dimanche 7 septembre 2014

LASARY SAOSETY

Ianao koa ve mba toa hay, mankafy Saosety? Izaho aloha dia tena mankafy tanteraka ary tena sahiko ny milaza fa taloha izahay namboly saosety ka rehefa tonga ny fahavokarany dia nihinana isan'andro tamin'ny fomba maro karazana:

  • ny saosety sy voanjo natao lasaosy 
  • ny saosety natao lasopy
  • ny saosety nampiarahina tamin'ny hena
  • ny saosety natao lafika trondro
  • ny laingon-tsaosety nandrahoina
  • ny vodiny koa aza efa nandrahoinay fa tena natsiro be 
Fa anio ny hozaraina aminareo dia ilay tokana tsy voalazako teo ambony teo, nefa ilay tena izy ilay! Dia ny Lasary Saosety e!

(Ity sehatra "Ny tontolon'IkalaFanja" ity moa natao hizarako ny traikefa azoko tamin'ny fiainana ka izay no antony hizarako aminareo na dia ny fanaovako lasary saosety aza, sao manko dia misy tezitra be eo indray hoe izany koa ve dia resahana ato. Fa maro ny olona toa ahy no mianatra zavatra be dia be na dia efa lehibe sy mitantana tokantrano aza, ka aleo mba resahana ihany aloha sao mba misy mahazo tombotsoa ry reto a!).

Ny zavatra ilaina ary raha hanao Lasary Saosety ho an'olon-droa:
  • Saosety 2
  • Tongolo 1
  • Voatabia 1
  • sira kely, dipoavatra kely, 
  • menaka 1 sotro
  • voasary makirana 1
  • "moutarde" kely
  • tongolo maitso (tetehina madinika)

Ny fomba fanaovana azy:

Voasana ny tongolo dia tetehina zaraina roa amin'ny fitsanganany ka tetehina atao lavalava. Atao anaty vilia jobo ka rarahana ny ranon'ny voasary makirana 1, arotsaka ny menaka sy ny sira ary ny dipoavatra; rehefa izay dia arotsaka ihany koa ny "moutarde" sy ny tongolo maitso ka afangaro tsara ireo rehetra ireo. Avela hilona.

Rehefa voakarakara ny lasaosin'ny lasary, dia alaina ny Saosety ka voasana, rehefa avy nodiovina dia tetehina lavalava somary lehibe fa tsy manify loatra. Arotsaka anaty vilany ny saosety ka atao be rano, ataingina ambony fatana ary rehefa mangotra-tokana dia esorina, hatsiaka amin'ny tatavana (passoire ==> mba ahitsio aho hoe inona ny tena dikany). Ampandalovina rano mangatsiaka be mba tsy hitohy intsony ny fahamasahany. Lafatra kokoa raha andrahoina amin'ny entona ny Saosety ho an'izay manana vilany manokana ho amin'izany satria na ny tsiro na ny endrika mbola tena hafa loatra, tsara lavitra.

Aorian'izay dia voasana ny hoditry ny voatabia, sasana tsara avy eo dia tetehina manaraka ny halavany ihany koa.

Vita izay ny fikarakarana be fa andeha hafangaro amin'ilay saosy tongolo marikivy ny saosety ka atao ambony vilia handrosoana azy an-databatra, apetraka eo afovoany ny voatabia, hanome endrika vonikazo mba hampazoto homana ny rehetra.



Koa dia mazotoa homana daholo indray ary isika.







4 commentaires:

  1. Izaho koa tena tia azy ity. Namboly izahay taloha, lafika trondro sy lasary ary omelette no nataonay matetika. fa rehefa ela ny ela leo ihany hihihi izay rehefa mihinana indraindray dia efa faly

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Ny saosety nefa aky tiako hoatran'ny anana, na hanina isan'andro aza satriko foana :)

      Supprimer
  2. asiana mayonnaise ko ny lasary sosety tena tsara an!
    (y)

    RépondreSupprimer