vendredi 5 février 2016

Niova hono aho, niova tsy toy ny taloha

Niverimberina matetika tato ho ato ny hoe: " lasa niova be indry". Rehefa anontaniako tsara:"niova ahoana?" ... Tsy mahazo valiny mazava aho.

Koa aleo aho no hilaza azy, ENY niova be tokoa aho tato ho ato izay. Variana be, latsaka lalina tanaty fanatanjahan-tena. Zary niova avokoa ilay tontolo nahazatra ahy hatrizay. Lasa IkalaFanja Vaovao 😜. Fa izany akory tsy midika fa tsy manam-potoana intsony aho ho anao namako, misy fotoana avokoa ny zava-drehetra dia samy mahazo ny anjarany ny tsirairay. 

Na ny sakafo haniko aty ambadika aty aza niova ho azy, satria ny vatako miasa be dia mila hery be dia be. Zary nirona be dia be kokoa amin'ny karazan-tsakafo mitondra otrik'aina, mitondra hery fiarovana sy hery fanorenana, sns... 

Hiezaka aho hizara moramora aminareo ny fiovako ato ambadika ato mba tsy hihevitra ianareo fa adinoko tanteraka ity tontolo mahafinaritra ahy ity.

Indro aloha aroso anio ny fandaharam-potoanako mandritra ity erinandro amin'ny fanatanjahan-tena. Sao mba mahaliana anareo tampoka, iza no moa no mahalala!

  • Alatsinainy: 
30mn maraina vao mifoha => abdominaux sy gainage

  • Talata:
8mn maraina vao mifoha => abdominaux
2ora -3ora => milomano
8ora alina -9ora alina => miazakazaka 10km

  • Alarobia:
8mn maraina vao mifoha => abdominaux
8ora alina - 10ora alina => mandihy (danse urbaine)

  • Alakamisy:
8mn maraina vao mifoha => abdominaux
8ora alina => yoga

  • Zoma:
3ora - 4ora => milomano

  • Sabotsy:
8mn maraina vao mifoha => abdominaux
10ora maraina => miazakazaka 8km sy manao renforcement musculaire

  • Alahady:
Miala sasatra sy manao étirement

Dia izay ny fandaharam-potoanako aloha amin'ity erinandro ity fa mba tsy manao "compétition" aho manko amin'ity indray mitoraka ity.

Eto ihany aho dia hiezaka hizara aminareo ny sakafoko omaly tontolo ahitanareo fa tena niova dia niova tokoa aho 💪👍. Niova daholo angamba afa-tsy ny fomba fihevitro: tsotra sady tsy miatsara ivelatsihy 😉. 


Sakafo maraina: bowlcake sy paoma ary kaoatry

Sakafo atoandro: mofo, lasary karaoty sy thon (misy kafe avy eo mamarana azy)

Sakafo hariva: melon misy levure de bière sy lelan'omby ary faranana amin'ny dite (tea)

Marihiko fa eny antsefatsefan'ora eny aho mihinana baie de goji sy paoma rehefa noana 😊. Mazava ho azy fa misotro dite betsaka ihany koa aho.

AMBANIVOHITRA

Hafaliana indray fa afaka niaina ny rivotra madion'ny AMBANIVOHITRA. 

Izaho dia olona tena tia ambanivohitra. Izaho rahateo aza moa efa mpianatry ny "lycée" vao tena niaina teo Antananarivo renivohitra fa nohon'ny asan'i Dadako dia nipetraka ambanivohitra foana izahay. Fiainana tsotra, somary lavitry ny fivoarana no niainako. 

Mbola tsaroako izaho kilasy T9, rehefa mba te hiaraka hilalao tamin'ny namako nefa andro fialan-tsasatra dia indro mitety tanimbary miazakazaka antsefatsefan'ny saha mandritry ny ora iray mamonjy ny vohitra misy ny namako. Mitsiky kely aho ato fa mitamberina indray ilay tsiahy rehefa iny aho mitsamboatra be sady mikiaka mafy fa misy bibilava manakana tampoka. Andray! Izay no mba tena tsy tantiko tany ambanivohitra. Biby tena mampanofy ratsy ahy ireny bibilava ireny. Toa mitamberina midoboka ho azy ny foko ato nohon'ny fitambolon'izany fahatsiarovana mamy izany. Irony fahazazako. 

Hiverenako ny anio. 

Nandritra ny fialantsasatra teo izahay dia nandeha nivahiny tany amin'ny namana manana ambanivohitra, tao amin'i Blanchard mivady (ramatoa malagasy sy rangahy vazaha). Tanana kely antsoina hoe Montourtier izay anaty fiadidian'i Mayenne izy io. 

Tena talanjona ery aho nijery ilay tanana kely! Tena an-taonany maro aho tsy naheno akoholahy nihira "cocorico" vao maraina. Ny rivotra madio, ny omby maro be tsy hita isaina eraky ny tanety.

Toy ny ambanivohitra rehetra dia mitsitokatokana avokoa ny tanana kely. Koa raha hitsidika tanana hafa dia mandeha kilaometatra maromaro vao tonga eny. Aty ivelany aty moa ny olona efa mandroso be koa dia mitaingina fiara foana isaky ny misy aleha. Fa mba mahavariana, na tanana farak´izay anaty akata aza dia vita "goudron" tsara tarehy avokoa ny lalana. Izay aza no nandiso fanantenana kely ahy satria tsy nahita lalan-tany aho rehefa te-hiazakazaka fa dia arabe io foana ihany.
Mahatalanjona kely no sady mahakivy kely koa indraindray fa voafefy avokoa ny tanety rehetra. Izany hoe tsy afaka miriaria anaty natiora be fa na ala aza voafefin'ny tompony. Izany hoe, raha te hitsangatsangana dia manaraka ny arabe dia eny no mankafy mangiana. 

