Falifaly aho satria, toa anao ihany koa, fa ho tonga ny Asabotsy hialana sasatra, hitsaharana kely amin'ny asa aman-draharaha, koa am-pitiavana lehibe no andeha hizarako an'ity paozipaoziko ity izay afaka alainao tahaka rehefa hivoaka ianao.
Anio tsy atao be dia be ny resaka fa somary voan'ny sery kely ny tenako ato, notapohan'ilay oram-baratra anikeo e! Tonga tampoka tsy nisy niomanana izy ka tena nitondra takaitra tsy nahy aho :)
Efa hitanareo tsara izao hoe izaho ity dia tsy mahita mihitsy raha tsy manao solomaso :)
Tsara be ny paozinao ramatoa :) sady efa misy ho alaina tahaka satria hiverina izao ny andro tsara aty Madagasikara. Dia mirary faran'ny herinandro sambatra ary e
RépondreSupprimerMankasitraka e! Raha manome loka izay olona matetika mandalo ato aho dia tsy mila mikaroka alavitra fa efa haiko hoe lasan'iza ;)
SupprimerPri ihany ito an :)Tsara sady tsotra , mety tsara amin'ny andro mafana ,fa le volo sy maquillage ko no tena tiko , Merci e!
RépondreSupprimerMankatelina Pri a! Faly be za
SupprimerTraisss tsara anie izany madama izany e!
RépondreSupprimerMisaotra aky a!
SupprimerAoka fa dia aknto e, tsara ny gasy o!? dia mahagaga moa zany fa gasigasy foana ny fahitana an' Ikala Fanja na dia marque tsy marque reto akanjo. Ilay kapa no mba tena coup de coeur'ko teto
RépondreSupprimermankasitraka é! ka izaho aky gasy petaka be dia hoatran'izay rehetra anaovako lasa gasy petaka manaraka hay koa
Supprimer(esoriko ny étiquettes dia lasa tsy misy marque daholo ireo hihihi)
Maivamaivana sady mahafatifaty kely no maotina <3
RépondreSupprimerTiko aloha e :)
Misaotra betsaka e!
SupprimerToa mba efa nanao commentaier teto a momba ireto kapa ankafiziko lôtra reto fa asa nakaiza? :( gasigasy mamy tsara ndry ry Ikala a!
RépondreSupprimerManao cache cache ky a! Hihihi
SupprimerMci e