jeudi 5 mai 2016

MofoMAMY

Anisan'ny zavatra tiako indrindra ny andrakandrana, mahafinaritra ahy ny manao sakafo tsy manaraka toromarika satria matahotra ny ho diso fanantenana aho raha toa ka tsy mifanaraka amin'izay sary itako ny sakafo amboariko. 

Anio aho tena nanandrana indray, mba manao ahoana raha manao mofo tsy mbola hitako tanaty fomba nahandro hafa? Sahy tsy sahy aho saingy rehefa natao ilay izy dia toa nivoaka nahafinaritra. Tsara endrika sady tsara tsiro. Nankafizin'ireo izay nanandrana koa indro zaraina aminareo anio.


Zavatra ilaina: 
-lafarinina (farine de blé): 300g
-koba katsaka (farine de maïs): 100g
-kobam-bary (farine de riz): 100g
-ronono 280ml
-lalovay (levure boulangère): 1 fonosana
-siramamy 3 sotro
-sira vovony 1 tsongo
-atody 1
-dibera 85g

Fomba fanaovana azy:
Alaina ny ronono ka somary hafanaina kely, rehefa izay dia arotsaka ao ny lalovay ka aroana tsara mba ho levona.
Maka vilia jobo dia arotsaka ao ny lafarininy karazany 3, arotsaka ny sira sy ny siramamy dia afangaro tsara ireo. Rehefa vita fangaro dia asiana lavaka eo afovoany ka arotsaka ny atody, somary kapohina kely amin'ny sotro ary tsy avela hivoaka io lavaka io akory fa mba hampisafaka kely ilay tamenany fotsiny no tanjona. 
Avy eo dia arotsaka anatin'io lavaka io ihany koa ny ronono tery ambony ilay nafangaro lalovay. 
Manomboka eto dia ny tanana no hifotafota sy hamolavola mandritra ny 10mn. 
Avy eo dia raisina tsikelikely ny dibera efa modamodaka ka afangaro miandalana amin'ny paty. Rehefa tapitra voafangaro tsara ny dibera rehetra dia vita.
Ny tanjona dia tsy hisy hiraikitra intsony amin'ny sisin'ny lovia fa hitambatra ho iray ny paty. Ary tsy hisy vongana tavela ny dibera rehefa mifangaro amin'ilay paty.
Rehefa nahazo paty iray mitambongana isika dia saromana amin'ny lamba ny lovia jobo ka avela hilona 2ora amin'ny toerana tsy mangatsiaka izy.

Lasa izay ny 2 ora, sokafana ny lamba, tsindronina amin'ny ratsan-tanana ny paty izay nibontsina be teo, ka volavolaina kely mba hiala ny rivotra. 

Zaraina toko 6 ilay paty ka ezahina atao lavalava (toy ny kankana) @ tanana izy enina. Maka toko 3 ka io no randranina ahazoana mofo 1. 

Hafanaina 180*C ny lafaoro ka andrahoina mandritra ny 20mn ny mofo. 

Mba ho mandina ny mofo dia somary lalorina tamenak'atody ary raha sendra misy ao aminao dia asiana "graines de sésame" eo amboniny eo hanome endrika tsara azy.

Dia izay ary fa mahasoava daholo o