samedi 13 décembre 2014

FOMBAN-DRAZANA MALAGASY AMIN'NY FAHORIANA

Nifandimby nifanesy izay ny fahoriana tato ho ato teto anivon'ny fianakaviako ka nahalasalasa fisainana mafy ahy, maro anie izato fombafomba tena mahasarotiny ireto fianakaviana sy mpiara-monina ary eo ihany koa ny mpiara-mivavaka. 

Mifamahofaho mafy avokoa ireto izay miseho ka variana sy mba lasa saina aho satria tsoriko fa hatramin'izay andro rehetra niainako dia nanaraka ireny fomba ireny aho tsy nametra-panontaniana akory, anio aho mba hanoratra kely mba hanontanitany aloha ho an'ireo rehetra manam-pahendrena izay sendra mba mandalo eto amin'ity blog-ko ity, mba atoroy aho, mba omeo  fanazavana amin'ireto fomba izay nataoko, inona marina no tena dikany?

Rehefa misy maty:

A- Famonosan-damba

A-a: eo manomboka mahavariana ahy, maninona no tsy maintsy antsoina hoe "olona" ilay razana fa tsy atao hoe "faty" na hoe "razana", toy izao ny fiteny fahenoko : "batao ny olona"

A-b: dia tsy maintsy 7 ve ny fatotra? satria nahoana? 

A-d: fa nahoana no tsy maintsy ilay zandriny indrindra fa maninona raha ilay lahy matoa no mamatotra farany ny tady?


B- Avy mandevina

B-a: Maninona ny lalana nandrosoana no tsy azo iverenana?

B-b: Maninona no mandingana afo rehefa alohan'ny hiditra ny trano?


D- Misasa

D-a: Rehefa misasa dia tsy maintsy eny amin'ny rano mandeha, satria nahoana?

D-b: Inona ny antony tsy maintsy hisàsana miaraka daholo?

D-d: Nahoana no manary lamba avalona rano?


Ireo aloha dia fomba tena nohajaiko hatramin'izay fa tsy nampihariko intsony tamin'ity taona ity, fa tsy haiko tsinona ny antony, ary izaho efa tena tonga eto amin'ilay fetra hoe tsy manao zavatra tsy hay akory ny dikany, koa mba manantena aho fa mba hisy hanoro sy hanome fanazavana.

Miandrandra mafy anareo namako rehetra eran-tany manana fahendrena sy mahalala ny fomban-drazantsika fa kolontsaintsika izany ary anisan'ny rehareha maha-Malagasy ny Malagasy.

Mankasitraka mankatelina sahady anareo rehetra

mardi 2 décembre 2014

DILOILO sy ny Tontolony - COCONUT OIL

Lasalasa eto indray aloha ny saina fa mamirifiry sahady ny andro aty amiko aty nefa mbola vao tsy mitsidika akory ny ririnina. Na ny haingam-panahy hanoratsoratra tato aza lasa toa tsy nisy fa variana miaina e.

Koa anio mba hiverina indray aho aloha hizara izay mety ahasoa, fanandramana nataoko tamin’ny tenako (na tamin’ny manodidina ahy) aloha voalohany indrindra mba tsy ho mpitari-bato vilambava aho, hamporisika sy hanao vavolombelona tsy marina :)

Sady izaho rahateo tsy hoe voakarama ka andeha hanao dokambarotra mba ahalafo entana, fa tena nahita vokatsoa ka aleoko mba zaraina ihany aloha.

Anio hiresaka voanio, ilay menaka azo no ho resahiko be dia be anio, atoroko anareo ny fanamboarana azy ITO dia ahazo vokatra tena natoraly, tsy misy fangaro simika no tena azo antoka fa biolojika, indrindra ho an’ireo monina ao Madagasikara. Ampiako kely: tsy mahavoa ny homa-miadana.

(mba fantatrareo ve fa mirehareha ery ireo mpivarotra aty am-pita vao misy hoe vokatra avy any amintsika? atsy amin’ny lalako mandeha miasa isan'andro atsy izao misy mpivarotra trondro, mirantiranty eo ambaravarany eo « Gambas BIO de Madagascar »)

Atomboko amin’izay manakaiky indrindra ny fampiasako azy tato ho ato ary izy ity, dia izy fanalana manjamaso « waterproof », tena mahavariana loatra, fa nahalasa ny saiko ny nijery ireny « démaquillant waterproof » ireny satria misy menaka foana izy ireny, rehefa nikarokaroka teny rehetra teny aho dia nanandrana ka nandaitra tokoa, alaina ny diloilo - ny ahy tonga dia ararako amin’ny ratsan-tanako - ahosotra ny hodi-tava sy sy ny hodi-maso, somary horina malefadefaka miodinkodina toy ny hanao boribory (en mouvement circulaire), eo amin’ny iray minitra eo, fahona amin’ny vovo ka hohitanao fa hanaraka tsy hisy tavela ny manjamaso sy ny pensily sy ny vovoka rehetra napetraka teo. Ny tarehy amin’izany mandina sy malefaka aoka izany. Ary tadidio fa mora lavitra ny vidin'ny diloilo nohon'ny rano voatokana efa misy akora simika eny amin'ireny mpivarotra ireny.

