jeudi 5 mai 2016

MofoMAMY

Anisan'ny zavatra tiako indrindra ny andrakandrana, mahafinaritra ahy ny manao sakafo tsy manaraka toromarika satria matahotra ny ho diso fanantenana aho raha toa ka tsy mifanaraka amin'izay sary itako ny sakafo amboariko. 

Anio aho tena nanandrana indray, mba manao ahoana raha manao mofo tsy mbola hitako tanaty fomba nahandro hafa? Sahy tsy sahy aho saingy rehefa natao ilay izy dia toa nivoaka nahafinaritra. Tsara endrika sady tsara tsiro. Nankafizin'ireo izay nanandrana koa indro zaraina aminareo anio.


Zavatra ilaina: 
-lafarinina (farine de blé): 300g
-koba katsaka (farine de maïs): 100g
-kobam-bary (farine de riz): 100g
-ronono 280ml
-lalovay (levure boulangère): 1 fonosana
-siramamy 3 sotro
-sira vovony 1 tsongo
-atody 1
-dibera 85g

Fomba fanaovana azy:
Alaina ny ronono ka somary hafanaina kely, rehefa izay dia arotsaka ao ny lalovay ka aroana tsara mba ho levona.
Maka vilia jobo dia arotsaka ao ny lafarininy karazany 3, arotsaka ny sira sy ny siramamy dia afangaro tsara ireo. Rehefa vita fangaro dia asiana lavaka eo afovoany ka arotsaka ny atody, somary kapohina kely amin'ny sotro ary tsy avela hivoaka io lavaka io akory fa mba hampisafaka kely ilay tamenany fotsiny no tanjona. 
Avy eo dia arotsaka anatin'io lavaka io ihany koa ny ronono tery ambony ilay nafangaro lalovay. 
Manomboka eto dia ny tanana no hifotafota sy hamolavola mandritra ny 10mn. 
Avy eo dia raisina tsikelikely ny dibera efa modamodaka ka afangaro miandalana amin'ny paty. Rehefa tapitra voafangaro tsara ny dibera rehetra dia vita.
Ny tanjona dia tsy hisy hiraikitra intsony amin'ny sisin'ny lovia fa hitambatra ho iray ny paty. Ary tsy hisy vongana tavela ny dibera rehefa mifangaro amin'ilay paty.
Rehefa nahazo paty iray mitambongana isika dia saromana amin'ny lamba ny lovia jobo ka avela hilona 2ora amin'ny toerana tsy mangatsiaka izy.

Lasa izay ny 2 ora, sokafana ny lamba, tsindronina amin'ny ratsan-tanana ny paty izay nibontsina be teo, ka volavolaina kely mba hiala ny rivotra. 

Zaraina toko 6 ilay paty ka ezahina atao lavalava (toy ny kankana) @ tanana izy enina. Maka toko 3 ka io no randranina ahazoana mofo 1. 

Hafanaina 180*C ny lafaoro ka andrahoina mandritra ny 20mn ny mofo. 

Mba ho mandina ny mofo dia somary lalorina tamenak'atody ary raha sendra misy ao aminao dia asiana "graines de sésame" eo amboniny eo hanome endrika tsara azy.

Dia izay ary fa mahasoava daholo o

mardi 5 avril 2016

Aretin-damosina: AOKA IZAY ✋🏼

Aretina tena mpahazo ny olombelona ny marary lamosina, indrindra ny vehivavy bevoka, satria rehefa bevoka dia toa zary taritin'ilay kibo hiroso aty aloha izany indraindray. Fa na tsy ny vehivavy bevoka aza fa olon-tsotra dia maro dia maro ireo marary lamosina rehefa mandrosondroso ny taona. 

Izaho manokana dia isan'ireo narary lamosina fony nitondra vohoka ireo zanako 2. Eny fa na dia tsy nibata zavatra mavesatra aza tamin'izany andro izany. Izaho rahateo mpiasa birao ka tsy dia nampiasa vatana firy nefa dia narary lamosina ihany. 

Ankehitriny aho nahatsapa fiovana koa tsy aritra ny tsy hizara izay mahasoa aminareo e!

Mbola tsy ampy eritaona akory aho izao no nahafantatra an'ity Yoga ity, mbola tsy ampy eritaona no nianarako azy ary mbola tsy lasa lavitra ny fahaizako azy. Na izany aza anefa, ireo fihetsika mitondra fahasalamana sy manome herim-batana dia ezahiko atao foana isan'andro na dia tsy tonga lafatra aza aho. Ary indro ankehitriny, hafaliana ny mizara aminareo fa efa misy vokany ny rano natsakaina e! 

Efa 8 volana izao ny vohoka entiko ary tsy mba mahatsapa an'izany marary lamosina izany intsony aho. Ary ny tena zava-dehibe? Mahatsapa ho manana hery be dia be aho. Tena matanjaka aho ka hisaorako ny Tompo nanoro ahy ity taranja Yoga ity. 

