dimanche 16 novembre 2014

Sakafo maraina Tsy mampalaina

Anio andao indray hanao sakafo. Tsy izany ve izao no ho be dia be kokoa ato anatin'ity bilaogy ity ny farany fa toa izay no be dia be atao mandritra ny fiainana. Maraina, atoandro sy hariva dia misakafo foana.

Koa anio dia sakafo maraina tsotra kely no zaraina, izay afaka atao mialoha fa tsy hoe efa hihinana vao mikarakara azy.




zavatra ilaina sy fanaovana azy

Alaina mialoha ny dibera 150g ka avela hitsonika.
Maka voaloboka maina esty ankilany ihany koa, alona @ toaka kely na rano mafana araka izay hitiavana azy.

Maka vilia jobo be dia vakiana ao ny atody 3, asiana siramamy araka izay tiana (100g no mahazatra ny daholo be), kapohina ireo ary tsy ajanona raha tsy efa somary manompy fotsy ilay paty. Arotsaka ny dibera efa mitsonika, sy ny lafarinina 250g izay nafangaro t@ lalovaitra 1 fonosana, ary ny voaloboka maina ka afangaro tsara.
Rehefa vita izay dia maka paty kely atao amin'ny "Bol" kely ka afangaro ao ny "chocolat" mainty iray fonosana rehefa avy natsonika.
Maka tavy amin'izay, hosorana dibera ny tavy ary arotsaka ny paty vita voalohany, dia mandraraka kely amin'ilay paty misy "chocolat" indray. Avy eo mandrotsaka paty fotsy (ilay tsy misy "chocolat"), dia mandrotsaka paty misy "chocolat". Ampifampidimbiasana toy izay hatrany mandrapirotsak'ireo paty rehetra ao anaty tavy.

Ampidirina anaty lafaoro mandritra ny 40mn amin'ny hafanana 180*C ny mofo,




Mazotoa mikarakara sy mampifalifaly fianakaviana daholo ary isika rehetra,

Oroka mamy






4 commentaires:

  1. Matsiro izy izany! Andraso fa ho andramako. Mahay miteny gasy be ndry an! Ny ahy tena zavatra hafa mihintsy no nandraisako ilay oe "maka tavy" mdrrr
    Misaotra mizara. Bisous

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Aza alefa alavitra ny fisainana rehefa mamaky ato fa izaho koa aza tsy mahita vocabulaire anie e! Miezaka mafy dia mafy aho eto!
      Misaotra ky nandalo

      Supprimer
  2. Miam miam!!! miamina miamina!!!! noana be! mety gouter amin'izao lera izao io zao an!

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Mampatavy aky izany fa sakafo maraina ihany no mety @ io an! Hihihi bon app ndry azany

      Supprimer