Izaho koa dia nahita paik’ady ho solon’itony antsoina hoe « baume à lèvres » itony, tsotra be ny fomba atao, maka diloilo amin’ny ratsan-tanana dia ahosotra amin’ny molotra ka entina matory, rehefa maraina dia mandimandina ery izato molotra, raha sanatria ka vakivaky dia io no fanafody mahasitrana azy ihany koa.

Mbola io tarehy io ihany, fa ny volomaso koa dia afaka hatsaraina, tsy izaho indray aloha no nanao fanandramana manokana fa izaho efa voloina be, fa voaporofo tsara fa nahomby ka andramo ihany aloha dia mba zarao izay fiantraikany taminao, mila isika : ireny tavoahangy kely nisy « mascara » efa lany ireny, diovina, kobanina kely mba tsy hisy akora intsony, avy eo maka diloilo 4 sotro fihinana arotsaka ao anatiny ao, dia tapohina  menaka kinana (ricin) 1 sotro, ahontsakontsano tsara ka rehefa eo ampandriana alohan’ny hatory iny dia hosory an’io fangaro io ny volomaso, ho hitanao raha mahavatra ianao fa ho lasa lava sy matevina tsara ny volomasonao.

Rehefa maraina indray, eo ampiomanana eo, mba andramo afangaro kely amin’ny « dentifrice » ny diloilo fa manamafy ny akanjonify izy io, ary raha sanatria moa ka efa marary ny nify dia maka diloilo hosorana manodidina ilay akanjonify marary, avela 5mn vao kobanina, ho hitanao fa hihena tokoa ny fanaintainana.

Raha handeha hivoaka ny trano indray dia tsara dia tsara ihany koa ny mihosotra diloilo ho solon’ny «  lait corporel » indrindra amin’ny faritra tsy misy akanjo mba ho fiarovana ny hoditra amin’ny herin’ny masoandro (UV).

Fa indro harivariva valabalaka ny tontolo andro, raha mba te ho afa-bizana dia mandraisa indray diloilo kely, orina malefaka amin’iny menaka iny ny hodi-doha fa tena ho maivana ny saina sy ny vatana; asa ianareo raha mahatadidy fa tena toy izany mihitsy rehefa mbola kely, ilay orin’i Neny, mba hivelatra ny saina sy ho mailamailaka ny vatana.

Efa mikitikitika ny loha ihany fa dia aleo atoroko anareo fa tena fanafody mahagaga ho an’ny volo simba : vakivaky, maina ary simba (fourchus, ternes, aggréssés, abimés … etc) ihany koa ny diloilo. Fomba tsotra anefa dia mahavita azy, atao « sarona » amin’ny volo, hosorana daholo ny hodi-doha sy ny tahom-bolo, mbola maloto izy no hosorana diloilo, avela hilona 40mn dia sasana toy ny mahazatra. Azo tsapain-tanana avy hatrany ny vokany satria malefaka eo no ho eo ny volonao, rehefa mahavatra tsara dia lasa mangirana ny volo no sady mandimandina mandrakariva. Veloma ry tsy fahatomombanana majinijinika.

Fa maro ihany koa ireo jejojejo mba tia mikarakara ny hoho nefa tsy maro ireo manana hoho tonga lafatra, koa andramo ary ny manosotra diloilo io hohonao sy ny manodidina azy io alohan’ny hatory, aza adino ny manala ny loko (vernis) raha sanatria mbola nisy, somary horina kely mba hitsofoka tsara any anaty hoho any ny menaka, entina matory fa tsy sasana ary indrindra manaova  aron-tanana « gants » raha misy ao aminao. Vokany? mihamafy ny hoho ary tsy mora vaky sy tsy mora tapaka.

Farany indrindra dia mahagaga fa manasitrana ny tongo-bakivaky ihany koa anie ny diloilo e! raha iny efa tresaka iny dia hosorana menaka ary avela hilona 5 hatramin ‘ny 10mn raha maika dia efa mahavita azy, tsy misy fahagagana aloha ka hoe tampoka eo dia afaka ny vakivaky fa averina imbetsaka dia handaitra tsara izy, raha alina ianao no manositra io menaka io amin’ny faladia dia ento matory, mba tsy handoto lamba dia fonosy ba kiraro ny tongotrao.

Dia izay indray aloha ny tafatafa, mba aza adino ny mizara izay vokatsoa efa azonareo tamin’ny alalan’ny diloilo ka tsy voatanisako e, mba ho andramako ihany koa.

