dimanche 8 février 2015

SUGAR PARIS



Nandritra ny 3 andro, ny 06 ka hatramin'ny 08 febroary 2015, teto Paris dia nisy ny varotra fampiratiana antsoina hoe "SUGAR PARIS", mba anisan'ireo nitsidika teny ny tenako satria izaho dia tena tia mianatra sy mandalina ny manodidina ny mofomamy, ary indrindra ny manaingo azy. Izany indrindra no lohahevitra novohizina teny, fanaingoana ny mofomamy amin'ny alalan'ny "pates à sucre", "pates d'amande" sy ny hafa koa.

Efa teknolojia avo lenta moa ankehitriny ny haingon'ny mofomamy, mila endrika maro isan-karazany ny mpanjifa koa nandritra io fotoana io no nahafahan'ny tsirairay nanantona ny mpanjinjara ny akora ilaina.

Mba ho tsara kokoa ny fitantarako dia aleo sary no ezahiko atao maromaro ary, haingon'ny mofo mamy avokoa no hisesy eto, ary natao tamin'ny "pâtes d'amande" na "pates à sucre" avokoa, novolavolaina tanana fa tsy nampiasa zavatra hafa:

izany ka tena kanto é


ny macarron ihany koa dia tena efa lamaody tanteraka

ho an-dry zalahy

ho an'ireo tia Hello Kitty

isika vehivavy

raha hanao fety ho an'ireo tia manjamaso

ito indray dia akora hafa no nanaovana azy, toy ny "crème chantilly"


tena malaza tanteraka izao ny sarimihetsika "la reine des neiges" koa manaraka ny toetr'andro ihany koa ny sakafo e





Fa tsy voafehin'ny sakafo hanina intsony ry zareo maty hanina, koa dia namolavola firavaka ihany koa izy ireo, tena firavaka fa tsy azo hanina, jereo anie, mahafatifaty ery e?





Izaho moa dia tsy naharitra e, mba tena mazoto sady efa nahazo toromarika sy fampianarana vonjy maika koa dia nividy izay fitaovana tsy ampy tato amiko mba handeha ihany koa, hiezaka hanatsara ny haingon'ny mofomamy rehefa ho avy ny andro ka handray vahiny na koa rehefa mazoto iny. Indro zaraiko aminareo izay remby azoko avy any.


série de moule, spatule, thérmomètre de cuisine, pâtes à sucre et lisseur de pâtes à sucre


Dia izay ny vaovao tamin'ity andro nibaliaka fa nangatsiaka ity, manantena fa tsy ho ela dia afaka hizara traikefa aminareo,
Mankasitraka mandrakariva anareo mpamaky,
Amin'ny manaraka indray e :)

dimanche 25 janvier 2015

TANGLE TEEZER


Miarahaba tratry ny taona vaovao 2015 antsika MALAGASY rehetra ny tenako, vao avy nankalaza tsy ela akory izay ny taom-baovao Malagasy koa isika ka asa na mba hitanareo amin'izany fa mba firenana manana ny hasina maha izy azy isika MALAGASY? Toy ny firenena matanjaka rehetra, mba manana ny sata sy ny mampiavaka antsika mandrakariva ankoatran'ny saina sy ny hiram-pirenena. Koa dia mirary taona ZINA sy fahatsarana betsaka lavitra kokoa noho ny taon-dasa rehetra ho antsika tsirairay avy ny tenako.

Koa dia hiverina amin'ny adavan'androm-piainana ary isika ry zareo, ny ahy ny vaovao dia ny volo nihalava sy nihanaevina andro aman'alina. Araka ny efa nolazaiko ihany dia ny menaka kinana sy ny diloilo no tena angady sy zezika naha toy izao azy io fa ireo rehetra izay efa nahalala ahy taloha dia mahatadidy tsara fa fohy volo lalan-dava teny aho ary manify volo koa.

