dimanche 4 mai 2014

SAKAFO MARAINANTSIKA

Vao maraina vao mifoha, dia maka saina kely aloha, inona no hoarapaka? Sakafo inona izao no mora masaka? Fanontaniana maro be, fa ny valiny vitsy kely anie, raha tena Malagasy, tsy maintsy oe vary aloha? 

Dia indro mitsangana ampitsikiana, handrehitra afo aloha, saribao na kitay, taloha izany manko é! tamin'ny andron'i Neninay. Izaho izao handrehitra afo, efa "gaz" no miainga ato, tsy mihosina intsony, tsy miandry ela izany hono. Lasa izao, arotsaka ny vary, vary mena hono izany, manitra anie ry reto izy ity, nareo koa ve tsy mahita oe mamy izy itony? Sady mba tena angady, ilay mahandro vary. Maka rano be dia be, atao dobo ao ity vary mena é! miandry minitra vitsy monja, indray mahamasa-bary, 30mn angamba izany. Dia haroso ny sakafo, manasa é!



Eny hoy aho, rehefa mba tafitafita, tsy telina intsony ity vary sosoa be rano, mila kisa indray, mba inona no laoka? Hevitra nandaitra ireto fony fahazaza: na siramamy, na sira, na tantely, na tongolo, ary raha kitoza kely? Mbola maro ny safidy, ny anao mba lazao oandramana, ho atao. Ny ahy aloha atody tamin'ity indray maka ity.





Fa nivoatra ny fiainana, lasa maikamaika avokoa, inona indray ny fika hanamora ny maraina, dia andeha hanefa adidy tsy hitaraina? Indro ady paika mora, ndao hividy é! Safidy maro ho antsika, ny mofo gasy, ny ramanonaka, ny makasaoka sy ny mofo baolina, ary ny menakely sns ... Mividy etsy dia samy vita :) Sa moa tsy izay ry Soahary? Izy aza nisasatra mihitsy naka ireto sary ;)




Tena mamy ny maraina, efa voky izao rakibo, koa andeha izatsy izy, mahereza indray manefa ny adidy miandry anao anio. Tsikitsiky no tsindrin-tsakafo, aza adino, tsara io sady tsy vidiana lafo ;)
 



11 commentaires:

  1. Mahafinaritra ery ny fanoratanao azy Ramatoa :) Tena mamy tokoa ny vary mena an faly ery izahay rehefa avy any ambanivohitra diamitondra vary toto-tanana. fefaky ny gony no mba zaka fa vita an'izay ny vary maraina 3 volana hihihi. Ovy hendasina somary mahazo sira no tiako amin'ny vary mena vetivety dia mahavoky aloha e sady tsy mety hoan'ny maka taille :P Mahafinaritra akia ny blog ndry Ikala Fanja. Biz be. Soahary

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Sambatra be nareo mahazo toto tanana aky! Laniko tsy misy laoka izany e

      Supprimer
  2. Pi-maso kely aza e :) fa tena mahanoana ty resaka ty an. fa ny ahy ny laoka tiako indrindra hohanina amin'ny vary sosoa dia ny "chips" lay vidiana amin'ny sachet 500fmg iny tena matsiro ery :)

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Zay aho vao naheno oe atao laoka koa ny chips! Andramana ndray klo! Frites no toa mahazatra koa

      Supprimer
  3. Ce commentaire a été supprimé par l'auteur.

    RépondreSupprimer
  4. Soapeta ty ary tena bizzare be fa za taminy mbola kely dia mofidipaina (lay vidiny iny) io no tiko atao laoka aminy sosoa, de mieritreritra lay izy za aminy zao dia tena miteny irery oe mba samponako ko za zany. Fahazazany zany e!

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Mahita zavatra koa nareo ireto! Samy efa nahita karazany sampona kely, zay koa aho vao naheno an'izay oe mofo atao laoka

      Supprimer
  5. mahafinaritra ahy ity blog ty!mampahatsiaro ahy ny fahazazako!refa makany @bebeanay any ambanivohatra izahay t@zany dia akondro no atao laoka,somary kikisana @sotro d ampina vary eo amboniny!matsiro ery t@zany fa tsy aiko ra izao a ve miverina manandrana azy dia mety mbola ho tiko ve?!

    RépondreSupprimer
  6. Misaotra Hanta
    Iny akondro iny koa aloha efa nataoko! Mila hiverenana marina! Aleo andramantsika e

    RépondreSupprimer
  7. loka maraina tiko na atr@zao aza? Patsa fotsy endasina, totom-boanjo,mofo anana, humm matsiro ery

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Tsara ery! Izaho izay ela dia ela tsy nihinana patsa fotsy sy mofo anana koa

      Supprimer