Indro zaraiko aminareo ireo fihetsika (stretching) 3 anisan'ny miaro amin'ny aretin-damosina:



Rehefa manao azy ireo dia miaina miadana tsara: mifoka rivotra amin'ny orona miadana tsara, avy eo avoaka moramora, miadana dia miadana amin'ny vava ny rivotra anaty vatana. Mijanona amin'ny fihetsika iray mandritra ny 30segondra farafahakeliny. Raha mbola tsy zatra mety tsy aharitra 30segondra fa aza kivy, ampitso koa andro vaovao. 

Dia mirary soa anareo rehetra.

lundi 28 mars 2016

Ranomboankazo

Tratry ny paska e!

Ankoatry ny hafaliana hifampizarana nohon'ny fahatsiarovana ny famonjena sy fahasoavana azontsika olombelona satria nandresy ny fahafatesana ilay Tompontsika na dia noho ny fahotantsika aza; dia zary lasa fomba amampanao ihany koa ny manao fihinanam-be, indrindra fa ny fihinanana sakafo matsiro be sy ny fihinanana "chocolat" be dia be. 

Samy manararaotra avokoa fa tsy isan'andro no manaram-po. 

Koa rehefa vita izay ny fety dia andao hijery fahasalamana vetivety. 

Mba tsy ho simba loatra ny aty, mba tsy hatavy be noho ireny menaka maro be. Dia indro zaraiko aminareo fika kely. Tsotra sy mahomby hanampy anareo ahazo tanjaka amin'ny alalan'ny vitamina. Ary koa hanampy anareo hanaisotra ny kolesterola ratsy any anaty vatana any.

Ranomboankazo "détox":

Zavatra ilaina: 
- silaka voasary makirana 4 manify
- silaka sakamalao 4 manify ( efa voaofy)
- ravina solila 5 voasasa tsara 
- raha misy dia ampio "framboise" kely 6 na 7 (tsy voatery)

Rehefa vonona ireo akora rehetra ireo dia atao anaty tavoahangy ary fenoina rano antsasaky ny litatra. Avela hilona farafahakeliny tapakandro. Dia vonona ny rano.

Mahasoava e




vendredi 4 mars 2016

Tapin-tsatroka

Izaho dia anisan'ireo olona tia misakafo ary mankafy manokana ny sakafo maraina. Io sakafo maraina io no tena tsy zakako indrindra eto an-tany raha toa ka ho foanana amin'ny fiainako. 

Eny, tia misakafo aho ry zareo, ary afaka sokajiana ho isan'ireo tendan-kanina mihitsy aza angamba raha ampitahaina amin'ireo olona maro be izay tsy misotro afatsy rano ny maraina dia lasa miatrika ny adidy aman'andraikiny. 

Saingy ho ahy, zava-dehibe amiko io fotoana io. Etsy an-daniny anefa aho dia anisan'ireo sokajin'olona mitandro ny fahasalamany ihany koa. Ka ny politikako dia mitovy amin'ireo izay manaraka ny: misakafo maraina toy ny mpanankarena, misakafo atoandro toy ny mananon-tena ary misakafo alina toy ny mahantra.

Na lzany aza anefa, mitandrina aho mba tsy hihinan-kinam-poana, ka hitondra aretina ho an'ny vatako ka mety ho lasa  matavy loatra aho na ho mahia loatra. Tsy misy afatsy ny mitandrina, aleo manko misoroka hono toy izay mitsabo e!

Koa anio indray, nandramako ity tapin-tsatroka natao tamin'ny vovon-katsaka, hitako fa tena tsara sy ara-pahasalamana koa dia hafaliana ho ahy ny mizara azy aminareo. Eritreritra noforoniko izy ity koa aza omena tsiny aho raha tsy manintona anareo. 



Zavatra ilaina ahavitana tapin-tsatroka 5:
- atody 1
- vovon-katsaka 2 vera 
- ronono vita @ zava-maniry 1 vera (lait d'amande no nampiasaiko teto)
- lalovay 1 sotrokely

Haingony fa tsy voatery: 1- "yaourt"

Fomba fikarakarana azy:
Alaina ny atody ka kapohina mba handroatra tsara toy ireny hanao mofo rehetra ireny, arotsaka ny vovon-katsaka sy ny lalovay ary ny ronono dia tohizana kapohina indray mba tsy hisy hitambongana intsony. 

Rehefa vita izay, raha tsy manana lapoaly ilay "anti-adhésive" ianao dia hosory menaka kely fotsiny ny lapoalinao dia hafanao ambony fatana. Arotsaho anaty lapoaly ny paty sahabo ho antsaka sotrobe, avela kely ho masaka dia avadika indray. 

Rehefa vita avokoa dia ataovy ambony vilia, asio "yaourt" manelanelana azy mandrapahalanin'ny tapin-tsatroka. 

Dia mazotoa homana ary.

