Nifandimby nifanesy izay ny fahoriana tato ho ato teto anivon'ny fianakaviako ka nahalasalasa fisainana mafy ahy, maro anie izato fombafomba tena mahasarotiny ireto fianakaviana sy mpiara-monina ary eo ihany koa ny mpiara-mivavaka.
Mifamahofaho mafy avokoa ireto izay miseho ka variana sy mba lasa saina aho satria tsoriko fa hatramin'izay andro rehetra niainako dia nanaraka ireny fomba ireny aho tsy nametra-panontaniana akory, anio aho mba hanoratra kely mba hanontanitany aloha ho an'ireo rehetra manam-pahendrena izay sendra mba mandalo eto amin'ity blog-ko ity, mba atoroy aho, mba omeo fanazavana amin'ireto fomba izay nataoko, inona marina no tena dikany?
Rehefa misy maty:
A- Famonosan-damba
A-a: eo manomboka mahavariana ahy, maninona no tsy maintsy antsoina hoe "olona" ilay razana fa tsy atao hoe "faty" na hoe "razana", toy izao ny fiteny fahenoko : "batao ny olona"
A-b: dia tsy maintsy 7 ve ny fatotra? satria nahoana?
A-d: fa nahoana no tsy maintsy ilay zandriny indrindra fa maninona raha ilay lahy matoa no mamatotra farany ny tady?
B- Avy mandevina
B-a: Maninona ny lalana nandrosoana no tsy azo iverenana?
B-b: Maninona no mandingana afo rehefa alohan'ny hiditra ny trano?
D- Misasa
D-a: Rehefa misasa dia tsy maintsy eny amin'ny rano mandeha, satria nahoana?
D-b: Inona ny antony tsy maintsy hisàsana miaraka daholo?
D-d: Nahoana no manary lamba avalona rano?
Ireo aloha dia fomba tena nohajaiko hatramin'izay fa tsy nampihariko intsony tamin'ity taona ity, fa tsy haiko tsinona ny antony, ary izaho efa tena tonga eto amin'ilay fetra hoe tsy manao zavatra tsy hay akory ny dikany, koa mba manantena aho fa mba hisy hanoro sy hanome fanazavana.
Miandrandra mafy anareo namako rehetra eran-tany manana fahendrena sy mahalala ny fomban-drazantsika fa kolontsaintsika izany ary anisan'ny rehareha maha-Malagasy ny Malagasy.
Mankasitraka mankatelina sahady anareo rehetra