Anio dia hafaliana be ny ahy no hozaraiko aminareo, satria tamin'ity erinandro dia nandeha nijerijery tsena aho ary nahita zavatra nanintona ny masoko be dia be tao amin'ilay fivarotana antsoiko hoe "Magazain'ny Nofy" fa tsy izany akory no tena anarany fa karana izy io raha tsy diso aho, karana mivarotra itony antsoina hoe kojakoja ho an'ny tokantrano itony ilay izy. Koa dia nividy aho ka nividy. (Hanao horonantsary momba izay novidiako tany aho tsy hoe ela).
Tampoka teo anefa ry zareo toa nisy bitsika injao reko tao an-tsofiko tao: raha mba hizaran'IkalaFanja amin'izao zava-misy izao moa ireo mpankafy mpamaky ny "blog" mety mba ho faly koa angamba izy any ambadimbadika any.
Koa dia tapaka ny hevitro, nividy aho ho atolotro anareo mpamaky ireo, ho fankasitrahana noho ny fiarahan-dalana.
Misaotra fa raha tsy misy anareo mpamaky erantany dia niteny irery foana teto ihany. Ho zary tsinontsinona ny diam-penina ("clavier" moa izany izy izao).
Koa ireto ary ny loka hozaraiko aminareo.
RAOZY: moule 1 sy sotro lehibe 1 |
VOASARY: sotro lehibe 2 |
VOALOBOKA: haingo ho an'ny mofomamy 1 sy "pâtes à sucre" 2 |
ZAKARANDA: sotro fanaovana "décoration" 4 sy famoasana tongolo gasy 1 |
Ity fanomezana ity moa, marihiko tsara, dia tsy misy mpanohana fa vola ampaosiko no nividianako azy koa aza tsiny indrindra raha tsy tonga lafatra sy voafetra ihany ny isany fa hiezaka aho hizarazara fanomezana matetika arak'izay fahafahana mba misy ampela-tanana.
Ary noho ny fanomezana voafetra an-kisa dia aleo mba asiana fitsipika kely indray mipika.
Ny safidy hanondroana ilay mahazo loka dia atao fisarihana tsy ankijery ka tafiditra anatin'ireo ho voasarika anarana izay mahafeno ireto fepetra manaraka ireto:
- Manoratra "commentaire" eto ambanin'ity lahatsoratra ity koa farito ny fanomezana tianao amin'izy efatra ireo: vintana 1
- Manao "j'aime" ny Pejy Ikala Fanja: vintana 1+1
- Raha mirotsaka manaradia ny "chaîne youtube: aina vicky": vintana 1+1+1
- Raha manao fampielezana ito lahatsoratra ito ianareo any amin'ny facebook (alefaso eo amin'ny Pejy Ikala Fanja ny rohy nanaovanareo fizarana): vintana 1+1+1+1
Afaka mandray anjara ny olombelona rehetra maneran-tany ka mahay miteny Malagasy (satria izay tsy mahay teny Malagasy mety tsy ahalala izay mitranga ato akory).
Dia izay fa mirary anareo hazoto hilalao ary ny tenako.
Dia mamerina ny fisaorana anareo manaraka ahy hatramin'izao.
Ny fisarihana dia ho atao amin'ny 01 novambra 2014.
Mandrapihaona tsy ho ela
Misaotra betsaka amin'ny fizaràna. tsy ny fanomezana ihany fa zava-tsoa maro efa hita eto hatramin'izay.Faly ery aho fa na tsy nisy loka aza dia efa nahafeno ireo fepetra rehetra satria efa mpanaraka an'Ikala Fanja eraky ny tambajoatra misy azy rehetra. Hozaraiko ao amin'ny facebook koa ity concours ity mba hampitombo ny vintako e hihi Ilay loka Raozy no iriako ho azo. Dia misaotra hatrany mazoto mizara izay hay aminay e
RépondreSupprimermisaotra mandray anjara fa mahafinaritra loatra
Supprimertonga soa ao @ Ekipa Raozy
Tiako be ilay idée:) misaotra mizara ho anay mpankafia.
