Andray, tena efa ela tokoa aho tsy nanoratra teto, variana dia variana, tsy hitako akory fa efa mila ho iray volana aho raha miampy kely no tsy namoaka resadresaka teto intsony. Gaga anie aho hoe maninona no malahelo nefa tsy misy antony e! Hay kay manina anareo 😘
Indro aho fa hiverina moramora, sady hiezaka mba hitondra fiovana sy rivotra madio kely ho anareo, rivotra mangatsiatsiaka ho an'ireo any amin'ny tany mafana ary hitondra hafanana mampitsiky ho antsika izay mangatsiaka.
Atomboka amin'ny fandaminana korontana aloha ny anio, satria isika vehivavy dia tena mahagaga fa feno kojakoja maro be, be haingo, be kavina, be rojo, be peratra, sy ny maro tsy voatanisa, izay no maha-vehivavy antsika, tia mihaingo, tia mibika.
Anio hozaraiko aminareo ny kitikitika kely nataoko faramparany tato: fitoerana rojo.
Ny zavatra ilaina dia tsy voatery lafo be, fa izaho moa miainga amin'ny zavatra misy aty amin'ny toerana misy ahy. Raha ny sitrapoko dia fasika tsotr'izao no nampiasaiko fa saingy indrisy, tsy izay aloha no misy izao koa dia ito ary e:
ireo vatokely efa miloko ireo dia novidiako teny amin'ny mpivarotra antsoina hoe Baboo (voamaina no nampiasaiko aloha mandra-pahazoako an'ireo), efa ireo ny vidiny ka dia tsy hoaveriko tanisaina intsony.
io vazy io indray dia novidiako tety akaikinay tety ihany, fa tsy voatery mitovy amin'io koa anie e, rehefa mahita vazy na "bocale" dia efa afaka ampiasaina ho asiana fasika mba hanatsatohana ny hazo ho atao fitoeran'ireo kojakoja.
Io hazo maro rantsana io, dia hazo naniry teo an-davaranganay teo, fa nohon'ny antony tsy fantatra dia maty sy maina izy ka tsy maintsy nokapaina, noratsadratsaniko teo saika ho ariana, dia teo no nitsiry ny hevitra, andeha tsy ho ariana fa oampiasaina hatao haingon-trano. Dia io izy io, vita tena izy, miaina fanindroany.
Dia izay aloha ny anio, somary tsy dia lava ny resaka fa nanantena aho fa mba nanome hevitra kely anareo raha mba te hanana "porte-collier" miavaka amin'ny an'ny rehetra ianareo no sady azo lazaina fa mba mora ihany ny masokarena.
Mandrapihaona indray 😍