Ankehitriny, zary lahasa be koa ilay mibango volo, ka nijerijery eraky ny tranok'ala teny ny tenako dia nahita laza tsara an'ity atao hoe "TANGLE TEEZER", inona tsara moa izy ity? Fihogo io e, fa nokarohana manokana mba hahamora ny fanogoana ny karazam-bolo rehetra: ny tsotra hatramin'ny ngita, ny fohy hatramin'ny lava. Ny fahitako azy moa dia fihogo plastika toy ilay ohatran'ny eny amin'ny sinoa eny behoririka ireny, fa ny lehilahy no toa mpampiasa azy ireny raha tsy diso aho. Ny nifinifin'ity fihogo ity dia misy fohy sy lava manao an-dalana roa mifanelanelana. 





Efa maro ireo nanamboatra azy ity ny marika isan-karazany fa ito amin'ny sary ito no tena "orijinaly" vitan-dry zareo britanika. Tena andro maromaro izay no nampiasako azy ary tena marina ny voalazany fa tsy manapaka volo izy, ary mora hogoina ny volo aminy na maina na lena. Misy an'io sarony kely maintimainty io izy mba tsy hitoeran'ny vovoka rehefa avy ampiasaina, ary afaka entina any anaty poketra ihany koa raha tia mibango volo matetika isika vehivavy satria izy dia kely no sady maivana. Misy loko samihafa izy io eny amin'ny mpivarotra fa ny ahy manokana mavokely no nalaiko satria izay no nanintona ahy. Eto frantsa dia eny amin'ny magazay "Sephora" no ahitana azy ka 16€50 ny vidiny. 

Fehiny momba io fihogo kely io: Tsara tsy anenenana ary mihena kokoa ny fotoana lany amin'ny fihogoana volo mihoatra ny fihogo tsotra efa nampiasaiko.

Fa efa miresaka fanatsotsorana fiainana ihany isika dia mba tiako zaraina aminareo ihany koa ito akora vaovao hitako ito, dia tsy inona fa "après-shampooing". Marika AUSSIE izy ity ary eto Frantsa dia ao amin'ny magazay MONOPRIX ihany aloha no mivarotra azy hatreto ka 6€50 eo ny vidiny.




Tsy hiresaka be dia be aho fa mba tiako hanandrana ianareo dia mba tantarao amiko eo ambany eo ny vokany taminareo, fa ny ahy manokana dia tena fahafahampo tanteraka no azoko.

Izay indray aloha ry namana sy tapaka rehetra fa manantena ny hiverina tsy ho ela eto indray.

Mankasitraka anareo rehetra mpamaky.

samedi 13 décembre 2014

FOMBAN-DRAZANA MALAGASY AMIN'NY FAHORIANA

Nifandimby nifanesy izay ny fahoriana tato ho ato teto anivon'ny fianakaviako ka nahalasalasa fisainana mafy ahy, maro anie izato fombafomba tena mahasarotiny ireto fianakaviana sy mpiara-monina ary eo ihany koa ny mpiara-mivavaka. 

Mifamahofaho mafy avokoa ireto izay miseho ka variana sy mba lasa saina aho satria tsoriko fa hatramin'izay andro rehetra niainako dia nanaraka ireny fomba ireny aho tsy nametra-panontaniana akory, anio aho mba hanoratra kely mba hanontanitany aloha ho an'ireo rehetra manam-pahendrena izay sendra mba mandalo eto amin'ity blog-ko ity, mba atoroy aho, mba omeo  fanazavana amin'ireto fomba izay nataoko, inona marina no tena dikany?

Rehefa misy maty:

A- Famonosan-damba

A-a: eo manomboka mahavariana ahy, maninona no tsy maintsy antsoina hoe "olona" ilay razana fa tsy atao hoe "faty" na hoe "razana", toy izao ny fiteny fahenoko : "batao ny olona"

A-b: dia tsy maintsy 7 ve ny fatotra? satria nahoana? 

A-d: fa nahoana no tsy maintsy ilay zandriny indrindra fa maninona raha ilay lahy matoa no mamatotra farany ny tady?