Dia mankasitraka ry zareo a,

Mankatelina

mardi 18 novembre 2014

ASA TANANA / VITA MALAGASY

Hifarana ihany ity ny volana may fa toa hafahafa loatra izato toetr'andro aty aminay. Roa andro monja no mba nafàna dia injao fa orambe mitraho indray izy ao. Reradreraka ny saina, dia mba te hiova e! Andeha mba hanofinofy andro be migaingaina :) Aiza ianao ry Ingahibe masoandro ô! Fa izaho anefa anie efa hary fomba, efa vonona tanteraka hisedra  ilay hafanambe aty. Fa dia fahavaratra arabakiteny ny niafarany e! Orana, masoandro fotoana vitsy, dia orana mijohy indray! Tsy misy farany mihitsy.

Dia mangaina ato izao ireto satroko ireto. Novidiana anefa fa hoe mafana ny andro, fa hoe tsy ho zaka ilay masoandro. Indrisy...Tantaraiko anareo ihany aloha, fa nahasondriana ahy  ny zava-bita malagasy... Nanintona ny masoko, nambabo ny fanahiko. Roboka aho, nividy tsotra izao. 

Herinandro vitsivitsy lasa izay, nisy ny tsenabe an'i Parisy! Niainako lalina izy izay, fa mba anisan'ireo nitsikian'ny vintana aho ka mba mpivarotra entana vita Malagasy tao. Fahasambarana any izany, ny fofona sobika, nampahatsiaro volon-tany. Fa dia nivoatra hoy aho ireto harona e! Karazany anie izany rey olona, misy aza vita sary amerikanina!!! Tena tsy nampoiziko mihitsy, hatraiza ny fivoarana efa nisy. Jejo ery ireto sobika be! Taloha anefa izy ireny fitaomana vomanga, mangahazo, eny e, nampiasaina tamin'ny endriny maro be. Hofintinina hoe fiantsenàna izy rehefa aty ivelany aty. Izao izy tena lasa rehareha manokana, sobika malagasy, meva, tsara tarehy! Jereo anie ireto sary e! Moa và tsy tena favy? 



Angamba tsy izaho irery no babo amin'ireny kanto Malagasy ireny, fa mba omeko anao aloha ny sopapa, mba asiana paozy kely e! Asehoy n'aiza n'aiza fa mbola hafa ihany hoy aho isika! Tsy mena-mitahy amin'ny hafa. Ireto anaovako ireto, satroka sy poketra dia vita Malagasy. Misaotra manokana an'ireo mpivarotra, Rabarany sy Mada Style fa tena kanto loatra ireto haingoko ireto. Indrindra ity akanjoko fotsy misy voninkazo raha tsy malagasy ve ahavita toy io?



Dia miandry eto aloha izany isika, asa rahoviana vao ho masoandro mibaliaka! Mandrapahatongan'izay fotoana izay, tsy aleo hitafatafa? Mba andefaso sary zava-bitan'ny Malagasy hafa eo ambany lahatsoratra eo, sary avy aminareo ;)

dimanche 16 novembre 2014

Sakafo maraina Tsy mampalaina

Anio andao indray hanao sakafo. Tsy izany ve izao no ho be dia be kokoa ato anatin'ity bilaogy ity ny farany fa toa izay no be dia be atao mandritra ny fiainana. Maraina, atoandro sy hariva dia misakafo foana.

Koa anio dia sakafo maraina tsotra kely no zaraina, izay afaka atao mialoha fa tsy hoe efa hihinana vao mikarakara azy.




zavatra ilaina sy fanaovana azy

Alaina mialoha ny dibera 150g ka avela hitsonika.
Maka voaloboka maina esty ankilany ihany koa, alona @ toaka kely na rano mafana araka izay hitiavana azy.

Maka vilia jobo be dia vakiana ao ny atody 3, asiana siramamy araka izay tiana (100g no mahazatra ny daholo be), kapohina ireo ary tsy ajanona raha tsy efa somary manompy fotsy ilay paty. Arotsaka ny dibera efa mitsonika, sy ny lafarinina 250g izay nafangaro t@ lalovaitra 1 fonosana, ary ny voaloboka maina ka afangaro tsara.
Rehefa vita izay dia maka paty kely atao amin'ny "Bol" kely ka afangaro ao ny "chocolat" mainty iray fonosana rehefa avy natsonika.
Maka tavy amin'izay, hosorana dibera ny tavy ary arotsaka ny paty vita voalohany, dia mandraraka kely amin'ilay paty misy "chocolat" indray. Avy eo mandrotsaka paty fotsy (ilay tsy misy "chocolat"), dia mandrotsaka paty misy "chocolat". Ampifampidimbiasana toy izay hatrany mandrapirotsak'ireo paty rehetra ao anaty tavy.

