samedi 13 décembre 2014

FOMBAN-DRAZANA MALAGASY AMIN'NY FAHORIANA

Nifandimby nifanesy izay ny fahoriana tato ho ato teto anivon'ny fianakaviako ka nahalasalasa fisainana mafy ahy, maro anie izato fombafomba tena mahasarotiny ireto fianakaviana sy mpiara-monina ary eo ihany koa ny mpiara-mivavaka. 

Mifamahofaho mafy avokoa ireto izay miseho ka variana sy mba lasa saina aho satria tsoriko fa hatramin'izay andro rehetra niainako dia nanaraka ireny fomba ireny aho tsy nametra-panontaniana akory, anio aho mba hanoratra kely mba hanontanitany aloha ho an'ireo rehetra manam-pahendrena izay sendra mba mandalo eto amin'ity blog-ko ity, mba atoroy aho, mba omeo  fanazavana amin'ireto fomba izay nataoko, inona marina no tena dikany?

Rehefa misy maty:

A- Famonosan-damba

A-a: eo manomboka mahavariana ahy, maninona no tsy maintsy antsoina hoe "olona" ilay razana fa tsy atao hoe "faty" na hoe "razana", toy izao ny fiteny fahenoko : "batao ny olona"

A-b: dia tsy maintsy 7 ve ny fatotra? satria nahoana? 

A-d: fa nahoana no tsy maintsy ilay zandriny indrindra fa maninona raha ilay lahy matoa no mamatotra farany ny tady?


B- Avy mandevina

B-a: Maninona ny lalana nandrosoana no tsy azo iverenana?

B-b: Maninona no mandingana afo rehefa alohan'ny hiditra ny trano?


D- Misasa

D-a: Rehefa misasa dia tsy maintsy eny amin'ny rano mandeha, satria nahoana?

D-b: Inona ny antony tsy maintsy hisàsana miaraka daholo?

D-d: Nahoana no manary lamba avalona rano?


Ireo aloha dia fomba tena nohajaiko hatramin'izay fa tsy nampihariko intsony tamin'ity taona ity, fa tsy haiko tsinona ny antony, ary izaho efa tena tonga eto amin'ilay fetra hoe tsy manao zavatra tsy hay akory ny dikany, koa mba manantena aho fa mba hisy hanoro sy hanome fanazavana.

Miandrandra mafy anareo namako rehetra eran-tany manana fahendrena sy mahalala ny fomban-drazantsika fa kolontsaintsika izany ary anisan'ny rehareha maha-Malagasy ny Malagasy.

Mankasitraka mankatelina sahady anareo rehetra

mardi 2 décembre 2014

DILOILO sy ny Tontolony - COCONUT OIL

Lasalasa eto indray aloha ny saina fa mamirifiry sahady ny andro aty amiko aty nefa mbola vao tsy mitsidika akory ny ririnina. Na ny haingam-panahy hanoratsoratra tato aza lasa toa tsy nisy fa variana miaina e.

Koa anio mba hiverina indray aho aloha hizara izay mety ahasoa, fanandramana nataoko tamin’ny tenako (na tamin’ny manodidina ahy) aloha voalohany indrindra mba tsy ho mpitari-bato vilambava aho, hamporisika sy hanao vavolombelona tsy marina :)

Sady izaho rahateo tsy hoe voakarama ka andeha hanao dokambarotra mba ahalafo entana, fa tena nahita vokatsoa ka aleoko mba zaraina ihany aloha.

Anio hiresaka voanio, ilay menaka azo no ho resahiko be dia be anio, atoroko anareo ny fanamboarana azy ITO dia ahazo vokatra tena natoraly, tsy misy fangaro simika no tena azo antoka fa biolojika, indrindra ho an’ireo monina ao Madagasikara. Ampiako kely: tsy mahavoa ny homa-miadana.

(mba fantatrareo ve fa mirehareha ery ireo mpivarotra aty am-pita vao misy hoe vokatra avy any amintsika? atsy amin’ny lalako mandeha miasa isan'andro atsy izao misy mpivarotra trondro, mirantiranty eo ambaravarany eo « Gambas BIO de Madagascar »)

Atomboko amin’izay manakaiky indrindra ny fampiasako azy tato ho ato ary izy ity, dia izy fanalana manjamaso « waterproof », tena mahavariana loatra, fa nahalasa ny saiko ny nijery ireny « démaquillant waterproof » ireny satria misy menaka foana izy ireny, rehefa nikarokaroka teny rehetra teny aho dia nanandrana ka nandaitra tokoa, alaina ny diloilo - ny ahy tonga dia ararako amin’ny ratsan-tanako - ahosotra ny hodi-tava sy sy ny hodi-maso, somary horina malefadefaka miodinkodina toy ny hanao boribory (en mouvement circulaire), eo amin’ny iray minitra eo, fahona amin’ny vovo ka hohitanao fa hanaraka tsy hisy tavela ny manjamaso sy ny pensily sy ny vovoka rehetra napetraka teo. Ny tarehy amin’izany mandina sy malefaka aoka izany. Ary tadidio fa mora lavitra ny vidin'ny diloilo nohon'ny rano voatokana efa misy akora simika eny amin'ireny mpivarotra ireny.