B- Avy mandevina

B-a: Maninona ny lalana nandrosoana no tsy azo iverenana?

B-b: Maninona no mandingana afo rehefa alohan'ny hiditra ny trano?


D- Misasa

D-a: Rehefa misasa dia tsy maintsy eny amin'ny rano mandeha, satria nahoana?

D-b: Inona ny antony tsy maintsy hisàsana miaraka daholo?

D-d: Nahoana no manary lamba avalona rano?


Ireo aloha dia fomba tena nohajaiko hatramin'izay fa tsy nampihariko intsony tamin'ity taona ity, fa tsy haiko tsinona ny antony, ary izaho efa tena tonga eto amin'ilay fetra hoe tsy manao zavatra tsy hay akory ny dikany, koa mba manantena aho fa mba hisy hanoro sy hanome fanazavana.

Miandrandra mafy anareo namako rehetra eran-tany manana fahendrena sy mahalala ny fomban-drazantsika fa kolontsaintsika izany ary anisan'ny rehareha maha-Malagasy ny Malagasy.

Mankasitraka mankatelina sahady anareo rehetra

mardi 2 décembre 2014

DILOILO sy ny Tontolony - COCONUT OIL

Lasalasa eto indray aloha ny saina fa mamirifiry sahady ny andro aty amiko aty nefa mbola vao tsy mitsidika akory ny ririnina. Na ny haingam-panahy hanoratsoratra tato aza lasa toa tsy nisy fa variana miaina e.

Koa anio mba hiverina indray aho aloha hizara izay mety ahasoa, fanandramana nataoko tamin’ny tenako (na tamin’ny manodidina ahy) aloha voalohany indrindra mba tsy ho mpitari-bato vilambava aho, hamporisika sy hanao vavolombelona tsy marina :)

Sady izaho rahateo tsy hoe voakarama ka andeha hanao dokambarotra mba ahalafo entana, fa tena nahita vokatsoa ka aleoko mba zaraina ihany aloha.

Anio hiresaka voanio, ilay menaka azo no ho resahiko be dia be anio, atoroko anareo ny fanamboarana azy ITO dia ahazo vokatra tena natoraly, tsy misy fangaro simika no tena azo antoka fa biolojika, indrindra ho an’ireo monina ao Madagasikara. Ampiako kely: tsy mahavoa ny homa-miadana.

(mba fantatrareo ve fa mirehareha ery ireo mpivarotra aty am-pita vao misy hoe vokatra avy any amintsika? atsy amin’ny lalako mandeha miasa isan'andro atsy izao misy mpivarotra trondro, mirantiranty eo ambaravarany eo « Gambas BIO de Madagascar »)

Atomboko amin’izay manakaiky indrindra ny fampiasako azy tato ho ato ary izy ity, dia izy fanalana manjamaso « waterproof », tena mahavariana loatra, fa nahalasa ny saiko ny nijery ireny « démaquillant waterproof » ireny satria misy menaka foana izy ireny, rehefa nikarokaroka teny rehetra teny aho dia nanandrana ka nandaitra tokoa, alaina ny diloilo - ny ahy tonga dia ararako amin’ny ratsan-tanako - ahosotra ny hodi-tava sy sy ny hodi-maso, somary horina malefadefaka miodinkodina toy ny hanao boribory (en mouvement circulaire), eo amin’ny iray minitra eo, fahona amin’ny vovo ka hohitanao fa hanaraka tsy hisy tavela ny manjamaso sy ny pensily sy ny vovoka rehetra napetraka teo. Ny tarehy amin’izany mandina sy malefaka aoka izany. Ary tadidio fa mora lavitra ny vidin'ny diloilo nohon'ny rano voatokana efa misy akora simika eny amin'ireny mpivarotra ireny.

Izaho koa dia nahita paik’ady ho solon’itony antsoina hoe « baume à lèvres » itony, tsotra be ny fomba atao, maka diloilo amin’ny ratsan-tanana dia ahosotra amin’ny molotra ka entina matory, rehefa maraina dia mandimandina ery izato molotra, raha sanatria ka vakivaky dia io no fanafody mahasitrana azy ihany koa.