Ampidirina anaty lafaoro mandritra ny 40mn amin'ny hafanana 180*C ny mofo,




Mazotoa mikarakara sy mampifalifaly fianakaviana daholo ary isika rehetra,

Oroka mamy






lundi 10 novembre 2014

Hanao fitoerana KOJAKOJA


Andray, tena efa ela tokoa aho tsy nanoratra teto, variana dia variana, tsy hitako akory fa efa mila ho iray volana aho raha miampy kely no tsy namoaka resadresaka teto intsony. Gaga anie aho hoe maninona no malahelo nefa tsy misy antony e! Hay kay manina anareo 😘


Indro aho fa hiverina moramora, sady hiezaka mba hitondra fiovana sy rivotra madio kely ho anareo, rivotra mangatsiatsiaka ho an'ireo any amin'ny tany mafana ary hitondra hafanana mampitsiky ho antsika izay mangatsiaka.


Atomboka amin'ny fandaminana korontana aloha ny anio, satria isika vehivavy dia tena mahagaga fa feno kojakoja maro be, be haingo, be kavina, be rojo, be peratra, sy ny maro tsy voatanisa, izay no maha-vehivavy antsika, tia mihaingo, tia mibika.


Anio hozaraiko aminareo ny kitikitika kely nataoko faramparany tato: fitoerana rojo.


Ny zavatra ilaina dia tsy voatery lafo be, fa izaho moa miainga amin'ny zavatra misy aty amin'ny toerana misy ahy. Raha ny sitrapoko dia fasika tsotr'izao no nampiasaiko fa saingy indrisy, tsy izay aloha no misy izao koa dia ito ary e:




ireo vatokely efa miloko ireo dia novidiako teny amin'ny mpivarotra antsoina hoe Baboo (voamaina no nampiasaiko aloha mandra-pahazoako an'ireo), efa ireo ny vidiny ka dia tsy hoaveriko tanisaina intsony.




io vazy io indray dia novidiako tety akaikinay tety ihany, fa tsy voatery mitovy amin'io koa anie e, rehefa mahita vazy na "bocale" dia efa afaka ampiasaina ho asiana fasika mba hanatsatohana ny hazo ho atao fitoeran'ireo kojakoja.

Io hazo maro rantsana io, dia hazo naniry teo an-davaranganay teo, fa nohon'ny antony tsy fantatra dia maty sy maina izy ka tsy maintsy nokapaina, noratsadratsaniko teo saika ho ariana, dia teo no nitsiry ny hevitra, andeha tsy ho ariana fa oampiasaina hatao haingon-trano. Dia io izy io, vita tena izy, miaina fanindroany.




Dia izay aloha ny anio, somary tsy dia lava ny resaka fa nanantena aho fa mba nanome hevitra kely anareo raha mba te hanana "porte-collier" miavaka amin'ny an'ny rehetra ianareo no sady azo lazaina fa mba mora ihany ny masokarena.


Mandrapihaona indray 😍

mardi 14 octobre 2014

Sakafo TSOTRA azo aroso ny VAHINY

Miarahaba ny mpamaky sy mpanaraka hatrany Ny tontoloko :)

Efa manimbolo ny andro fety fa indro efa manantona moramora ny volana novambra. Na dia misavorovoro kely aza ny "politika eto amintsika" dia tsy ahasakana antsika tsy hisakafo sy hankafy ny fiainana an-davan'andro izany, aleo zareo samy lehibe hifanasa vangy any.

Ho arosoko anareo anio ary sakafo fidirana, sakafo "résistance" ary ho faranana amin'ny tsindrin-tsakafo izy amin'ny farany. 

Toy ny efa mahazatra, ho feno sary eto araka izay vitako sy kely mba haiko (tsy ampy traikefa).

Sakafo fidirana :

Lasary "cocombre" miaraka amin'ny saosy "yaourt"

 concombre en fleur
Ny fomba nanaovana azy:
  1. maka "concombre" 1 dia sasana tsara amin'ny savony, dia mampiasa antsy maranitra ka didina manodidina ny "concombre" atao lavalava mba ahafahana mamolavola azy ho voninkazo avy eo (izaho nampiasa fitaovana manokana ahavitana an'io, afaka jerenao any amin'ny horonantsary ao amin'ny youtube),
  2. maka atody 2 arotsaka anaty vilany, rakofana rano ary avela hiketrika ambony afo, rehefa mangotraka dia miandry 8mn dia tsoahina mba hisy somary lakirema ilay tamenany,
  3. ny atody iray sy tapany atao haingony miaraka amin'ny "concombre" fa ny antsasany sisa tavela potipotehina amin'ny sotro rovitra ary afangaro amin'ny "yaourt" iray sy sira sy dipoavatra kely ary tongolo maitso izay tianao. 

