dimanche 5 octobre 2014

AlAhAdY Mikarakara TaReHy

Miarahaba anareo rehetra amin'izao alahady izao. Manao ahoana ny fahasalamana? Inona ny malaza any ambadimbadika any?

Ny aty aminay manomboka mangatsiaka ny maraina, manomboka maloka mampitaraina, koa andeha mba hampifalifaly saina, andeha hikarakara tarehy mba ho velombelon'aina.

Izaho ry zareo nohon'ny taona nihanandroso, nohon'ny tsiky izay tsy nety lany, indro ankehitriny nanjary nisy kentrona sahady. Eo ambany masoko eo, misy kentrona miseho, antsoin'ny vahiny hoe "rides d'expression" (mahita raha koa anie amin'ity fiainana ity). Koa noho izany rehetra izany, dia niova avokoa ny fahazarana rehetra hatramin'izay, niova tsy maintsy atao mifanaraka amin'ny toetry ny tarehy, ny fivoarany hafahafa be (mahakivy, mampihomehy).

Ireto avy ary ny ahy ny fitaovam-be manaraka ny arabe, entina hikarakarana ity atao hoe tarehy:


  • fanasana tarehy
  • gommage (tena mba marina raha haiko ny dikan'izany @ teny malagasy)
  • tantely
  • menaka tarehy
  • menaka ho an'ny manodidina ny maso

Ho asiako sary be dia be ary anio ahitanareo antsakany sy andavany ny marainako tato. Voalohany indrindra dia manadio tarehy amin'ny vovo amin'ny alalan'ity akora ity:


fanadiovana tarehy


Rehefa avy nosasana madio ny tarehy dia manao "gommage" kely mba hanala ny loto rehetra miraiki-tampisaka any ambadika any:



kosehina moramora somary malefadefaka amin'ny tanana ilay akora kely nalaina hanadiovana tarehy:


miala tsiny aho @ity sary fa tsy mora ny "selfie" ao @ douche

Rehefa madio tsara ny tarehy dia manao "masque" amin'izay, mandritra ny 25mn. Ny ahy tantely no ataoko fa sady natoraly no mora no mahavita ny asany tsara (manala kentrona sady mampamandina nefa tsy mampitera-menaka):


masque au miel

Rehefa tapitra ny 25mn dia sasana amin'ny rano mangatsiaka ny tarehy:



Rehefa madio ny tarehy dia fafana indray amin'ny vovo mba ho maina tsara:



Rehefa vita ny fanadiovana dia miroso amin'ny fanosorana menaka sisa:





Ary farany tena farany dia asiana menaka ihany koa ny manodidina ny maso:




Dia izay ny fikarakarako ny tarehiko, afaka manao izay tiana amin'izay na hanao manjamaso na hijanona amin'izao raha tsy hivoaka ny trano anio. Ary ny anareo mba zarao koa raha tianareo, inona avy ny koninkononina rehefa mba hanao "concooning"???

Mirary andro feno fitahiana ho antsika rehetra amin'izao Alahady izao.


Bà Betsaka 
IkalaFanja



10 commentaires:

  1. Mahaliana tokoa fa dia misaotra mizara e. tiako be ny hohonao ramatoa :)

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Izaho aza mialona be ny hohonareo rehetra foana fa ny ahy tsy mba mahafatifaty mihitsy! Hosarana vernis dia mba ohatran'ny hoe ...

      Supprimer
    2. Produit tsara doly izy zany kia,lay gommage ngambany atao oa ina nga e??? Tena maro kia teny gasy tsy haiko dikany ,tsy oe tsy gasy fa tena gasy petaka fa misy voambolana tena tsy hita e! Misaotra anao nizara kia. (Mazava be lay sary an! )

      Supprimer
    3. Fa hoatran'ny tsy nanao gommage izany koa anie ny malagasy fahiny e? Mety efa misy izao fa isika taraiky...
      (Ilay sary aky tsy ampy hazavana fa maloka be taty aminay dia mande oazy ny flash dia misy simba ilay sary a)

      Supprimer
    4. Tsara koa ny gommage miel, sucre sy citron itako tam vidéo ny malgache fashion.natoraly!!! Hihi

      Supprimer
    5. Mila andramana koa fa miankina @ hoditrh ny tsirairay anie e! Andramana aloha rehefa mety dia tohizana

      Supprimer
  2. ny "gommage" ve akia tsy azo adika hoe "fanadiovana ny masokoditra" - satria ny loto tafiditra any anaty masokoditra (pores) no esorina amin'izy io.
    Ny ahy argile verte no anaovako gommage, masonjohany asiana tantely no ataoko masque, ary huile d'argan no solona crème.
    Manana kit complet clinique ilay numéro 2 aho fa tsy nety tamiko rehefa nampiasaina kelikely dia voatery najanona.
    Misaotra foana akia amin'ny fizarana a

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Tiako be ilay masonjohany, izaho izany mbola tsy nanandrana an'ireny mihitsy e, nefa tena hitako fa tsara be foana ny tarehan'ny olona mahavatra an'izy io, inona ny anaran'ireny @ teny frantsay? Ndeha mba handramako aty manko

      Supprimer
  3. Tsara produits be. Mampiome koa nareo ka, mahita rima b mihitsy. Sady mbola misy charme ihany na tsy mora aza ny selfie sous la douche ( lay molotra am lay manosotra menaka tarehy) hihi. Tsara ane ny mitsiky lalandava e, ieny tokoa, ianao mitsiky foana, b charme be :)

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Misaotra aky madama kely manja kely a! Tsy hita izay havaly fa mankasitraka be! 💐

      Supprimer