Mbola io tarehy io ihany, fa ny volomaso koa dia afaka hatsaraina, tsy izaho indray aloha no nanao fanandramana manokana fa izaho efa voloina be, fa voaporofo tsara fa nahomby ka andramo ihany aloha dia mba zarao izay fiantraikany taminao, mila isika : ireny tavoahangy kely nisy « mascara » efa lany ireny, diovina, kobanina kely mba tsy hisy akora intsony, avy eo maka diloilo 4 sotro fihinana arotsaka ao anatiny ao, dia tapohina  menaka kinana (ricin) 1 sotro, ahontsakontsano tsara ka rehefa eo ampandriana alohan’ny hatory iny dia hosory an’io fangaro io ny volomaso, ho hitanao raha mahavatra ianao fa ho lasa lava sy matevina tsara ny volomasonao.

Rehefa maraina indray, eo ampiomanana eo, mba andramo afangaro kely amin’ny « dentifrice » ny diloilo fa manamafy ny akanjonify izy io, ary raha sanatria moa ka efa marary ny nify dia maka diloilo hosorana manodidina ilay akanjonify marary, avela 5mn vao kobanina, ho hitanao fa hihena tokoa ny fanaintainana.

Raha handeha hivoaka ny trano indray dia tsara dia tsara ihany koa ny mihosotra diloilo ho solon’ny «  lait corporel » indrindra amin’ny faritra tsy misy akanjo mba ho fiarovana ny hoditra amin’ny herin’ny masoandro (UV).

Fa indro harivariva valabalaka ny tontolo andro, raha mba te ho afa-bizana dia mandraisa indray diloilo kely, orina malefaka amin’iny menaka iny ny hodi-doha fa tena ho maivana ny saina sy ny vatana; asa ianareo raha mahatadidy fa tena toy izany mihitsy rehefa mbola kely, ilay orin’i Neny, mba hivelatra ny saina sy ho mailamailaka ny vatana.

Efa mikitikitika ny loha ihany fa dia aleo atoroko anareo fa tena fanafody mahagaga ho an’ny volo simba : vakivaky, maina ary simba (fourchus, ternes, aggréssés, abimés … etc) ihany koa ny diloilo. Fomba tsotra anefa dia mahavita azy, atao « sarona » amin’ny volo, hosorana daholo ny hodi-doha sy ny tahom-bolo, mbola maloto izy no hosorana diloilo, avela hilona 40mn dia sasana toy ny mahazatra. Azo tsapain-tanana avy hatrany ny vokany satria malefaka eo no ho eo ny volonao, rehefa mahavatra tsara dia lasa mangirana ny volo no sady mandimandina mandrakariva. Veloma ry tsy fahatomombanana majinijinika.

Fa maro ihany koa ireo jejojejo mba tia mikarakara ny hoho nefa tsy maro ireo manana hoho tonga lafatra, koa andramo ary ny manosotra diloilo io hohonao sy ny manodidina azy io alohan’ny hatory, aza adino ny manala ny loko (vernis) raha sanatria mbola nisy, somary horina kely mba hitsofoka tsara any anaty hoho any ny menaka, entina matory fa tsy sasana ary indrindra manaova  aron-tanana « gants » raha misy ao aminao. Vokany? mihamafy ny hoho ary tsy mora vaky sy tsy mora tapaka.

Farany indrindra dia mahagaga fa manasitrana ny tongo-bakivaky ihany koa anie ny diloilo e! raha iny efa tresaka iny dia hosorana menaka ary avela hilona 5 hatramin ‘ny 10mn raha maika dia efa mahavita azy, tsy misy fahagagana aloha ka hoe tampoka eo dia afaka ny vakivaky fa averina imbetsaka dia handaitra tsara izy, raha alina ianao no manositra io menaka io amin’ny faladia dia ento matory, mba tsy handoto lamba dia fonosy ba kiraro ny tongotrao.