Sakafo fidirana mafana: karaoty


Ny fomba nanaovana azy: 

Maka karaoty  4 salantsalany, tetehina boribory ary andrahoina amin'ny entona,  aza avela ho masaka ny karaoty fa andraso, jereo matetika ary raha vao hita fa manomboka miha-malemy dia  esory hiala ny afo haingana, tsara raha aroso mafana,

Ny lasaosy kosa dia tsotra, "mayonnaise" asiana dipoivatra na izay mahazatra anao, afaka asiana tongolo maitso foana, na kotomila koa vao maika manitra mamerovero.


karaoty 

Sakafo "résistance" 


Vary no ady eo, aroso miaraka amin'ny ravimbomanga rony (mifangaro patsa mena), ary ny laoka dia henakisoa sy tsaramaso

vary maina

ravimbomanga rony
tsaramaso sy henakisoa

                                      Tsindrin-tsakafo :

Ny fomba nanaovana azy:
  1.  manaingina ronono 1/2 litatra miaraka amin'ny lavanila (avy ao Madagasikara azafady an), zaraina roa amin'ny halavany ny lavanila ary kikisana amin'ny antsy ny voany hirotsaka anaty ronono, asiana siramamy 100gr ihany koa miaraka aminy ao, 
  2. rehefa sahabo hangotraka ny ronono dia arotsaka tsimoramora ny "tapioca" 40grs, atao malefaka ny afo ary aroiroina tsy ankijanona mandrapaha-masany,
  3. arotsaka anaty vera kely, avela hangatsiaka any anaty vata fampangatsiahina ary rehefa hisakafo dia aroso miaraka amin'ny "chocolat noir" vokarina avy ao Madagasikara  (ny ahy io Robert) foana ihany.
chocolat noir de Madagascar
sur nid de tapioca à la vanille de Madagascar


Dia izay no masaka aroso, mirary anareo hazoto hikarakara ny tenako,

Mankasitraka amin'ny fandalovanareo tsy mitsahatra eto amin'ity rohy ity,

Bà Betsaka

Ikala Fanja




vendredi 10 octobre 2014

FANOMEZANA ho FISAORANA - GIVEAWAY

Anio dia hafaliana be ny ahy no hozaraiko aminareo, satria tamin'ity erinandro dia nandeha nijerijery tsena aho ary nahita zavatra nanintona ny masoko be dia be tao amin'ilay fivarotana antsoiko hoe "Magazain'ny Nofy" fa tsy izany akory no tena anarany fa karana izy io raha tsy diso aho, karana mivarotra itony antsoina hoe kojakoja ho an'ny tokantrano itony ilay izy. Koa dia nividy aho ka nividy. (Hanao horonantsary momba izay novidiako tany aho tsy hoe ela).

Tampoka teo anefa ry zareo toa nisy bitsika injao reko tao an-tsofiko tao: raha mba hizaran'IkalaFanja amin'izao zava-misy izao moa ireo mpankafy mpamaky ny "blog" mety mba ho faly koa angamba izy any ambadimbadika any.

Koa dia tapaka ny hevitro, nividy aho ho atolotro anareo mpamaky ireo, ho fankasitrahana noho ny fiarahan-dalana.

Misaotra fa raha tsy misy anareo mpamaky erantany dia niteny irery foana teto ihany. Ho zary tsinontsinona ny diam-penina ("clavier" moa izany izy izao). 

Koa ireto ary ny loka hozaraiko aminareo.

 RAOZY: moule 1 sy sotro lehibe 1

VOASARY: sotro lehibe 2

VOALOBOKA: haingo ho an'ny mofomamy 1 sy "pâtes à sucre" 2

ZAKARANDA: sotro fanaovana "décoration" 4 sy famoasana tongolo gasy 1


Ity fanomezana ity moa, marihiko tsara, dia tsy misy mpanohana fa vola ampaosiko no nividianako azy koa aza tsiny indrindra raha tsy tonga lafatra sy voafetra ihany ny isany fa hiezaka aho hizarazara fanomezana matetika arak'izay fahafahana mba misy ampela-tanana.

Ary noho ny fanomezana voafetra an-kisa dia aleo mba asiana fitsipika kely indray mipika. 

Ny safidy hanondroana ilay mahazo loka dia atao fisarihana tsy ankijery ka tafiditra anatin'ireo ho voasarika anarana izay mahafeno ireto fepetra manaraka ireto:
  • Manoratra "commentaire" eto ambanin'ity lahatsoratra ity koa farito ny fanomezana tianao amin'izy efatra ireo: vintana 1
  • Manao "j'aime" ny Pejy Ikala Fanja: vintana 1+1
  • Raha mirotsaka manaradia ny "chaîne youtube: aina vicky": vintana 1+1+1
  • Raha manao fampielezana ito lahatsoratra ito ianareo any amin'ny facebook (alefaso eo amin'ny Pejy Ikala Fanja ny rohy nanaovanareo fizarana): vintana 1+1+1+1

Afaka mandray anjara ny olombelona rehetra maneran-tany ka mahay miteny Malagasy (satria izay tsy mahay teny Malagasy mety tsy ahalala izay mitranga ato akory).

