mercredi 29 avril 2015

33 TAONA AHO

33 taona aho ity.

Ohatran'ny mahavariana ahy, toa tsy tsaroako niaina lava be toy izany akory aho tamin'ny fiainako anefa tsy azoko lavina satria vao avy nankalaza ny tsingerin-taona naha-33 taona ahy izahay tamin'ity volana aprily ity.

Fahatsiarovana mitambolona irony fahazaza no tena tiako rehefa tonga ny fetiko fony aho vao niala ny tokantranon'i Dada sy i Neny. Satria fony aho mbola zaza dia tsy adinon'i Neny ny manao mofomamy ho asiana labozia hotsofina hankalazana ny tsingerin-taonako sy ny zokiko lahy (i Samoela), izay samy daty mitovy no nahateranay na dia 3 taona aza ny elanelanay. Fahatsiarovana mamy izany taloha, satria andro miavaka nahazoana fanomezana ihany koa... Natsiro ny fahiny.

Tany amin'ny taona 2004 tany ho any angamba (angamba satria tena tsy tsaroako hoe taona firy) izy izay no maty i Neninay (matin'ny homamiadana). Nanomboka teo, tsy tiako nankalazaina loatra intsony ny andro fetiko, satria io daty io no nandevenana ilay reniko. Iza intsony no hanao mofomamy ho ahy eo? Iza intsony no ahatsiaro hanome fanomezana ho ahy eo?

Izahay moa dia fianakaviana tsy dia nanan-katao, sady maro an-trano tetsy an-daniny, fa hafa ihany i Neny ry zalahy, nahay nampifaly teny, tsy adinony izany fanomezana izany, hainy loatra fa tsy voatery handany vola be vao hampitsiky ireo tiany. 
Asa nahoana fa izao aho efa 33 taona, fa tsy misy andro tsy ilako iny reniko iny, matetika aho latsaka tomany, nahoana no dia izao no sedra eto an-tany? Midradradra amin'ny toerana mangiana, raha mba azoko natao, na dia iray minitra monja, hamihina an'i Neny.

Dia lasam-betsovetso eto indray aloha koa inona?

.................
Fa na izany aza, tsy irery aho eto an-tany fa mbola banga tsy ho voatototra iny toerana iray iny ato am-poko, 

.................
very.... mampihomehy kely fa tsy tadidiko ny tena anton-dahatsoratro :)
lasa vinany teto aho dia lasana ihany koa ilay tena aingam-panahy nanokafako ity pejy anio ity

.................
zary lasa nizarako ny tsiahy sy ny fitiavako ny reniko, angamba aho te-haneho fa mbola zaza be ato anatiko ato na dia nitombo taona be aza. Te hamita-tena.

.................
aleo ianareo avelako aloha fa ndrao tofoka, ho zary zendana ahita ahy hilofika amin'izato tsiahy mampangotsoka ahy.

.................
hiverina tsy ho ela aho hitafa sy hiresaka
fa izao aloha:
bà betsaka

13 commentaires:

  1. Tsy haiko na joyeux anniversaire na mahereza no mety kokoa holazaina ry Ikala Fanja. Sompatra ny fiainana indraindray hoe ny andro fahatsiarovana ny daty nahaterahandry no nandevina an'i neninareo (sa izaho no tsy mahazo resaka?) Ilay toerany banga hono akia tsy tototra mandrakizay ka na 33ans, na 70ans dia ahatsiaro azy foana sy hitomany azy foana. Sompatra ny fiainana hoy aho tetsy ambony nefa misy foana ny lafy tsara hafa e. Na tsy eo aza Neny, tsy irery ianao fa misy manodidina afaka manapy sy mamihina rehefa lalovan'ny alahelo. Ny irariana sy isaorana dia ny hery omen'ilay Ray ao ambony hiatrehana izany rehetra izany. Ny tena be adidy, ny fiainana tsy maintsy mitohy na dia mijanona tampoka aza rehefa sendra matsiaro iny. Ny neniko mbola eo ary mamaky ny zavatra soratandry aho dia te hampiseho aminy avo zato heny indray ny fitiavako azy. Mahereza akia a izay no fifariantsoa atolotro hoan'ny fetindry. sady ny volondry tsara be hahaha tonga dia tsy misy hidirany mihintsy ny zavatra lazaiko fa mba ampitsiky andry fotsiny e. Bà betsaka ry namako

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Misaotra aky a! Lalam-piainana avoko izany hoy ny fiteny izay... Tsy maintsy misy fisarahana eto an-tany e.
      Fa izao tadidiko @izay hoe inona no saika hosoratako, saika hampiseho an'ireo cadeaux momba ny beauté azoko t@ nanao fety aho dia lasa alavitra be ny saiko dia nivoana ny resaka 😂
      Atao lohahevitra hafa manaraka indray izany e!
      Misaotra aky fa manana namana tsy manadino tsy manary na dia sarahan'ny elanelantany
      Ba betsaka 😘

      Supprimer
  2. Joyeux anniversaire moa izany?
    Malahelo any papanay sy mamanay any Mada izaho mamaky an'ity poste ity ;)
    Fianana daholo izany rehetra izany... C'est ce qui rend plus fort ! <3

