lundi 8 septembre 2014

Fomba Mahomby Hanalavàna Volo


Isika vehivavy rehefa tsy tia fohy volo dia tena te ho lava volo be, samy tsy misy te hijanona eo antenatenany eo, ilay volo tsy ambony tsy ambany, ilay tsy hita be niany. Ho ahy dia aleoko nampiana tosika ny fitsirian’ny volo voajanahary, nahomby ny fanandramana koa tsy hisalasala aho hizara aminareo izay rehetra nataoko nahatonga azy lava vetivety.

Tsy dia sarotra loatra no sady tsy mandany fotoana firy raha te ho manja kely, ho vala volo vetivety.

Ny ahy dia ny menaka no nampiasaiko, antsoina amin’ny teny Malagasy hoe « menaka kinana » na hoe « huile de ricin » amin’ny teny frantsay.



Ny fomba nataoko ary, dia nihosotra menaka indray mandeha isan-kerinandro, ny fatra tsy dia misy loatra fa noezahiko nohosorana daholo ny hodi-doha rehetra. Nentiko natory (dia nanao sarin-doha e). Rehefa maraina dia sasana toy ny mahazatra. Tsy manda-menaka mihitsy ny volo rehefa avy nosasana fa mijanona ho natoraly araka ny kalitao voajanahary teo ihany fa tsy simba.


Ny azoko lazaina koa ankoatr’izay? Manjary lasa mamorona fa ito ilay menaka nampiasaiko asehoko anareo. Aleo hazavaiko kely fa teny antsefatsefany teny dia nofaramparanako teo amin'ny 1 na 2 santimetatra teo fotsiny ny voloko fa tsy notapahiko mihoatra an'izay.

Toa misy fomba maro be, ady gasy fampaniriana volo ihany koa fa mba zarao eo amin'ny "commentaire" eo ambany hoe raha sitrakareo inona ny fikafikanareo. 



(Mba Aza avela hiteny irery intsony aho fa mba aleo miresaka, sa ahoana hoy ianareo?).

16 commentaires:

  1. tena malaza io menaka kinana io. ny ahy indray tsy tiako halavaina fa tiako hatevina. nde mba hanandrana sao mety koa. misaotra mizara Ikala Fanja a

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Eran-tany mihitsy ny lazan'io, mahatsara hoho koa, sady mahatsara hoditra fa izaho moa voloina be tsy sahy mihosotra @ vatana sao ahita loza. Hosory ny hodi-doha aky dia raha lava dia tapaho fa any tsy dia lafo ny manapaka volo

      Supprimer
  2. sady mapalava volo io no mampatevina volo no mbola miaro ny volo tsy ho vakivaky sy hihintsana koa!
    tena tsara!!

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Tena mahasoa loatra e! Sady mora ny vidiny :)

      Supprimer
    2. Mba atoroy a hoe aiza kay no misy mivarotra fa mba te hanana volo lava sy matevina ? Merci

      Supprimer
    3. Mba atoroy a hoe aiza kay no misy mivarotra fa mba te hanana volo lava sy matevina ? Merci

      Supprimer
  3. Ary izaho anefa dia tena mahavatra manosotra azy ity amin'ny hodi-doha, fa saingy mbola tsy mety lava be toy ny anao ny voloko hatramin'izao.Mila maharitra kely ngamba e!?

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Aza hitako ka misy karazan'olona, fa izy koa anie ohatran' tsy hita raha tsy tena efa lava be

      Supprimer
  4. Za aloa dia tia azy io. Aiza dry no mividy azy aky? Hatreto aloa dia ny huile de ricin avy any Madagascar foana no ampisaiko. Une fois par semaine koa ny masque: huile de ricin, huile d'olive, tantely dia atody. Dia eny anelanelan'ny herinan'andro dia asiana kely foana ny foton'ny volo. Merci nizara o!

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Eny strasbourg saint denis no fividianako fa eny @ supermachés koa anie misy e!
      Izaho aloha tamana be mampiasa azy fa te ho lava volo be

      Supprimer
  5. Fanontaniana kely akia: mampiasa shampooing sy après-shampooing toy ny mahazatra ihany ve rehefa manasa loha avy manao ilay bain 1 alina? Dia rano mafana sa rano mangatsiaka no anasana loha? Misaotra indrindra fa ny voloko mantsy dia tena manify tokoa

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Oui tena manasa loha normal, shampooing dia après shampooing na masque izay mahazatra anao.
      Ny ahy aloha rano mafana no anasako loha satria aty mangatsiaka be, mirary soa e

      Supprimer
  6. za efa nampiasa fa mbol ts nahita effet tamn volo, fa tamn hoho sy volomaso kosa tong de niov b, 2 semaine d lava b n hoho ako , nenah napiaraako tam tongolo gasy

    RépondreSupprimer
  7. za efa nampiasa fa mbol ts nahita effet tamn volo, fa tamn hoho sy volomaso kosa tong de niov b, 2 semaine d lava b n hoho ako , nenah napiaraako tam tongolo gasy

    RépondreSupprimer
  8. Aona ny fampiasana huile de ricin @ ny volomasa; Mba izaroa Merci

    RépondreSupprimer
  9. Ahoana kay azafady ny mampiasa menaka kinana pure sy ilay atao @volomaso?
    Misaotra ho an'izay mamaly

    RépondreSupprimer