Dia izay indray aloha ny tafatafa, mba aza adino ny mizara izay vokatsoa efa azonareo tamin’ny alalan’ny diloilo ka tsy voatanisako e, mba ho andramako ihany koa.

Dia mankasitraka ry zareo a,

Mankatelina

mardi 18 novembre 2014

ASA TANANA / VITA MALAGASY

Hifarana ihany ity ny volana may fa toa hafahafa loatra izato toetr'andro aty aminay. Roa andro monja no mba nafàna dia injao fa orambe mitraho indray izy ao. Reradreraka ny saina, dia mba te hiova e! Andeha mba hanofinofy andro be migaingaina :) Aiza ianao ry Ingahibe masoandro ô! Fa izaho anefa anie efa hary fomba, efa vonona tanteraka hisedra  ilay hafanambe aty. Fa dia fahavaratra arabakiteny ny niafarany e! Orana, masoandro fotoana vitsy, dia orana mijohy indray! Tsy misy farany mihitsy.

Dia mangaina ato izao ireto satroko ireto. Novidiana anefa fa hoe mafana ny andro, fa hoe tsy ho zaka ilay masoandro. Indrisy...Tantaraiko anareo ihany aloha, fa nahasondriana ahy  ny zava-bita malagasy... Nanintona ny masoko, nambabo ny fanahiko. Roboka aho, nividy tsotra izao. 

Herinandro vitsivitsy lasa izay, nisy ny tsenabe an'i Parisy! Niainako lalina izy izay, fa mba anisan'ireo nitsikian'ny vintana aho ka mba mpivarotra entana vita Malagasy tao. Fahasambarana any izany, ny fofona sobika, nampahatsiaro volon-tany. Fa dia nivoatra hoy aho ireto harona e! Karazany anie izany rey olona, misy aza vita sary amerikanina!!! Tena tsy nampoiziko mihitsy, hatraiza ny fivoarana efa nisy. Jejo ery ireto sobika be! Taloha anefa izy ireny fitaomana vomanga, mangahazo, eny e, nampiasaina tamin'ny endriny maro be. Hofintinina hoe fiantsenàna izy rehefa aty ivelany aty. Izao izy tena lasa rehareha manokana, sobika malagasy, meva, tsara tarehy! Jereo anie ireto sary e! Moa và tsy tena favy? 



Angamba tsy izaho irery no babo amin'ireny kanto Malagasy ireny, fa mba omeko anao aloha ny sopapa, mba asiana paozy kely e! Asehoy n'aiza n'aiza fa mbola hafa ihany hoy aho isika! Tsy mena-mitahy amin'ny hafa. Ireto anaovako ireto, satroka sy poketra dia vita Malagasy. Misaotra manokana an'ireo mpivarotra, Rabarany sy Mada Style fa tena kanto loatra ireto haingoko ireto. Indrindra ity akanjoko fotsy misy voninkazo raha tsy malagasy ve ahavita toy io?



Dia miandry eto aloha izany isika, asa rahoviana vao ho masoandro mibaliaka! Mandrapahatongan'izay fotoana izay, tsy aleo hitafatafa? Mba andefaso sary zava-bitan'ny Malagasy hafa eo ambany lahatsoratra eo, sary avy aminareo ;)

dimanche 16 novembre 2014

Sakafo maraina Tsy mampalaina

Anio andao indray hanao sakafo. Tsy izany ve izao no ho be dia be kokoa ato anatin'ity bilaogy ity ny farany fa toa izay no be dia be atao mandritra ny fiainana. Maraina, atoandro sy hariva dia misakafo foana.

Koa anio dia sakafo maraina tsotra kely no zaraina, izay afaka atao mialoha fa tsy hoe efa hihinana vao mikarakara azy.




zavatra ilaina sy fanaovana azy

Alaina mialoha ny dibera 150g ka avela hitsonika.
Maka voaloboka maina esty ankilany ihany koa, alona @ toaka kely na rano mafana araka izay hitiavana azy.

