ry namako isany fa mirary antsika hiatrika erinandro feno fiadanana ny tenako.

Ba Betsaka