Fanamarihana: tsy mila siramamy mihitsy isika satria ny vovon-katsaka dia efa somary mamy, ary ny "yaourt" dia efa mosy siramamy ihany koa. Nefa moa raha tia mamy be ianao dia asio tantely kely ilay paty alohan'ny ahandro azy mba tsy hampatavy. 


vendredi 5 février 2016

Niova hono aho, niova tsy toy ny taloha

Niverimberina matetika tato ho ato ny hoe: " lasa niova be indry". Rehefa anontaniako tsara:"niova ahoana?" ... Tsy mahazo valiny mazava aho.

Koa aleo aho no hilaza azy, ENY niova be tokoa aho tato ho ato izay. Variana be, latsaka lalina tanaty fanatanjahan-tena. Zary niova avokoa ilay tontolo nahazatra ahy hatrizay. Lasa IkalaFanja Vaovao 😜. Fa izany akory tsy midika fa tsy manam-potoana intsony aho ho anao namako, misy fotoana avokoa ny zava-drehetra dia samy mahazo ny anjarany ny tsirairay. 

Na ny sakafo haniko aty ambadika aty aza niova ho azy, satria ny vatako miasa be dia mila hery be dia be. Zary nirona be dia be kokoa amin'ny karazan-tsakafo mitondra otrik'aina, mitondra hery fiarovana sy hery fanorenana, sns... 

Hiezaka aho hizara moramora aminareo ny fiovako ato ambadika ato mba tsy hihevitra ianareo fa adinoko tanteraka ity tontolo mahafinaritra ahy ity.

Indro aloha aroso anio ny fandaharam-potoanako mandritra ity erinandro amin'ny fanatanjahan-tena. Sao mba mahaliana anareo tampoka, iza no moa no mahalala!

  • Alatsinainy: 
30mn maraina vao mifoha => abdominaux sy gainage

  • Talata:
8mn maraina vao mifoha => abdominaux
2ora -3ora => milomano
8ora alina -9ora alina => miazakazaka 10km

  • Alarobia:
8mn maraina vao mifoha => abdominaux
8ora alina - 10ora alina => mandihy (danse urbaine)

  • Alakamisy:
8mn maraina vao mifoha => abdominaux
8ora alina => yoga

  • Zoma:
3ora - 4ora => milomano

  • Sabotsy:
8mn maraina vao mifoha => abdominaux
10ora maraina => miazakazaka 8km sy manao renforcement musculaire

  • Alahady:
Miala sasatra sy manao étirement

Dia izay ny fandaharam-potoanako aloha amin'ity erinandro ity fa mba tsy manao "compétition" aho manko amin'ity indray mitoraka ity.

Eto ihany aho dia hiezaka hizara aminareo ny sakafoko omaly tontolo ahitanareo fa tena niova dia niova tokoa aho 💪👍. Niova daholo angamba afa-tsy ny fomba fihevitro: tsotra sady tsy miatsara ivelatsihy 😉. 


Sakafo maraina: bowlcake sy paoma ary kaoatry

Sakafo atoandro: mofo, lasary karaoty sy thon (misy kafe avy eo mamarana azy)

Sakafo hariva: melon misy levure de bière sy lelan'omby ary faranana amin'ny dite (tea)

Marihiko fa eny antsefatsefan'ora eny aho mihinana baie de goji sy paoma rehefa noana 😊. Mazava ho azy fa misotro dite betsaka ihany koa aho.

AMBANIVOHITRA

Hafaliana indray fa afaka niaina ny rivotra madion'ny AMBANIVOHITRA. 

Izaho dia olona tena tia ambanivohitra. Izaho rahateo aza moa efa mpianatry ny "lycée" vao tena niaina teo Antananarivo renivohitra fa nohon'ny asan'i Dadako dia nipetraka ambanivohitra foana izahay. Fiainana tsotra, somary lavitry ny fivoarana no niainako. 

Mbola tsaroako izaho kilasy T9, rehefa mba te hiaraka hilalao tamin'ny namako nefa andro fialan-tsasatra dia indro mitety tanimbary miazakazaka antsefatsefan'ny saha mandritry ny ora iray mamonjy ny vohitra misy ny namako. Mitsiky kely aho ato fa mitamberina indray ilay tsiahy rehefa iny aho mitsamboatra be sady mikiaka mafy fa misy bibilava manakana tampoka. Andray! Izay no mba tena tsy tantiko tany ambanivohitra. Biby tena mampanofy ratsy ahy ireny bibilava ireny. Toa mitamberina midoboka ho azy ny foko ato nohon'ny fitambolon'izany fahatsiarovana mamy izany. Irony fahazazako. 

Hiverenako ny anio. 

Nandritra ny fialantsasatra teo izahay dia nandeha nivahiny tany amin'ny namana manana ambanivohitra, tao amin'i Blanchard mivady (ramatoa malagasy sy rangahy vazaha). Tanana kely antsoina hoe Montourtier izay anaty fiadidian'i Mayenne izy io. 

Tena talanjona ery aho nijery ilay tanana kely! Tena an-taonany maro aho tsy naheno akoholahy nihira "cocorico" vao maraina. Ny rivotra madio, ny omby maro be tsy hita isaina eraky ny tanety.