Dia izay fa mirary anareo hazoto hilalao ary ny tenako.

Dia mamerina ny fisaorana anareo manaraka ahy hatramin'izao.

Ny fisarihana dia ho atao amin'ny 01 novambra 2014.


Mandrapihaona tsy ho ela

dimanche 5 octobre 2014

AlAhAdY Mikarakara TaReHy

Miarahaba anareo rehetra amin'izao alahady izao. Manao ahoana ny fahasalamana? Inona ny malaza any ambadimbadika any?

Ny aty aminay manomboka mangatsiaka ny maraina, manomboka maloka mampitaraina, koa andeha mba hampifalifaly saina, andeha hikarakara tarehy mba ho velombelon'aina.

Izaho ry zareo nohon'ny taona nihanandroso, nohon'ny tsiky izay tsy nety lany, indro ankehitriny nanjary nisy kentrona sahady. Eo ambany masoko eo, misy kentrona miseho, antsoin'ny vahiny hoe "rides d'expression" (mahita raha koa anie amin'ity fiainana ity). Koa noho izany rehetra izany, dia niova avokoa ny fahazarana rehetra hatramin'izay, niova tsy maintsy atao mifanaraka amin'ny toetry ny tarehy, ny fivoarany hafahafa be (mahakivy, mampihomehy).

Ireto avy ary ny ahy ny fitaovam-be manaraka ny arabe, entina hikarakarana ity atao hoe tarehy:


  • fanasana tarehy
  • gommage (tena mba marina raha haiko ny dikan'izany @ teny malagasy)
  • tantely
  • menaka tarehy
  • menaka ho an'ny manodidina ny maso

Ho asiako sary be dia be ary anio ahitanareo antsakany sy andavany ny marainako tato. Voalohany indrindra dia manadio tarehy amin'ny vovo amin'ny alalan'ity akora ity:


fanadiovana tarehy


Rehefa avy nosasana madio ny tarehy dia manao "gommage" kely mba hanala ny loto rehetra miraiki-tampisaka any ambadika any:



kosehina moramora somary malefadefaka amin'ny tanana ilay akora kely nalaina hanadiovana tarehy:


miala tsiny aho @ity sary fa tsy mora ny "selfie" ao @ douche

Rehefa madio tsara ny tarehy dia manao "masque" amin'izay, mandritra ny 25mn. Ny ahy tantely no ataoko fa sady natoraly no mora no mahavita ny asany tsara (manala kentrona sady mampamandina nefa tsy mampitera-menaka):


masque au miel

Rehefa tapitra ny 25mn dia sasana amin'ny rano mangatsiaka ny tarehy:



Rehefa madio ny tarehy dia fafana indray amin'ny vovo mba ho maina tsara:



Rehefa vita ny fanadiovana dia miroso amin'ny fanosorana menaka sisa:





Ary farany tena farany dia asiana menaka ihany koa ny manodidina ny maso:




Dia izay ny fikarakarako ny tarehiko, afaka manao izay tiana amin'izay na hanao manjamaso na hijanona amin'izao raha tsy hivoaka ny trano anio. Ary ny anareo mba zarao koa raha tianareo, inona avy ny koninkononina rehefa mba hanao "concooning"???

Mirary andro feno fitahiana ho antsika rehetra amin'izao Alahady izao.


Bà Betsaka 
IkalaFanja



lundi 22 septembre 2014

Sakafo Vahiny

Herinandro vaovao, nomena ahy sy ianao, entina hanaovana ireo asa aman'andraikitra sy ny adidy maha-olombelona. 

Mety ho mafy ny miandry, mety ho hafaliana fotsiny ihany koa. Tsy misy mahalala ny ampitso isika ka aleo hanohana aina aloha.

Indro zaraiko aminareo, sakafo tsotra mora atao: legioma nandrahoina tamin'ny entona sy henakisoa natao lasaosy.

Ny fanaovana azy: maka saosety 3 antonontonony, voasana, sasana tsara, ary tetehina somary manify, asiana sira dia apetraka @ vilia voatokana handrahoana sakafo @ entona. Maka "céléri", sasana tsara dia tetehina manify ihany koa ka ampiarahina @saosety (natao hanome hanitra mamerovero no ilantsika azy). Asiana sira ireo legioma dia andrahoina @ entona mandritra ny 30mn raha be indrindra. Mila tazanina matetika mba tsy hiova loko ny legioma fa hitazona ilay maintso mavana iny.

Etsy ankilany kosa, maka henakisoa 1/2kg, sasana tsara, tetehina araka izay habeany itiavana azy, asiana sira, asiana tamotamo dia andrahoina anaty "cocotte" mandritra ny 35mn ihany koa.

Rehefa samy masaka ny sakafontsika dia  aroso an-dovia, ka ny legioma no atao ambany dia ny henakisoa no manaingo azy eo ambony eo. 

