Efa manimbolo ny andro fety fa indro efa manantona moramora ny volana novambra. Na dia misavorovoro kely aza ny "politika eto amintsika" dia tsy ahasakana antsika tsy hisakafo sy hankafy ny fiainana an-davan'andro izany, aleo zareo samy lehibe hifanasa vangy any.
Ho arosoko anareo anio ary sakafo fidirana, sakafo "résistance" ary ho faranana amin'ny tsindrin-tsakafo izy amin'ny farany.
Toy ny efa mahazatra, ho feno sary eto araka izay vitako sy kely mba haiko (tsy ampy traikefa).
Sakafo fidirana :
Lasary "cocombre" miaraka amin'ny saosy "yaourt"
concombre en fleur |
- maka "concombre" 1 dia sasana tsara amin'ny savony, dia mampiasa antsy maranitra ka didina manodidina ny "concombre" atao lavalava mba ahafahana mamolavola azy ho voninkazo avy eo (izaho nampiasa fitaovana manokana ahavitana an'io, afaka jerenao any amin'ny horonantsary ao amin'ny youtube),
- maka atody 2 arotsaka anaty vilany, rakofana rano ary avela hiketrika ambony afo, rehefa mangotraka dia miandry 8mn dia tsoahina mba hisy somary lakirema ilay tamenany,
- ny atody iray sy tapany atao haingony miaraka amin'ny "concombre" fa ny antsasany sisa tavela potipotehina amin'ny sotro rovitra ary afangaro amin'ny "yaourt" iray sy sira sy dipoavatra kely ary tongolo maitso izay tianao.
Sakafo fidirana mafana: karaoty
Ny fomba nanaovana azy:
Maka karaoty 4 salantsalany, tetehina boribory ary andrahoina amin'ny entona, aza avela ho masaka ny karaoty fa andraso, jereo matetika ary raha vao hita fa manomboka miha-malemy dia esory hiala ny afo haingana, tsara raha aroso mafana,
Ny lasaosy kosa dia tsotra, "mayonnaise" asiana dipoivatra na izay mahazatra anao, afaka asiana tongolo maitso foana, na kotomila koa vao maika manitra mamerovero.
karaoty |
Sakafo "résistance"
Vary no ady eo, aroso miaraka amin'ny ravimbomanga rony (mifangaro patsa mena), ary ny laoka dia henakisoa sy tsaramaso
vary maina |
ravimbomanga rony |
tsaramaso sy henakisoa |
Tsindrin-tsakafo :
Ny fomba nanaovana azy:
- manaingina ronono 1/2 litatra miaraka amin'ny lavanila (avy ao Madagasikara azafady an), zaraina roa amin'ny halavany ny lavanila ary kikisana amin'ny antsy ny voany hirotsaka anaty ronono, asiana siramamy 100gr ihany koa miaraka aminy ao,
- rehefa sahabo hangotraka ny ronono dia arotsaka tsimoramora ny "tapioca" 40grs, atao malefaka ny afo ary aroiroina tsy ankijanona mandrapaha-masany,
- arotsaka anaty vera kely, avela hangatsiaka any anaty vata fampangatsiahina ary rehefa hisakafo dia aroso miaraka amin'ny "chocolat noir" vokarina avy ao Madagasikara (ny ahy io Robert) foana ihany.
chocolat noir de Madagascar sur nid de tapioca à la vanille de Madagascar |
Dia izay no masaka aroso, mirary anareo hazoto hikarakara ny tenako,
Mankasitraka amin'ny fandalovanareo tsy mitsahatra eto amin'ity rohy ity,
Bà Betsaka
Ikala Fanja