Toy ny ambanivohitra rehetra dia mitsitokatokana avokoa ny tanana kely. Koa raha hitsidika tanana hafa dia mandeha kilaometatra maromaro vao tonga eny. Aty ivelany aty moa ny olona efa mandroso be koa dia mitaingina fiara foana isaky ny misy aleha. Fa mba mahavariana, na tanana farak´izay anaty akata aza dia vita "goudron" tsara tarehy avokoa ny lalana. Izay aza no nandiso fanantenana kely ahy satria tsy nahita lalan-tany aho rehefa te-hiazakazaka fa dia arabe io foana ihany.
Mahatalanjona kely no sady mahakivy kely koa indraindray fa voafefy avokoa ny tanety rehetra. Izany hoe tsy afaka miriaria anaty natiora be fa na ala aza voafefin'ny tompony. Izany hoe, raha te hitsangatsangana dia manaraka ny arabe dia eny no mankafy mangiana. 

Eto amin'ity tananakely ity no misy ny lapoaly lehibe indrindra eto an-tany, voarakitra anaty "livre des records".


Na izany na tsy izany misy faritra voatokana iandraiketan'ny kaominina ihany toy itony rano itony ahafahan'ny sarababem-bahoaka milomano sy manjono. 

Mba jereonareo anie ireto fitaovan'ny mpanjono! Hoy aho tamin'ilay rangahy nanjono hoe hoatran'ny andeha hiady mihitsy! Tena fitaovambe anie izany fa tsy mba fitana kely dia vita.

Ankoatr'izay dia mba tsara vintana ihany koa izahay fa ny alahady nandalovanay tany no nisy ny lamesa tokana isan-taona fatao eo amin'ilay tanana. Satria moa tanana kely ny eo dia tsy misy Mopera raikitra, koa isaky ny alarobia in-2 isak'erinandro, no misy ny lamesa ho an'ireo mponina ao. Araka ny voalazan'ilay ramatoa nifampiresaka tamiko dia 8 eo izy ireo no mamonjy lamesa mandavan-taona. Fa tamin'io alahady io dia tena hipoka ilay fiangonana kely, sahabo ho 100 teo ny olona satria tonga nanatrika avokoa ireo "andriana" tamin'ny tanana manodidina. Taorian'ny lamesa dia nisy fiaraha-misotro zava-mamy izay ny Ben'ny tanana mihitsy no mandray antsoroka ny fikarakarana sy ny fizarazarana. 

Zavatra kely tsy vitako an-tsary fa nahavariana ahy. Mbola misy ilay faritra fanoratana ny anaran'ny tompon-tseza tao @ dabiliom-piangonana. Izay marika ahafantarana fa samy efa misy toerany avokoa fa tsy mifangalatra. Fomba taloha moa izany fa tsy nalan'izy ireo ilay faritra mandrak'ankehitrio.

Farany, nandalo teny Sainte Suzanne ihany koa izahay. Izy io dia tanana anisan'ny tsara indrindra eto Frantsa. Tsy misy ho lazaina firy aho fa tonga lafatra ny hatsarany. Toy ny tafiditra tanaty horonantsary aho nitety ilay toerana. Natsiro loatra. 


Nahafinaritra ahy loatra ny fialantsasatro fa nandritra izay fotoana rehetra izay aho niaina tamin'ireo fitaovana fototra. Fahatsorana, fitiavana, lavitry ny fandrosoana. No indrindra indrindra afaka nitaingina bisikileta sy niazakazaka nanarampo mihitsy. Marihiko fa ireo fanatanjahantena ankafiziko ireo dia tena anisan'ny fanatanjahatena tian'ny olona any ambanivohitra any koa ankoatry ny dia mailaka (marche rapide). Ary ianareo ve tia ambanivohitra?



APONGABENDANITRA


Etsy anie, mba fantatrao ve fa ny APONGABENDANITRA dia voankazo tena mahasalama sy maro hasina tokoa? Tsaroako fa fony aho mbola kely dia feno an'izy ireto naniry teny amin'ny tanananay fa saingy tsy mba nisy nihinana, toa tsy nisy nioty akory ary fa natao haingon-tanana fotsiny ihany. Tsy laingalainga kosa moa fa mahasondriana sy mahavariana ny mijery azy ireto mbola eo am-potony, fa toa tsy mba nanintona mihitsy ny nanandrana azy tamin'izany andro izany, tena mahagaga. 




Tanora teny ihany aho, mba nisy fotoana nanandrana azy ito fa toa tsy nety babo, nandany fotoana loatra ny nihinana azy, aiza ve koa sady mandany andro no maka azy tsirairay no mbola tsy matsiro koa. Raha mba fantako tamin'izany andro izany ny vokatsoa nentiny mety ho haiko ihany ny nankafy azy saingy indrisy.


Tonga teto Frantsa aho dia nahamarika fa lafo dia lafo tokoa ny vidin'ity Apongabendanitra ity, koa mba nikarokaroka ihany: fa dia nahoana loatra?

