jeudi 27 août 2015

Maloka ny aty


Mba ampindramo ny tsikindry aho dia hibaliaka ny masoandroko
Mba ampindramo ny feondry manga aho dia hihira ho an'ireo akamako
Mba ampindramo ny tanandry kinga mitendry mozika aho dia hampikorana ireo mitolofika.

Fa lavitra lanitra manga aky ny misy anay! 
Mangiana, mitoloko sy misento lava ireo manodidina ahy.

Mba ampindramo hery kely hijoroako ho mahery,
Mba ampindramo tara-pahazavana dia ho feno ny banga.
Fa sina loatra ny tontolo, ampindramo, ampisambory.

Miandrandra andry... Aza mijery sy mandalo fotsiny ihany,
Mba omeo talenta iray avy any.

Vonjeo hono izy fa arian'ny olona eo e


dimanche 2 août 2015

Fanadiovana Tarehy

Fony fahazaza, ny atao hoe manasa tarehy: maka rano, dia lemana ny tarehy, somary safosafoina amin'ny tanana avy nomandoina tamin'iny rano iny dia izay, madio ny tarehy. Tena madio tokoa anie izany e. 

Taty aoriana, mampiasa an'ity karazana akora rehetra ity: "démaquillant", "gel lavant",  "gommage", sns mbola tsy tonga lafatra ihany ity tarehy kely. 

Izaho manokana dia mba te hanandrana foana hatrizay hoe mba ahoana loatra re ny tarehy rehefa avy sasana amin'ireny Clarisonic ireny e! Ny vidiny manko dia tena tsy misangy. Raha tsy diso aho toa 160€ izy izay. Izaho moa tsy manana fa mba te hanandrana ihany saingy indrisy. 

Vao haingana, raha haingana izany hoe vao 6 volana teo, nisy olona niteny tamiko hoe mividiana borosy Shiseido fa mora be 27€ nefa dia tena malefaka sy madio be ny tarehy rehefa diovina aminy, itony antsoina hoe "dupe" moa izany ny filaza azy, "dupe de Clarisonic". Nandeha tokoa aho fa izaho moa tia andrakandrana ity, nandeha nanontany teny anivon'ny Sephora fa tsy mivarotra hono izy ireo fa vidio mivantana amin'ny tranokala Shiseido. Iny fiantsenana an'abakabaka iny moa tsy mbola tena talentako loatra fa mampisalasala ahy matetika koa dia adinodino teny raborosy "dupe".

Indray andro izay ary aho nandalo Primark, ka nahita an'ity borosy ity 1€50, vidina mofodipaina e! Aleo raisina ihany aloha. Mba andramana dia hita eo. 

Aoka re ramatoa! Fa taiza aho hatrizay tsy nahalala an'ity zava-mahasoa ity. Tsy niova akora aho hanadiovako ny tarehiko fa kosa nampiasa ilay borosy, maraina sy hariva. Tena tsy lainga fa maro be ny olona mahita ahy lasa niteny fa tsara be ny hodi-tavako. Lasa malefaka sy malandina kokoa. Sady izay indray, afaka manotra ihany koa anie ity izy, tonga lafatra e, hitady inona intsony.

Ny taona miha-mandroso fa ny hoditra tsy miofo! Hafaliana foana fa 1€50 no niala ampaosy fa tsy 160€. Tena tretrika, afapo, afaka mizara aminareo, tsy voatery lafo ny zavatra tsara. Tsy voatery marika ambony vao mahakarakara 😜.

Fa efa ho lany ihany ity akora ity ka aleo aloha araraotiko zaraina aminareo an-dahatsoratra ihany koa fa tena mety ahasoa. Ity no fanasako ny tarehiko. Tsoriko aminareo fa misy fotoana aho tsy mahatandrin-tena: mihinana sakay, miletra sakamalao be, misotrosotro rano misy alikaola kely eny 🙊. Fa ity fanasako tarehy ity dia niantoka ny fahadiovan'io tavako io. Raha be indrindra 1 ny mony maditra, tsy mety resy, tsy mety lefy fa mipoitra eo amin'io tarehiko io. Mampibaribary ny "mauvaise hygiène alimentaire" ataoko hono izany ny tanjony e! 


(Tea Tree @THE BODY SHOP: arbre à thé nettoyant purifiant visage)

Dia izay ny anio, fahazarana kely nozaraina taminareo. Ny omaly tsy miovan'ny maraina sy hariva, ireo ny fitaovana fototra ampiasaiko manadio ny tarehiko na manao manjamaso aho na tsia. 

Koa mahasoava e.