lundi 22 septembre 2014

Sakafo Vahiny

Herinandro vaovao, nomena ahy sy ianao, entina hanaovana ireo asa aman'andraikitra sy ny adidy maha-olombelona. 

Mety ho mafy ny miandry, mety ho hafaliana fotsiny ihany koa. Tsy misy mahalala ny ampitso isika ka aleo hanohana aina aloha.

Indro zaraiko aminareo, sakafo tsotra mora atao: legioma nandrahoina tamin'ny entona sy henakisoa natao lasaosy.

Ny fanaovana azy: maka saosety 3 antonontonony, voasana, sasana tsara, ary tetehina somary manify, asiana sira dia apetraka @ vilia voatokana handrahoana sakafo @ entona. Maka "céléri", sasana tsara dia tetehina manify ihany koa ka ampiarahina @saosety (natao hanome hanitra mamerovero no ilantsika azy). Asiana sira ireo legioma dia andrahoina @ entona mandritra ny 30mn raha be indrindra. Mila tazanina matetika mba tsy hiova loko ny legioma fa hitazona ilay maintso mavana iny.

Etsy ankilany kosa, maka henakisoa 1/2kg, sasana tsara, tetehina araka izay habeany itiavana azy, asiana sira, asiana tamotamo dia andrahoina anaty "cocotte" mandritra ny 35mn ihany koa.

Rehefa samy masaka ny sakafontsika dia  aroso an-dovia, ka ny legioma no atao ambany dia ny henakisoa no manaingo azy eo ambony eo. 

Raha mbola misy fahazotoana dia manao  raozy kely @ voatabia atao haingony, dia asiana tongolo maintso ihany koa mba ho tsaratsara e!

by IkalaFanja


Rehefa avy nisakafo, nihinam-bary mitafotafo tamin'izato laoka matsiro dia handroso @ny tsindrin-tsakafo isika.

Eto indray dia paoma salantsalany 2 dia mahavita azy. Alaina ny paoma, voasana dia endasina @ dibera kely, somary rarahana tantely mba hahazo " karamely" (inona ry reto no fiantsoana caramel @ teny malagasy?).

Manamboatra fototra ihany koa, ka "cacao" sy "maïzena" no nafangaro t@ ronono. Avela haritra moramora eo ambony afo malefaka dia malefaka ka tsy ajanona haroiroina mandra-pitambatr'ireo rehetra ireo ho akora iray tsy miavaka. 

Ny ahy moa teto "cacao" mangidy be ka safidin'ny tsirairay no manisy an'io vatomamy mangamanga io na tsia. Izaho tsy nampiasa siramamy nefa nisy vahiny ka dia ny vatomamy no nanamamy ny tsindrin-tsakafo.

Afaka rarahana tantely ihany koa raha izay no tianao, na ho solon'ny vatomamy dia "chantilly" .... Hmmmmm.. Noana tampoka aho manoratra eto (Hay koa moa izao ora izao mitatao vovonana ka tsy mahagaga).


verrine by IkalaFanja

Dia izay indray ary aloha ry zareo mpamaky, manantena anareo hahazo fahafaham-po mandrakariva ny tenako.

Aza adino ny mizarazara @ny hafa ny rohy eto raha mba tianao izay hitanao ato.

Mankasitraka mandrakariva e!

jeudi 18 septembre 2014

PaoZy Andavan'Andro


Falifaly aho satria, toa anao ihany koa, fa ho tonga ny Asabotsy hialana sasatra, hitsaharana kely amin'ny asa aman-draharaha, koa am-pitiavana lehibe no andeha hizarako an'ity paozipaoziko ity izay afaka alainao tahaka rehefa hivoaka ianao.


Anio tsy atao be dia be ny resaka fa somary voan'ny sery kely ny tenako ato, notapohan'ilay oram-baratra anikeo e! Tonga tampoka tsy nisy niomanana izy ka tena nitondra takaitra tsy nahy aho :)



Efa hitanareo tsara izao hoe izaho ity dia tsy mahita mihitsy raha tsy manao solomaso :)




Ny andinindininy momba ireto rehetra nanaovako ireto:
  • Ambonin'akanjo : Zara
  • Zipo: Mango
  • Kapa: André
  • Poketra: Texier



Dia izay indray ary aloha, mirary zoma mahafinaritra feno tsiky ho anao.


Mandra-pitafatafa indray o

lundi 8 septembre 2014

Fomba Mahomby Hanalavàna Volo


Isika vehivavy rehefa tsy tia fohy volo dia tena te ho lava volo be, samy tsy misy te hijanona eo antenatenany eo, ilay volo tsy ambony tsy ambany, ilay tsy hita be niany. Ho ahy dia aleoko nampiana tosika ny fitsirian’ny volo voajanahary, nahomby ny fanandramana koa tsy hisalasala aho hizara aminareo izay rehetra nataoko nahatonga azy lava vetivety.

Tsy dia sarotra loatra no sady tsy mandany fotoana firy raha te ho manja kely, ho vala volo vetivety.

Ny ahy dia ny menaka no nampiasaiko, antsoina amin’ny teny Malagasy hoe « menaka kinana » na hoe « huile de ricin » amin’ny teny frantsay.



Ny fomba nataoko ary, dia nihosotra menaka indray mandeha isan-kerinandro, ny fatra tsy dia misy loatra fa noezahiko nohosorana daholo ny hodi-doha rehetra. Nentiko natory (dia nanao sarin-doha e). Rehefa maraina dia sasana toy ny mahazatra. Tsy manda-menaka mihitsy ny volo rehefa avy nosasana fa mijanona ho natoraly araka ny kalitao voajanahary teo ihany fa tsy simba.