RépondreSupprimerRAOZY: moule 1 sy sotro lehibe
mankasitraka anao mandray anjara
Supprimertonga soa ao @ ekipa Raozy
Misaotra nanasa ilalao e. in moa fa dia tsara daholo, to be mpaka ny raozy koa aleo ary fa VOASARY e , mba mampazoto mianatra lakozia koa :)
RépondreSupprimermisaotra @ fandraisana anjara fa mahafinaritra be
Supprimertonga soa ao @ ekipa Voasary
Tena tsara be ilay hevitra. Ahatarafana ny hatsaram-ponao ilay fitiavanao mizara izay anananao ka hitanao fa hahasoa ny hafa. Ilay raozy no tiako indrindra amin'izy efatra fa mety amiko koa na ilay zakaranda aza.
RépondreSupprimermankasitraka @ fandraisana anjara sy ny toraka vonikazo :)
Supprimertonga soa ao @ ekipa Raozy
mahafinatra be ilay toe-tsaina tia mizara, tsara fa tohizo hoy ny mpampianatra izay :)
RépondreSupprimerizany izao no tsy ampy @zao vanim-potoana iainantsika izao
efa afaka manao coms @zay aho fa nanokatra compte google
misaotra mandray anjara é, mahafaly fo
Supprimeriza ny ekipa misy an'i Madama? eran-tany anie mandray anjara fa aza manahy
Misaotra @fanomezana Ikala Fanja a! Rehefa fanomezana ka vokatry ny fo dia mahafinaritra foana e! Ny ahy izany ilay voaloboka no mba tiko ho azo :)
RépondreSupprimermankasitraka @ fandraisana anjara é
Supprimerarabaina fa ianao no voalohany @ ekipa Voaloboka,
misaotra ny fifampizarana RAOZY ny ay no tiako
RépondreSupprimermankatelina @ fandraisana anjara
Supprimertonga soa eto @ ekipa Raozy
Misaotra mizara ee!! Tohizo hatrany fa tena mahaliana foana e!! Ny ahy ny RAOZY no safidiko. Mankasitraka ee
RépondreSupprimermankamamy sy misaotra @ fandraisana anjara
Supprimertonga soa @ ekipa Raozy
Humm, hatao ahoana ny tsy handray anjara amn'ity lalao ity amin'ireto loka tsara tarehy be dia be ireto!! indrindra ilay Raozy izay mba nofisiko :)
RépondreSupprimerMisaotra betsaka akia amin'ny fizarana rehetra fa mahafinaritra a.
misaotra be dia daly be ny fokeliko
Supprimertonga soa @ ekipa Raozy
Za efa no com's fa toa tsy hitako eto e! Lasa aiza nga e! Lay zakiranda ny ahy. Misaotra nizara e! Ba many.
RépondreSupprimertsy noesoriko aloha ilay com's fa aza manahy,
Supprimerndry no voalohany eto @ ekipa Zakaranda koa arabaina fa tonga soa
Mafinaritra ny manaraka ny tontolon'ikala Fanja, ary tiako ny voankazo VOALOBOKA ary safidiko ny Voaloboka @ty lalao ity. Misaotra @ fizarana!
RépondreSupprimerMifarana hatreo ny fandraisana anjara! Ho ataoko ny fisarihana koa holazaiko @ commentaire manaraka ny nahazo loka. Sy ho avoaka @ pejy facebook
RépondreSupprimerIreto ary ny valin'ny lalao:
RépondreSupprimerRaozy: Volatiana Razafimahenina
Voasary: Lai Faralalaina
Voaloboka: Mikolo Raitra
Zakarandaha: Olivia Razafinjatoniary
Mankasitraka ireo rehetra nilalao,
Mankatelina ny rehetra mankafy ny Blog
Misaotra indrindra akia Ikalafanja a!!! Miandry lalao manaraka indray ary e
SupprimerArabaina hoany mahazo loka. Miandry ny lalao manaraka
RépondreSupprimerArahabaina izay nahazo loka eee dia miandry ny lalao manaraka indray :) mazotoa hatrany mizara fa mahafinaritra
RépondreSupprimerMisaotra indrindra amin'ny loka. Nahafinaritra ny lalao sy ny fanarahana anao "virtuellement." Mirary soa hatrany.
RépondreSupprimerMisaotra antsika rehetra e! @ manaraka indray 😉
RépondreSupprimer