Ireto ny  vokatsoa azo avy aminy ary zaraiko aminareo koa sao mba mahasoa:
  • feno vitamina C 
  • mampihena ny fahatapahan'ny lalandra madinika any amin'ny loha
  • mampihena ny talam-pazahoana ny homamiadan'ny nono sy ny "porstate"
  • mahatsara ny fahasalaman'ireo voan'ny diabeta (type II)
  • mampihemotra ny fahanteran'ny hoditry ny olombelona
  • manadio ny loto anatin'ny vatana
  • mampitsahatra ny fivalanana
  • raha sendra mikohaka dia tsara atao gararaka ny ranon'izy ity mba tsy hanitatra ho lasa aretin-tenda
  • ho an'ireo te hihena lanja dia tsara tokoa ny misotro ranon'apongabendanitra 1 vera isan'andro





Maro ireo soa azo avy amin'ny Apongabendanitra koa mamporisika antsika rehetra hihinana azy araka izay azo atao. Tsarovy anefa fa ny zavatra rehetra rehefa hanina be loatra dia mankarary indray koa lanjalanjao izay sahaza anao.

Ho an'ireo monina ivelan'i Madagasikara, ny anaran'ity voankazo ity dia GRENADE amin'ny teny frantsay ary POMEGRANATE kosa amin'ny teny angilisy.

jeudi 10 décembre 2015

ANTSAPANANA

Efa akaiky indray ny fialantsasatry ny Noely. Mahafinaritra loatra fa na ireo mpino na ireo tsy mpino dia samy faly rehefa ho avy ny Noely. Ho an'ny ankamaroan'ny olombelona aloha dia fifaliana fa hifanolotra fanomezana. Ho an'ireo tso-po moa dia vao maika faly fa afaka hizara betsaka kokoa! Na ny tsy fianakaviana fa olon-tsotra aza dia tolorana fanomezana satria hafaliana ny mizara, eo indrindra no fanararaotana maneho fitiavana sy fangorahana: "esprit de Noël" hoy ry zareo vahiny. 

Fa ho an'ny olona sasany ny Noely dia midika ihany koa fa afaka handeha haka rivotra. Indrindra ireo izay monina andrenivohitra, mba andeha hikisaka kely hitady ranomasina, hifoka rivotra madio. 

Rehefa mandeha toy ireny, ilay miala an'Iarivo dia matetika loatra ny olona mizotra miantsinanana, ao ambadika ao manko tsy dia lavitra loatra nefa koa efa tena mahafinaritra. Maro ireo zatra loatra miantsinanana e! Na ho etsy Toamasina, na ho etsy Manambato na koa Vatomandry na mbola hitohy mankany mankany.

Samy manana ny mahavariana azy ny olona rehetra, fa izaho manokana, mba tena manamarika ahy loatra no sady tsy foiko, tiako hitoerana maharitra. Ilay tanana kely tsy maintsy ijanonana na mandroso na miverina raha misy dia aleha any atsinanana any dia Ilay Antsapanana. 

Asa loatra! Noho izy tsy mba matory ve? Noho izy misy sakafo mafana foana na amin'ny ora fahafiry na andro na alina ve? Sa noho ireo olona sariaka mandray anao tsy mialon-jafy? 

Tena tiako, mamiko ny mandalo eo amin'io toerana io, angamba hoy aho tsinona teo ihany aho nihinana ny sakafo matsiro indrindra teto an-tany: amalona lena sy henakisoa. Angamba koa satria aho mbola tsy nijanona teo nihoatra ny 30mn. 

Efa taona maro aty aoriana aho mahatsiaro fa tsy mba manana sary mirakitra fahatsiarovana momba io toerana io. Koa dia noho izany indrindra no nahatonga ahy hiara-hiasa amin'ity ranamana MizinPhotography ity mba haka sary ho ahy. Hitondra anareo fotoana vitsy monja eo amin'io toera-mamiko io. Mankasitraka azy feno ny foko.


Koa rehefa mandalo eo ianareo! Tsarovy ity namanareo ity! Mba itondrao voandalana. Sary iray nalainao tao Antsapanana. 

jeudi 27 août 2015

Maloka ny aty


Mba ampindramo ny tsikindry aho dia hibaliaka ny masoandroko
Mba ampindramo ny feondry manga aho dia hihira ho an'ireo akamako
Mba ampindramo ny tanandry kinga mitendry mozika aho dia hampikorana ireo mitolofika.

Fa lavitra lanitra manga aky ny misy anay! 
Mangiana, mitoloko sy misento lava ireo manodidina ahy.

Mba ampindramo hery kely hijoroako ho mahery,
Mba ampindramo tara-pahazavana dia ho feno ny banga.
Fa sina loatra ny tontolo, ampindramo, ampisambory.

Miandrandra andry... Aza mijery sy mandalo fotsiny ihany,
Mba omeo talenta iray avy any.

