mardi 5 avril 2016

Aretin-damosina: AOKA IZAY ✋đŸŒ

Aretina tena mpahazo ny olombelona ny marary lamosina, indrindra ny vehivavy bevoka, satria rehefa bevoka dia toa zary taritin'ilay kibo hiroso aty aloha izany indraindray. Fa na tsy ny vehivavy bevoka aza fa olon-tsotra dia maro dia maro ireo marary lamosina rehefa mandrosondroso ny taona. 

Izaho manokana dia isan'ireo narary lamosina fony nitondra vohoka ireo zanako 2. Eny fa na dia tsy nibata zavatra mavesatra aza tamin'izany andro izany. Izaho rahateo mpiasa birao ka tsy dia nampiasa vatana firy nefa dia narary lamosina ihany. 

Ankehitriny aho nahatsapa fiovana koa tsy aritra ny tsy hizara izay mahasoa aminareo e!

Mbola tsy ampy eritaona akory aho izao no nahafantatra an'ity Yoga ity, mbola tsy ampy eritaona no nianarako azy ary mbola tsy lasa lavitra ny fahaizako azy. Na izany aza anefa, ireo fihetsika mitondra fahasalamana sy manome herim-batana dia ezahiko atao foana isan'andro na dia tsy tonga lafatra aza aho. Ary indro ankehitriny, hafaliana ny mizara aminareo fa efa misy vokany ny rano natsakaina e! 

Efa 8 volana izao ny vohoka entiko ary tsy mba mahatsapa an'izany marary lamosina izany intsony aho. Ary ny tena zava-dehibe? Mahatsapa ho manana hery be dia be aho. Tena matanjaka aho ka hisaorako ny Tompo nanoro ahy ity taranja Yoga ity. 

Indro zaraiko aminareo ireo fihetsika (stretching) 3 anisan'ny miaro amin'ny aretin-damosina:



Rehefa manao azy ireo dia miaina miadana tsara: mifoka rivotra amin'ny orona miadana tsara, avy eo avoaka moramora, miadana dia miadana amin'ny vava ny rivotra anaty vatana. Mijanona amin'ny fihetsika iray mandritra ny 30segondra farafahakeliny. Raha mbola tsy zatra mety tsy aharitra 30segondra fa aza kivy, ampitso koa andro vaovao. 

Dia mirary soa anareo rehetra.