Raha mbola misy fahazotoana dia manao  raozy kely @ voatabia atao haingony, dia asiana tongolo maintso ihany koa mba ho tsaratsara e!

by IkalaFanja


Rehefa avy nisakafo, nihinam-bary mitafotafo tamin'izato laoka matsiro dia handroso @ny tsindrin-tsakafo isika.

Eto indray dia paoma salantsalany 2 dia mahavita azy. Alaina ny paoma, voasana dia endasina @ dibera kely, somary rarahana tantely mba hahazo " karamely" (inona ry reto no fiantsoana caramel @ teny malagasy?).

Manamboatra fototra ihany koa, ka "cacao" sy "maïzena" no nafangaro t@ ronono. Avela haritra moramora eo ambony afo malefaka dia malefaka ka tsy ajanona haroiroina mandra-pitambatr'ireo rehetra ireo ho akora iray tsy miavaka. 

Ny ahy moa teto "cacao" mangidy be ka safidin'ny tsirairay no manisy an'io vatomamy mangamanga io na tsia. Izaho tsy nampiasa siramamy nefa nisy vahiny ka dia ny vatomamy no nanamamy ny tsindrin-tsakafo.

Afaka rarahana tantely ihany koa raha izay no tianao, na ho solon'ny vatomamy dia "chantilly" .... Hmmmmm.. Noana tampoka aho manoratra eto (Hay koa moa izao ora izao mitatao vovonana ka tsy mahagaga).


verrine by IkalaFanja

Dia izay indray ary aloha ry zareo mpamaky, manantena anareo hahazo fahafaham-po mandrakariva ny tenako.

Aza adino ny mizarazara @ny hafa ny rohy eto raha mba tianao izay hitanao ato.

Mankasitraka mandrakariva e!

jeudi 18 septembre 2014

PaoZy Andavan'Andro


Falifaly aho satria, toa anao ihany koa, fa ho tonga ny Asabotsy hialana sasatra, hitsaharana kely amin'ny asa aman-draharaha, koa am-pitiavana lehibe no andeha hizarako an'ity paozipaoziko ity izay afaka alainao tahaka rehefa hivoaka ianao.


Anio tsy atao be dia be ny resaka fa somary voan'ny sery kely ny tenako ato, notapohan'ilay oram-baratra anikeo e! Tonga tampoka tsy nisy niomanana izy ka tena nitondra takaitra tsy nahy aho :)



Efa hitanareo tsara izao hoe izaho ity dia tsy mahita mihitsy raha tsy manao solomaso :)




Ny andinindininy momba ireto rehetra nanaovako ireto:
  • Ambonin'akanjo : Zara
  • Zipo: Mango
  • Kapa: André
  • Poketra: Texier



Dia izay indray ary aloha, mirary zoma mahafinaritra feno tsiky ho anao.


Mandra-pitafatafa indray o

lundi 8 septembre 2014

Fomba Mahomby Hanalavàna Volo


Isika vehivavy rehefa tsy tia fohy volo dia tena te ho lava volo be, samy tsy misy te hijanona eo antenatenany eo, ilay volo tsy ambony tsy ambany, ilay tsy hita be niany. Ho ahy dia aleoko nampiana tosika ny fitsirian’ny volo voajanahary, nahomby ny fanandramana koa tsy hisalasala aho hizara aminareo izay rehetra nataoko nahatonga azy lava vetivety.

Tsy dia sarotra loatra no sady tsy mandany fotoana firy raha te ho manja kely, ho vala volo vetivety.

Ny ahy dia ny menaka no nampiasaiko, antsoina amin’ny teny Malagasy hoe « menaka kinana » na hoe « huile de ricin » amin’ny teny frantsay.



Ny fomba nataoko ary, dia nihosotra menaka indray mandeha isan-kerinandro, ny fatra tsy dia misy loatra fa noezahiko nohosorana daholo ny hodi-doha rehetra. Nentiko natory (dia nanao sarin-doha e). Rehefa maraina dia sasana toy ny mahazatra. Tsy manda-menaka mihitsy ny volo rehefa avy nosasana fa mijanona ho natoraly araka ny kalitao voajanahary teo ihany fa tsy simba.


Ny azoko lazaina koa ankoatr’izay? Manjary lasa mamorona fa ito ilay menaka nampiasaiko asehoko anareo. Aleo hazavaiko kely fa teny antsefatsefany teny dia nofaramparanako teo amin'ny 1 na 2 santimetatra teo fotsiny ny voloko fa tsy notapahiko mihoatra an'izay.

Toa misy fomba maro be, ady gasy fampaniriana volo ihany koa fa mba zarao eo amin'ny "commentaire" eo ambany hoe raha sitrakareo inona ny fikafikanareo. 