Ny azoko lazaina koa ankoatr’izay? Manjary lasa mamorona fa ito ilay menaka nampiasaiko asehoko anareo. Aleo hazavaiko kely fa teny antsefatsefany teny dia nofaramparanako teo amin'ny 1 na 2 santimetatra teo fotsiny ny voloko fa tsy notapahiko mihoatra an'izay.

Toa misy fomba maro be, ady gasy fampaniriana volo ihany koa fa mba zarao eo amin'ny "commentaire" eo ambany hoe raha sitrakareo inona ny fikafikanareo. 



(Mba Aza avela hiteny irery intsony aho fa mba aleo miresaka, sa ahoana hoy ianareo?).

dimanche 7 septembre 2014

LASARY SAOSETY

Ianao koa ve mba toa hay, mankafy Saosety? Izaho aloha dia tena mankafy tanteraka ary tena sahiko ny milaza fa taloha izahay namboly saosety ka rehefa tonga ny fahavokarany dia nihinana isan'andro tamin'ny fomba maro karazana:

  • ny saosety sy voanjo natao lasaosy 
  • ny saosety natao lasopy
  • ny saosety nampiarahina tamin'ny hena
  • ny saosety natao lafika trondro
  • ny laingon-tsaosety nandrahoina
  • ny vodiny koa aza efa nandrahoinay fa tena natsiro be 
Fa anio ny hozaraina aminareo dia ilay tokana tsy voalazako teo ambony teo, nefa ilay tena izy ilay! Dia ny Lasary Saosety e!

(Ity sehatra "Ny tontolon'IkalaFanja" ity moa natao hizarako ny traikefa azoko tamin'ny fiainana ka izay no antony hizarako aminareo na dia ny fanaovako lasary saosety aza, sao manko dia misy tezitra be eo indray hoe izany koa ve dia resahana ato. Fa maro ny olona toa ahy no mianatra zavatra be dia be na dia efa lehibe sy mitantana tokantrano aza, ka aleo mba resahana ihany aloha sao mba misy mahazo tombotsoa ry reto a!).

Ny zavatra ilaina ary raha hanao Lasary Saosety ho an'olon-droa:
  • Saosety 2
  • Tongolo 1
  • Voatabia 1
  • sira kely, dipoavatra kely, 
  • menaka 1 sotro
  • voasary makirana 1
  • "moutarde" kely
  • tongolo maitso (tetehina madinika)

Ny fomba fanaovana azy:

Voasana ny tongolo dia tetehina zaraina roa amin'ny fitsanganany ka tetehina atao lavalava. Atao anaty vilia jobo ka rarahana ny ranon'ny voasary makirana 1, arotsaka ny menaka sy ny sira ary ny dipoavatra; rehefa izay dia arotsaka ihany koa ny "moutarde" sy ny tongolo maitso ka afangaro tsara ireo rehetra ireo. Avela hilona.

Rehefa voakarakara ny lasaosin'ny lasary, dia alaina ny Saosety ka voasana, rehefa avy nodiovina dia tetehina lavalava somary lehibe fa tsy manify loatra. Arotsaka anaty vilany ny saosety ka atao be rano, ataingina ambony fatana ary rehefa mangotra-tokana dia esorina, hatsiaka amin'ny tatavana (passoire ==> mba ahitsio aho hoe inona ny tena dikany). Ampandalovina rano mangatsiaka be mba tsy hitohy intsony ny fahamasahany. Lafatra kokoa raha andrahoina amin'ny entona ny Saosety ho an'izay manana vilany manokana ho amin'izany satria na ny tsiro na ny endrika mbola tena hafa loatra, tsara lavitra.

Aorian'izay dia voasana ny hoditry ny voatabia, sasana tsara avy eo dia tetehina manaraka ny halavany ihany koa.

Vita izay ny fikarakarana be fa andeha hafangaro amin'ilay saosy tongolo marikivy ny saosety ka atao ambony vilia handrosoana azy an-databatra, apetraka eo afovoany ny voatabia, hanome endrika vonikazo mba hampazoto homana ny rehetra.



Koa dia mazotoa homana daholo indray ary isika.







QUAIS LIBRES 07 septembre 2014

Tsy ho haiko ny tsy hizara rehefa misy zavatra tsara hitan'ny masoko, niainako ary heveriko fa mety mba ahasoa ny Tanindrazako ihany koa raha maka tahaka ireo Malagasy monina any Madagasikara. Heveriko loatra fa tsy ho sarotra ho an'ireo mpikarakara hetsika manko no hanao fialam-boly sy fanentanana ny vahoaka mba hiarovana ny Tontolo iainana raha ity hetsika Quais Libres taty Frantsa ity no halaina tahaka.

Izaho moa izany dia anisan'ireo nahazo fahafinaretana afaka niriaria tamin'ny arabe mirefy 6kms izay natokana ho fivezivezen'ny fiara saingy noho ny andro manokana anio dia notapahina ho an'ny fifamoivoizana ny arabe, fa ireo mpandeha tongotra, mpiazakazaka, mpitaingina bisikileta, ireo mpanao "rollers" sy ireo rehetra tsy mandeha amin'ny motera no nanjakazaka teo amin'ny "Quais : Asnières, Courbevoie ary Puteaux". 

Ireto ary ny Sary hoentiko hampiaina anareo ny hafanana teny, izay feno hafaliana sy fiombonam-pianakaviana :)





Naoty: ny mpivarotra sakafo koa rehefa toy izao tsy tara mihitsy ;)


Izay aho vao mahatsiaro fa efa misy toy izao ambiansy izao ihany tokoa kay moa eny Ambatofotsy isaky ny Alahady e