Vonjeo hono izy fa arian'ny olona eo e


dimanche 2 août 2015

Fanadiovana Tarehy

Fony fahazaza, ny atao hoe manasa tarehy: maka rano, dia lemana ny tarehy, somary safosafoina amin'ny tanana avy nomandoina tamin'iny rano iny dia izay, madio ny tarehy. Tena madio tokoa anie izany e. 

Taty aoriana, mampiasa an'ity karazana akora rehetra ity: "démaquillant", "gel lavant",  "gommage", sns mbola tsy tonga lafatra ihany ity tarehy kely. 

Izaho manokana dia mba te hanandrana foana hatrizay hoe mba ahoana loatra re ny tarehy rehefa avy sasana amin'ireny Clarisonic ireny e! Ny vidiny manko dia tena tsy misangy. Raha tsy diso aho toa 160€ izy izay. Izaho moa tsy manana fa mba te hanandrana ihany saingy indrisy. 

Vao haingana, raha haingana izany hoe vao 6 volana teo, nisy olona niteny tamiko hoe mividiana borosy Shiseido fa mora be 27€ nefa dia tena malefaka sy madio be ny tarehy rehefa diovina aminy, itony antsoina hoe "dupe" moa izany ny filaza azy, "dupe de Clarisonic". Nandeha tokoa aho fa izaho moa tia andrakandrana ity, nandeha nanontany teny anivon'ny Sephora fa tsy mivarotra hono izy ireo fa vidio mivantana amin'ny tranokala Shiseido. Iny fiantsenana an'abakabaka iny moa tsy mbola tena talentako loatra fa mampisalasala ahy matetika koa dia adinodino teny raborosy "dupe".

Indray andro izay ary aho nandalo Primark, ka nahita an'ity borosy ity 1€50, vidina mofodipaina e! Aleo raisina ihany aloha. Mba andramana dia hita eo. 

Aoka re ramatoa! Fa taiza aho hatrizay tsy nahalala an'ity zava-mahasoa ity. Tsy niova akora aho hanadiovako ny tarehiko fa kosa nampiasa ilay borosy, maraina sy hariva. Tena tsy lainga fa maro be ny olona mahita ahy lasa niteny fa tsara be ny hodi-tavako. Lasa malefaka sy malandina kokoa. Sady izay indray, afaka manotra ihany koa anie ity izy, tonga lafatra e, hitady inona intsony.

Ny taona miha-mandroso fa ny hoditra tsy miofo! Hafaliana foana fa 1€50 no niala ampaosy fa tsy 160€. Tena tretrika, afapo, afaka mizara aminareo, tsy voatery lafo ny zavatra tsara. Tsy voatery marika ambony vao mahakarakara 😜.

Fa efa ho lany ihany ity akora ity ka aleo aloha araraotiko zaraina aminareo an-dahatsoratra ihany koa fa tena mety ahasoa. Ity no fanasako ny tarehiko. Tsoriko aminareo fa misy fotoana aho tsy mahatandrin-tena: mihinana sakay, miletra sakamalao be, misotrosotro rano misy alikaola kely eny 🙊. Fa ity fanasako tarehy ity dia niantoka ny fahadiovan'io tavako io. Raha be indrindra 1 ny mony maditra, tsy mety resy, tsy mety lefy fa mipoitra eo amin'io tarehiko io. Mampibaribary ny "mauvaise hygiène alimentaire" ataoko hono izany ny tanjony e! 


(Tea Tree @THE BODY SHOP: arbre à thé nettoyant purifiant visage)

Dia izay ny anio, fahazarana kely nozaraina taminareo. Ny omaly tsy miovan'ny maraina sy hariva, ireo ny fitaovana fototra ampiasaiko manadio ny tarehiko na manao manjamaso aho na tsia. 

Koa mahasoava e. 

mercredi 29 avril 2015

33 TAONA AHO

33 taona aho ity.

Ohatran'ny mahavariana ahy, toa tsy tsaroako niaina lava be toy izany akory aho tamin'ny fiainako anefa tsy azoko lavina satria vao avy nankalaza ny tsingerin-taona naha-33 taona ahy izahay tamin'ity volana aprily ity.

Fahatsiarovana mitambolona irony fahazaza no tena tiako rehefa tonga ny fetiko fony aho vao niala ny tokantranon'i Dada sy i Neny. Satria fony aho mbola zaza dia tsy adinon'i Neny ny manao mofomamy ho asiana labozia hotsofina hankalazana ny tsingerin-taonako sy ny zokiko lahy (i Samoela), izay samy daty mitovy no nahateranay na dia 3 taona aza ny elanelanay. Fahatsiarovana mamy izany taloha, satria andro miavaka nahazoana fanomezana ihany koa... Natsiro ny fahiny.

Tany amin'ny taona 2004 tany ho any angamba (angamba satria tena tsy tsaroako hoe taona firy) izy izay no maty i Neninay (matin'ny homamiadana). Nanomboka teo, tsy tiako nankalazaina loatra intsony ny andro fetiko, satria io daty io no nandevenana ilay reniko. Iza intsony no hanao mofomamy ho ahy eo? Iza intsony no ahatsiaro hanome fanomezana ho ahy eo?