(Mba Aza avela hiteny irery intsony aho fa mba aleo miresaka, sa ahoana hoy ianareo?).

dimanche 7 septembre 2014

LASARY SAOSETY

Ianao koa ve mba toa hay, mankafy Saosety? Izaho aloha dia tena mankafy tanteraka ary tena sahiko ny milaza fa taloha izahay namboly saosety ka rehefa tonga ny fahavokarany dia nihinana isan'andro tamin'ny fomba maro karazana:

  • ny saosety sy voanjo natao lasaosy 
  • ny saosety natao lasopy
  • ny saosety nampiarahina tamin'ny hena
  • ny saosety natao lafika trondro
  • ny laingon-tsaosety nandrahoina
  • ny vodiny koa aza efa nandrahoinay fa tena natsiro be 
Fa anio ny hozaraina aminareo dia ilay tokana tsy voalazako teo ambony teo, nefa ilay tena izy ilay! Dia ny Lasary Saosety e!

(Ity sehatra "Ny tontolon'IkalaFanja" ity moa natao hizarako ny traikefa azoko tamin'ny fiainana ka izay no antony hizarako aminareo na dia ny fanaovako lasary saosety aza, sao manko dia misy tezitra be eo indray hoe izany koa ve dia resahana ato. Fa maro ny olona toa ahy no mianatra zavatra be dia be na dia efa lehibe sy mitantana tokantrano aza, ka aleo mba resahana ihany aloha sao mba misy mahazo tombotsoa ry reto a!).

Ny zavatra ilaina ary raha hanao Lasary Saosety ho an'olon-droa:
  • Saosety 2
  • Tongolo 1
  • Voatabia 1
  • sira kely, dipoavatra kely, 
  • menaka 1 sotro
  • voasary makirana 1
  • "moutarde" kely
  • tongolo maitso (tetehina madinika)

Ny fomba fanaovana azy:

Voasana ny tongolo dia tetehina zaraina roa amin'ny fitsanganany ka tetehina atao lavalava. Atao anaty vilia jobo ka rarahana ny ranon'ny voasary makirana 1, arotsaka ny menaka sy ny sira ary ny dipoavatra; rehefa izay dia arotsaka ihany koa ny "moutarde" sy ny tongolo maitso ka afangaro tsara ireo rehetra ireo. Avela hilona.

Rehefa voakarakara ny lasaosin'ny lasary, dia alaina ny Saosety ka voasana, rehefa avy nodiovina dia tetehina lavalava somary lehibe fa tsy manify loatra. Arotsaka anaty vilany ny saosety ka atao be rano, ataingina ambony fatana ary rehefa mangotra-tokana dia esorina, hatsiaka amin'ny tatavana (passoire ==> mba ahitsio aho hoe inona ny tena dikany). Ampandalovina rano mangatsiaka be mba tsy hitohy intsony ny fahamasahany. Lafatra kokoa raha andrahoina amin'ny entona ny Saosety ho an'izay manana vilany manokana ho amin'izany satria na ny tsiro na ny endrika mbola tena hafa loatra, tsara lavitra.

Aorian'izay dia voasana ny hoditry ny voatabia, sasana tsara avy eo dia tetehina manaraka ny halavany ihany koa.

Vita izay ny fikarakarana be fa andeha hafangaro amin'ilay saosy tongolo marikivy ny saosety ka atao ambony vilia handrosoana azy an-databatra, apetraka eo afovoany ny voatabia, hanome endrika vonikazo mba hampazoto homana ny rehetra.



Koa dia mazotoa homana daholo indray ary isika.







QUAIS LIBRES 07 septembre 2014

Tsy ho haiko ny tsy hizara rehefa misy zavatra tsara hitan'ny masoko, niainako ary heveriko fa mety mba ahasoa ny Tanindrazako ihany koa raha maka tahaka ireo Malagasy monina any Madagasikara. Heveriko loatra fa tsy ho sarotra ho an'ireo mpikarakara hetsika manko no hanao fialam-boly sy fanentanana ny vahoaka mba hiarovana ny Tontolo iainana raha ity hetsika Quais Libres taty Frantsa ity no halaina tahaka.

Izaho moa izany dia anisan'ireo nahazo fahafinaretana afaka niriaria tamin'ny arabe mirefy 6kms izay natokana ho fivezivezen'ny fiara saingy noho ny andro manokana anio dia notapahina ho an'ny fifamoivoizana ny arabe, fa ireo mpandeha tongotra, mpiazakazaka, mpitaingina bisikileta, ireo mpanao "rollers" sy ireo rehetra tsy mandeha amin'ny motera no nanjakazaka teo amin'ny "Quais : Asnières, Courbevoie ary Puteaux". 

Ireto ary ny Sary hoentiko hampiaina anareo ny hafanana teny, izay feno hafaliana sy fiombonam-pianakaviana :)





Naoty: ny mpivarotra sakafo koa rehefa toy izao tsy tara mihitsy ;)


Izay aho vao mahatsiaro fa efa misy toy izao ambiansy izao ihany tokoa kay moa eny Ambatofotsy isaky ny Alahady e