Eto amin'ity tananakely ity no misy ny lapoaly lehibe indrindra eto an-tany, voarakitra anaty "livre des records".


Na izany na tsy izany misy faritra voatokana iandraiketan'ny kaominina ihany toy itony rano itony ahafahan'ny sarababem-bahoaka milomano sy manjono. 

Mba jereonareo anie ireto fitaovan'ny mpanjono! Hoy aho tamin'ilay rangahy nanjono hoe hoatran'ny andeha hiady mihitsy! Tena fitaovambe anie izany fa tsy mba fitana kely dia vita.

Ankoatr'izay dia mba tsara vintana ihany koa izahay fa ny alahady nandalovanay tany no nisy ny lamesa tokana isan-taona fatao eo amin'ilay tanana. Satria moa tanana kely ny eo dia tsy misy Mopera raikitra, koa isaky ny alarobia in-2 isak'erinandro, no misy ny lamesa ho an'ireo mponina ao. Araka ny voalazan'ilay ramatoa nifampiresaka tamiko dia 8 eo izy ireo no mamonjy lamesa mandavan-taona. Fa tamin'io alahady io dia tena hipoka ilay fiangonana kely, sahabo ho 100 teo ny olona satria tonga nanatrika avokoa ireo "andriana" tamin'ny tanana manodidina. Taorian'ny lamesa dia nisy fiaraha-misotro zava-mamy izay ny Ben'ny tanana mihitsy no mandray antsoroka ny fikarakarana sy ny fizarazarana. 

Zavatra kely tsy vitako an-tsary fa nahavariana ahy. Mbola misy ilay faritra fanoratana ny anaran'ny tompon-tseza tao @ dabiliom-piangonana. Izay marika ahafantarana fa samy efa misy toerany avokoa fa tsy mifangalatra. Fomba taloha moa izany fa tsy nalan'izy ireo ilay faritra mandrak'ankehitrio.

Farany, nandalo teny Sainte Suzanne ihany koa izahay. Izy io dia tanana anisan'ny tsara indrindra eto Frantsa. Tsy misy ho lazaina firy aho fa tonga lafatra ny hatsarany. Toy ny tafiditra tanaty horonantsary aho nitety ilay toerana. Natsiro loatra. 


Nahafinaritra ahy loatra ny fialantsasatro fa nandritra izay fotoana rehetra izay aho niaina tamin'ireo fitaovana fototra. Fahatsorana, fitiavana, lavitry ny fandrosoana. No indrindra indrindra afaka nitaingina bisikileta sy niazakazaka nanarampo mihitsy. Marihiko fa ireo fanatanjahantena ankafiziko ireo dia tena anisan'ny fanatanjahatena tian'ny olona any ambanivohitra any koa ankoatry ny dia mailaka (marche rapide). Ary ianareo ve tia ambanivohitra?



APONGABENDANITRA


Etsy anie, mba fantatrao ve fa ny APONGABENDANITRA dia voankazo tena mahasalama sy maro hasina tokoa? Tsaroako fa fony aho mbola kely dia feno an'izy ireto naniry teny amin'ny tanananay fa saingy tsy mba nisy nihinana, toa tsy nisy nioty akory ary fa natao haingon-tanana fotsiny ihany. Tsy laingalainga kosa moa fa mahasondriana sy mahavariana ny mijery azy ireto mbola eo am-potony, fa toa tsy mba nanintona mihitsy ny nanandrana azy tamin'izany andro izany, tena mahagaga. 




Tanora teny ihany aho, mba nisy fotoana nanandrana azy ito fa toa tsy nety babo, nandany fotoana loatra ny nihinana azy, aiza ve koa sady mandany andro no maka azy tsirairay no mbola tsy matsiro koa. Raha mba fantako tamin'izany andro izany ny vokatsoa nentiny mety ho haiko ihany ny nankafy azy saingy indrisy.


Tonga teto Frantsa aho dia nahamarika fa lafo dia lafo tokoa ny vidin'ity Apongabendanitra ity, koa mba nikarokaroka ihany: fa dia nahoana loatra?

Ireto ny  vokatsoa azo avy aminy ary zaraiko aminareo koa sao mba mahasoa:
  • feno vitamina C 
  • mampihena ny fahatapahan'ny lalandra madinika any amin'ny loha
  • mampihena ny talam-pazahoana ny homamiadan'ny nono sy ny "porstate"
  • mahatsara ny fahasalaman'ireo voan'ny diabeta (type II)
  • mampihemotra ny fahanteran'ny hoditry ny olombelona
  • manadio ny loto anatin'ny vatana
  • mampitsahatra ny fivalanana
  • raha sendra mikohaka dia tsara atao gararaka ny ranon'izy ity mba tsy hanitatra ho lasa aretin-tenda
  • ho an'ireo te hihena lanja dia tsara tokoa ny misotro ranon'apongabendanitra 1 vera isan'andro





Maro ireo soa azo avy amin'ny Apongabendanitra koa mamporisika antsika rehetra hihinana azy araka izay azo atao. Tsarovy anefa fa ny zavatra rehetra rehefa hanina be loatra dia mankarary indray koa lanjalanjao izay sahaza anao.

Ho an'ireo monina ivelan'i Madagasikara, ny anaran'ity voankazo ity dia GRENADE amin'ny teny frantsay ary POMEGRANATE kosa amin'ny teny angilisy.