Izaho koa dia nahita paik’ady ho solon’itony antsoina hoe « baume à lèvres » itony, tsotra be ny fomba atao, maka diloilo amin’ny ratsan-tanana dia ahosotra amin’ny molotra ka entina matory, rehefa maraina dia mandimandina ery izato molotra, raha sanatria ka vakivaky dia io no fanafody mahasitrana azy ihany koa.

Mbola io tarehy io ihany, fa ny volomaso koa dia afaka hatsaraina, tsy izaho indray aloha no nanao fanandramana manokana fa izaho efa voloina be, fa voaporofo tsara fa nahomby ka andramo ihany aloha dia mba zarao izay fiantraikany taminao, mila isika : ireny tavoahangy kely nisy « mascara » efa lany ireny, diovina, kobanina kely mba tsy hisy akora intsony, avy eo maka diloilo 4 sotro fihinana arotsaka ao anatiny ao, dia tapohina  menaka kinana (ricin) 1 sotro, ahontsakontsano tsara ka rehefa eo ampandriana alohan’ny hatory iny dia hosory an’io fangaro io ny volomaso, ho hitanao raha mahavatra ianao fa ho lasa lava sy matevina tsara ny volomasonao.

Rehefa maraina indray, eo ampiomanana eo, mba andramo afangaro kely amin’ny « dentifrice » ny diloilo fa manamafy ny akanjonify izy io, ary raha sanatria moa ka efa marary ny nify dia maka diloilo hosorana manodidina ilay akanjonify marary, avela 5mn vao kobanina, ho hitanao fa hihena tokoa ny fanaintainana.

Raha handeha hivoaka ny trano indray dia tsara dia tsara ihany koa ny mihosotra diloilo ho solon’ny «  lait corporel » indrindra amin’ny faritra tsy misy akanjo mba ho fiarovana ny hoditra amin’ny herin’ny masoandro (UV).

Fa indro harivariva valabalaka ny tontolo andro, raha mba te ho afa-bizana dia mandraisa indray diloilo kely, orina malefaka amin’iny menaka iny ny hodi-doha fa tena ho maivana ny saina sy ny vatana; asa ianareo raha mahatadidy fa tena toy izany mihitsy rehefa mbola kely, ilay orin’i Neny, mba hivelatra ny saina sy ho mailamailaka ny vatana.

Efa mikitikitika ny loha ihany fa dia aleo atoroko anareo fa tena fanafody mahagaga ho an’ny volo simba : vakivaky, maina ary simba (fourchus, ternes, aggréssés, abimés … etc) ihany koa ny diloilo. Fomba tsotra anefa dia mahavita azy, atao « sarona » amin’ny volo, hosorana daholo ny hodi-doha sy ny tahom-bolo, mbola maloto izy no hosorana diloilo, avela hilona 40mn dia sasana toy ny mahazatra. Azo tsapain-tanana avy hatrany ny vokany satria malefaka eo no ho eo ny volonao, rehefa mahavatra tsara dia lasa mangirana ny volo no sady mandimandina mandrakariva. Veloma ry tsy fahatomombanana majinijinika.

Fa maro ihany koa ireo jejojejo mba tia mikarakara ny hoho nefa tsy maro ireo manana hoho tonga lafatra, koa andramo ary ny manosotra diloilo io hohonao sy ny manodidina azy io alohan’ny hatory, aza adino ny manala ny loko (vernis) raha sanatria mbola nisy, somary horina kely mba hitsofoka tsara any anaty hoho any ny menaka, entina matory fa tsy sasana ary indrindra manaova  aron-tanana « gants » raha misy ao aminao. Vokany? mihamafy ny hoho ary tsy mora vaky sy tsy mora tapaka.

Farany indrindra dia mahagaga fa manasitrana ny tongo-bakivaky ihany koa anie ny diloilo e! raha iny efa tresaka iny dia hosorana menaka ary avela hilona 5 hatramin ‘ny 10mn raha maika dia efa mahavita azy, tsy misy fahagagana aloha ka hoe tampoka eo dia afaka ny vakivaky fa averina imbetsaka dia handaitra tsara izy, raha alina ianao no manositra io menaka io amin’ny faladia dia ento matory, mba tsy handoto lamba dia fonosy ba kiraro ny tongotrao.

Dia izay indray aloha ny tafatafa, mba aza adino ny mizara izay vokatsoa efa azonareo tamin’ny alalan’ny diloilo ka tsy voatanisako e, mba ho andramako ihany koa.

Dia mankasitraka ry zareo a,

Mankatelina