mardi 18 novembre 2014

ASA TANANA / VITA MALAGASY

Hifarana ihany ity ny volana may fa toa hafahafa loatra izato toetr'andro aty aminay. Roa andro monja no mba nafàna dia injao fa orambe mitraho indray izy ao. Reradreraka ny saina, dia mba te hiova e! Andeha mba hanofinofy andro be migaingaina :) Aiza ianao ry Ingahibe masoandro ô! Fa izaho anefa anie efa hary fomba, efa vonona tanteraka hisedra  ilay hafanambe aty. Fa dia fahavaratra arabakiteny ny niafarany e! Orana, masoandro fotoana vitsy, dia orana mijohy indray! Tsy misy farany mihitsy.

Dia mangaina ato izao ireto satroko ireto. Novidiana anefa fa hoe mafana ny andro, fa hoe tsy ho zaka ilay masoandro. Indrisy...Tantaraiko anareo ihany aloha, fa nahasondriana ahy  ny zava-bita malagasy... Nanintona ny masoko, nambabo ny fanahiko. Roboka aho, nividy tsotra izao. 

Herinandro vitsivitsy lasa izay, nisy ny tsenabe an'i Parisy! Niainako lalina izy izay, fa mba anisan'ireo nitsikian'ny vintana aho ka mba mpivarotra entana vita Malagasy tao. Fahasambarana any izany, ny fofona sobika, nampahatsiaro volon-tany. Fa dia nivoatra hoy aho ireto harona e! Karazany anie izany rey olona, misy aza vita sary amerikanina!!! Tena tsy nampoiziko mihitsy, hatraiza ny fivoarana efa nisy. Jejo ery ireto sobika be! Taloha anefa izy ireny fitaomana vomanga, mangahazo, eny e, nampiasaina tamin'ny endriny maro be. Hofintinina hoe fiantsenàna izy rehefa aty ivelany aty. Izao izy tena lasa rehareha manokana, sobika malagasy, meva, tsara tarehy! Jereo anie ireto sary e! Moa và tsy tena favy? 



Angamba tsy izaho irery no babo amin'ireny kanto Malagasy ireny, fa mba omeko anao aloha ny sopapa, mba asiana paozy kely e! Asehoy n'aiza n'aiza fa mbola hafa ihany hoy aho isika! Tsy mena-mitahy amin'ny hafa. Ireto anaovako ireto, satroka sy poketra dia vita Malagasy. Misaotra manokana an'ireo mpivarotra, Rabarany sy Mada Style fa tena kanto loatra ireto haingoko ireto. Indrindra ity akanjoko fotsy misy voninkazo raha tsy malagasy ve ahavita toy io?



Dia miandry eto aloha izany isika, asa rahoviana vao ho masoandro mibaliaka! Mandrapahatongan'izay fotoana izay, tsy aleo hitafatafa? Mba andefaso sary zava-bitan'ny Malagasy hafa eo ambany lahatsoratra eo, sary avy aminareo ;)

15 commentaires:

  1. kanto tokoa ny vita malagasy akia e!!!

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Za klo d tsy miala @io na dia ndraindray aza mora potika le izy

      Supprimer
  2. Tena tsara be daholo marina akia!! fa tsara koa le modely a!! ;-)

    RépondreSupprimer
  3. Tsara kia. Vita gasy nge tsara fona e! Merci nizara kia. Gross biz

    RépondreSupprimer
  4. Tsara vita gasy kia,tsara be lay sary.

    RépondreSupprimer
  5. Hay ilay robe (raoby?) koa ve ka vita malagasy eee??
    Tsara akiaaa :)

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Eny ky a! Smock sa smôky, tsy haiko ny anarany e! Akanjo zaitra gasy be io klo fa mahafatifaty ahy. Nisy noeud kely teo @lay fehikibo fa noesoriko :D

      Supprimer
  6. Ilay kiraro koa ve vita gasy? iou koa tiako :)

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Mba tsy vita gasy kosa ny kiraro e! @ manaraka mety ahita kiraro vita gasy tiako ihany aho an!

      Supprimer