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Merci ky a!
      Tu peux encore bien profiter de tes parents aky a! Araraoty tsara.
      Eny ky, lalam-piainana fa tsy mahakivy akory fa mba mahatsiarotsiaro
      Ba betsaka ho andry

      Supprimer
  3. Ndryyyyyyyy, mampisento ery ity lahatsoratra ity ary naniraka ahy hiantso an'i mamanay mihitsy aza moa. Mahereza akia fa izy miambina an-dry eny ambony eny, tsy irery ndry ary mbola eo koa ny fahatsiarovana napetrany izay tsy hay hofafana fa mitoetra, ny manodidina koa mbola eo raha teo na dia tena ekeko fa tsy misy mahasolo azy.
    Dia mbola mamerina ny firarian-tsoa izay efa nataoko, dia mahazoa izay iraian'ny saina sy ny fo rehetra akia.
    Bisouuuus be ndry ♥ ♥

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Adinoko, tsara be ny volo!! lol :p tena mety ilay izy. :)

      Supprimer
    2. Ndriiii mahafinaritra ery mba misy mampahatsiahy hoe fahasambarana be ny anareo mbola misy parents.
      Misaotra indray, misaotra foana aky @ firariantsoa rehetra. Eny hoa fa tsy mangiana be fa ilay hoe hafa ihany i Neny fotsiny dia izay.

      💢 ilay volo: io natao t@ fer à lisser=> boucles tsy matahotra orana io nefa tsy nasiana produit akory! Hiezaka kely dia hividy an'io fer io @ noely

      Ba be dia be ho andry

      Supprimer
  4. Joyeux anniversaire ndri, mirary soz betska aki, mahita ity lahatsoratra andri ity aho de mahatsiaro an dadako nandai anay 5volana Lasa zay :/, mamy ny RAD aki ary tena ts afoy mits fa tsy maintsy manaiky tsika fa lalampiainana zan, mahereza Ikala Manja :-P de adiniko heveriko fa 27 ans fa ts 33 , tena ts nampoiziko ;)

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Misaotra aky,
      Tadidiko be ery iny Dadanareo maty iny, haaaa mais dadanay koa vao maty t@ septembre teo.
      Fa hafa foana aky Neny! Atao lesona hanehoana fitiavana ny efa lasa. Mitohy ny fiainana fa tsaroana foana ihany izay nandeha mialoha.

      Hihihi misaotra ihany fa za efa tena 33 tena izy fa tsy latsaka e! Tsy afaka miady varotra kay 😜

      Supprimer
  5. Joyeux anniversaire ki ndry ry Ikala Fanja a, mampisento kely aky ilay artcile, merci fa tiko be, za otrany bola tsy mahavantana ahy ilay mamaky blog fa jereko foana amzay zao :) Dia mirary fety sambatra an-dry akia, dia mirary fampaherezana koa satria nifanojo ny date anakiroa fifaliana sy fahorina, nefa mino aho fa ny mahita an-dry faly no faniriana kokoa noho ny mahita an-dry malaelo mitomany. Fandalovana marina akia, ny tany a, ary izay no ifankatiavana dieny bola velona, mandefa ba mamy be amin-dry dia mirary soa foana kia :) bisouuuuu

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Misaotra e! Isika belier kay be sentiment sady be fitiavana na dia mafy loha be hahaha.
      Tena izany, aleo mifankatia foana fa tsy hiandry efa lasa ilay olona vao hoe indrisy ramalala.
      Ba be dia be! Dommage tsy afaka nanao fety niaraka indray isika. Mbola ho avy ilay fotoana na tsy anniversaire antsika aza

      Supprimer
  6. Tsara be aloha ilay volo e <3
    Dia arahabaina manokana indry nahatratra ny tsingerin-taona nahaterahana. Tsy maintsy mifaly isika rehefa ohatran'izao satria tombon'andro nomen'Ilay Nahary izany ary anisan'ny fanehoana ny fankasitrahana tamin'izay rehetra nomeNY tao anatin'izay taona lasa rehetra izay koa.
    Na dia eo aza ny fahatsiarovana mangidy, dia jereo tsara anie ny soratan-dry e, resin'ny fahatsiarovana mamy ilay izy. Fa i Neny mitoetra ho Neny foana na dia efa lasana aza. (Ny ahy ny raiko no nalevina tamin'ny anniversaire-ko t@ 2007).
    Anisan'ny toetra notahafin-dry tamin'i Neninareo ny fitiavana mizara, tsy voatery hanam-be vao hizara fa izay ananana dia azo zaraina foana.
    Hahatanteraka izay irin'ny fon-dry lalina indrindra anie ny Tompo amin'ity taona vaovao nomeNY an-dry ity.
    Bisous

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Misaotra betsaka e!
      Haaa saika nitovy ihany izany tantarantsika izany.
      Tena marina tsy misy ampiana, Mahasoa ny zavatra rehetra ary tena marina fa rehefa mino an'Andriamanitra dia mahita andro mihiratra foana na anaty aizina be aza.
      Mankasitraka be dia be.
      Ba be dia be

      Supprimer