Izahay moa dia fianakaviana tsy dia nanan-katao, sady maro an-trano tetsy an-daniny, fa hafa ihany i Neny ry zalahy, nahay nampifaly teny, tsy adinony izany fanomezana izany, hainy loatra fa tsy voatery handany vola be vao hampitsiky ireo tiany. 
Asa nahoana fa izao aho efa 33 taona, fa tsy misy andro tsy ilako iny reniko iny, matetika aho latsaka tomany, nahoana no dia izao no sedra eto an-tany? Midradradra amin'ny toerana mangiana, raha mba azoko natao, na dia iray minitra monja, hamihina an'i Neny.

Dia lasam-betsovetso eto indray aloha koa inona?

.................
Fa na izany aza, tsy irery aho eto an-tany fa mbola banga tsy ho voatototra iny toerana iray iny ato am-poko, 

.................
very.... mampihomehy kely fa tsy tadidiko ny tena anton-dahatsoratro :)
lasa vinany teto aho dia lasana ihany koa ilay tena aingam-panahy nanokafako ity pejy anio ity

.................
zary lasa nizarako ny tsiahy sy ny fitiavako ny reniko, angamba aho te-haneho fa mbola zaza be ato anatiko ato na dia nitombo taona be aza. Te hamita-tena.

.................
aleo ianareo avelako aloha fa ndrao tofoka, ho zary zendana ahita ahy hilofika amin'izato tsiahy mampangotsoka ahy.

.................
hiverina tsy ho ela aho hitafa sy hiresaka
fa izao aloha:
bà betsaka

jeudi 23 avril 2015

Mankafy Fiainana

Maninona moa e? Maninona raha fongarina hatreo ny fijerena ny hafa dia mba mijery indray ny soa sy ny tsara izay tsy misy mpanana afatsy izaho irery? Satria mijery ny manodidina aho, toa sambatra ery i Ranona satria manana an'izato sy izato, sambatra loatra i Anona iry satria tsara tarehy, sady manga feo no manan-talenta no .... Eo dia variana mampitaha eo, ary izaho mba manana inona? 😞 dia valaka sy kivy saina eo.

Anefa vao ovaina ny fomba fijery dia lasa indro feno tsiky miteny irery: "Hay sambatra aho fa manana ANAO". Hay sambatra aho fa manana an'izao sy izao... Andray, hay ve e? Nahoana no tsy hitako raha tsy izao? Jamba loatra, nanampi-maso variana nitazana ny hafa ka zary tsy nahita ilay fahasoavana teo ampela-tanana.

Anio aho hizara ny fahasambarako, izay tsy miavaka akory, fa nahatsapako fahasambarana teo amin'ilay fotoana niainako azy.

Anio aho nisakafo maraina, fa naninona no tsaroako tampoka fa sambatra aho? Satria any ho any, maro ireo tsy mba manana anjara amin'izany, satria any ho any, misy no mangahiahy, raha mba misy azo arapaka lahy 😞.



Ity volana ity no nahazoako ity ranomanitra ity, fanosotro matetika, ary faran'izay mahasambatra ahy ny mamofona ny tenako isaky ny manao azy aho. Hanitra malefaka, mitondra ahy anaty fahasambarana tsy misy pentina. Sambatra aho, satria manana asa, manana fidiram-bola ahafahako mividy izay tiako. Sambatra aho fa mahay mankafy izay eo ampelatanako. 



Omaly tolak'andro, nafana be ny andro. Indro izaho sy ny bokiko, naka toerana malomaloka, naka fy ny tontolo, sambatra aho satria misy ny masoandro, sambatra aho nanana fotoana nakana aina. Tsy nisy afatsy izaho irery, nanadino ny taraina.



Izany hasambarana rehetra izany, afaka tsy hitako raha variana nijery ny hafa aho, raha tsy nitodika kely nijery ny tena izaho sy izay anjara fahasoavako.

Zaraiko aminareo anio, satria tiako mba ahatsapa fahasambarana koa ianareo. Teny nomena ahy ity nahasoa ahy ka indro zaraiko ahasoa anareo koa izao: "ampy ahy ny fahasoavaNao"


Naoty: lahatsoratra ataoko ety an-dalana ity nefa tsy andriko ny hizarana azy koa dia miala tsiny aloha fa mbola tsy vita kaly ny endriky pejy 😉

dimanche 19 avril 2015

CATRICE Cosmetics

Tsara ery ny andro aty anio, masoandro be, lanitra manga na dia tsy mafana be aza fa mila akanjo mafana ihany raha hivoaboaka any ivelany any. Izaho moa ato sady mikohaka be no voan'ny sery izay tsy izy ka dia fahafinaretana lehibe azo atao amin'izao fotoana izao ny manoratra eto, miaraka amin'ny dite mafana.