Maka vilia jobo be dia vakiana ao ny atody 3, asiana siramamy araka izay tiana (100g no mahazatra ny daholo be), kapohina ireo ary tsy ajanona raha tsy efa somary manompy fotsy ilay paty. Arotsaka ny dibera efa mitsonika, sy ny lafarinina 250g izay nafangaro t@ lalovaitra 1 fonosana, ary ny voaloboka maina ka afangaro tsara.
Rehefa vita izay dia maka paty kely atao amin'ny "Bol" kely ka afangaro ao ny "chocolat" mainty iray fonosana rehefa avy natsonika.
Maka tavy amin'izay, hosorana dibera ny tavy ary arotsaka ny paty vita voalohany, dia mandraraka kely amin'ilay paty misy "chocolat" indray. Avy eo mandrotsaka paty fotsy (ilay tsy misy "chocolat"), dia mandrotsaka paty misy "chocolat". Ampifampidimbiasana toy izay hatrany mandrapirotsak'ireo paty rehetra ao anaty tavy.

Ampidirina anaty lafaoro mandritra ny 40mn amin'ny hafanana 180*C ny mofo,




Mazotoa mikarakara sy mampifalifaly fianakaviana daholo ary isika rehetra,

Oroka mamy






lundi 10 novembre 2014

Hanao fitoerana KOJAKOJA


Andray, tena efa ela tokoa aho tsy nanoratra teto, variana dia variana, tsy hitako akory fa efa mila ho iray volana aho raha miampy kely no tsy namoaka resadresaka teto intsony. Gaga anie aho hoe maninona no malahelo nefa tsy misy antony e! Hay kay manina anareo 😘


Indro aho fa hiverina moramora, sady hiezaka mba hitondra fiovana sy rivotra madio kely ho anareo, rivotra mangatsiatsiaka ho an'ireo any amin'ny tany mafana ary hitondra hafanana mampitsiky ho antsika izay mangatsiaka.


Atomboka amin'ny fandaminana korontana aloha ny anio, satria isika vehivavy dia tena mahagaga fa feno kojakoja maro be, be haingo, be kavina, be rojo, be peratra, sy ny maro tsy voatanisa, izay no maha-vehivavy antsika, tia mihaingo, tia mibika.


Anio hozaraiko aminareo ny kitikitika kely nataoko faramparany tato: fitoerana rojo.


Ny zavatra ilaina dia tsy voatery lafo be, fa izaho moa miainga amin'ny zavatra misy aty amin'ny toerana misy ahy. Raha ny sitrapoko dia fasika tsotr'izao no nampiasaiko fa saingy indrisy, tsy izay aloha no misy izao koa dia ito ary e:




ireo vatokely efa miloko ireo dia novidiako teny amin'ny mpivarotra antsoina hoe Baboo (voamaina no nampiasaiko aloha mandra-pahazoako an'ireo), efa ireo ny vidiny ka dia tsy hoaveriko tanisaina intsony.




io vazy io indray dia novidiako tety akaikinay tety ihany, fa tsy voatery mitovy amin'io koa anie e, rehefa mahita vazy na "bocale" dia efa afaka ampiasaina ho asiana fasika mba hanatsatohana ny hazo ho atao fitoeran'ireo kojakoja.

Io hazo maro rantsana io, dia hazo naniry teo an-davaranganay teo, fa nohon'ny antony tsy fantatra dia maty sy maina izy ka tsy maintsy nokapaina, noratsadratsaniko teo saika ho ariana, dia teo no nitsiry ny hevitra, andeha tsy ho ariana fa oampiasaina hatao haingon-trano. Dia io izy io, vita tena izy, miaina fanindroany.




Dia izay aloha ny anio, somary tsy dia lava ny resaka fa nanantena aho fa mba nanome hevitra kely anareo raha mba te hanana "porte-collier" miavaka amin'ny an'ny rehetra ianareo no sady azo lazaina fa mba mora ihany ny masokarena.


Mandrapihaona indray 😍