Anio hozaraiko aminareo ny fahitako an'ity marika CATRICE Cosmetics ity, izay vao voalohany no nampiasako azy na dia efa ela dia ela aza izy no nisy. Raha mpijery Youtube toa ahy ianareo dia marika malaza be izy io no sady azo ioriranana tokoa ny vidiny.

Mba ho fanandramana dia nividy vokatra karazany 4 aho, satria tsy afaka nandramana moa ity izy fa dia novidiana an-jambany ka aty an-trano no nanao izay azo atao.






Omaly ary aho no nampiasa azy rehetra ireo, satria nanasa vahiny aho omaly. Ny maraina alohan'ny hiantsena aho izany no nanomboka nanao manjamaso, nampiasa an'ity "base de teint" ity. Natokana ho an'ireo olona manana tarehy mitera-menaka izy io sy be mason-koditra, izay tena izaho mihitsy izay karazan'olona izay. Tiako ampahafantarina anareo aloha fa izaho dia tamin'ny 2 ora maraina vao nanala ny manjamasoko fa satria izay vao lasa ny vahiny. Izany hoe nataoko andrana mihoatra ny 10ora izy. Teny anatin'ny tontolo andro teny dia nisy fotoana aho nahandro sakafo, izany hoe nafana be ny toerana nisy ahy; na izany na tsy izany, azoko lazaina fa tena tsy nangirana mihitsy ny tarehiko ary tsy niala mihitsy ny "fond de teint" fa dia nitazona tsara teo foana. 


Naoty ho an'ny "base de teint" = +++++


Ny "mascara" natokana ho an'ny volomaso (sourcils) indray dia miloko volon-tany, tsy afaka nasiako sary fa tena sahirana mafy aho maka sary fa tsy mivoaka araka ny tadiaviko mihitsy koa dia aleoko tsy asiana fa dia io miloko vonlon-tany amin'iry sary fahobe ambony indrindra iry izy e!
Ny antony ampiasako "mascara" ho an'ny volomaso moa dia tsy inona fa tsy tiako misavoritaka ny volomasoko fa mitsiparaka lava izy ireo, volomaso maditra :) koa dia feheziko amin'ny "mascara" mba hanao jery atrika hendry tsara. Fa tena tsy ambaka ny hafa izy e, tena nahavita ny asany, ary maivana tsy heno akory hoe nisy "mascara" ny volomasoko.

Naoty ho an'ny "mascara" = +++++


Raha mba misy zavatra tiako ihany koa amin'ny tontolon'ny manjamaso dia ny lokomena, koa nanandrana an'ity lokomena "Ultimate Colour - 360" ary aho, izy io dia anisan'ireo lokomena tsy mangirana fa "matte".

Toram-po goavana ny ahy, tena tsara izy, tsy araka ny maha-lokomena mora vidy azy fa tena tsara kalitao, tsy manamaina molotra. Izy aloha tsy anisan'ireo lokomena mitazona ela be, tena tsy misy soratra milaza an'izany koa moa eo ka tsy hoe namitaka akory ny mpamokatra, koa rehefa avy misakafo ianareo dia mioman-komana izany aloha fa tsy maintsy miverina mihosotra lokomena avy eo.
Ny indro kely hitako amin'izy ity: mora mifindra amin'izay tratrany eo izy raha toa ka tsy miketoka "mouchoir" avy mihosotra azy, koa raha mividy koa ianareo, aza adino, somary atao mandalo an'elanelan'ny molotra ny "mouchoir" rehefa avy manao lokomena.



Naoty ho an'ny "lokomena" = +++++



Farany vokatra nandramako dia ity "vernis" fatao fototra alohan'ny hanao "vernis" misy loko. Ny hankafizako azy? mora maina kely ery izy ka tsy miandry 40segondra akory dia afaka manosotra ny "vernis" manaraka. Tiako satria izaho tsy manam-paharetana. Izy koa dia manamafy hoho ary natao hitazona ela ny "vernis", izaho manokana dia afaka manamarina aloha fa tsy misy lainga izay voalazany, raha ny omaly sy ny anio, mbola afapo aho. Mety fohy loatra ny fotoana nanandramako azy fa izaho koa anefa tsy manao "vernis" ela be amin'ny hohoko fa 2 andro ihany dia esoriko, izany hoe ho ahy manokana, mety tsara sady mahafapo ahy izy.

aza ny tanako tsy vita "manucure" no jerena fa ny "vernis" :p

Naoty ho an'ny "vernis" = +++++


Azoko hamehezana ity anio ity, izaho manokana dia afapo 100% amin'ireo vokatra novidiko, aza hitako ka hamporisika ahy hividy zavatra be dia be ao amin'io marika io fotsiny izao andrana nataoko izao, satria mora anie ny vidiny e, tsy misy mihoatra ny 6€ ny vokatra iray nefa tena tsy ambakan'ireo marika lehibe toa an'i Mac sy Urban Decay izy (ireo aloha ny mpamokatra tena haiko dia ireo no tanisaiko).

Dia izay indray ary aloha ry namako isany fa mirary antsika hiatrika erinandro feno fiadanana ny tenako.

Ba Betsaka