dimanche 19 avril 2015

CATRICE Cosmetics

Tsara ery ny andro aty anio, masoandro be, lanitra manga na dia tsy mafana be aza fa mila akanjo mafana ihany raha hivoaboaka any ivelany any. Izaho moa ato sady mikohaka be no voan'ny sery izay tsy izy ka dia fahafinaretana lehibe azo atao amin'izao fotoana izao ny manoratra eto, miaraka amin'ny dite mafana.


Anio hozaraiko aminareo ny fahitako an'ity marika CATRICE Cosmetics ity, izay vao voalohany no nampiasako azy na dia efa ela dia ela aza izy no nisy. Raha mpijery Youtube toa ahy ianareo dia marika malaza be izy io no sady azo ioriranana tokoa ny vidiny.

Mba ho fanandramana dia nividy vokatra karazany 4 aho, satria tsy afaka nandramana moa ity izy fa dia novidiana an-jambany ka aty an-trano no nanao izay azo atao.






Omaly ary aho no nampiasa azy rehetra ireo, satria nanasa vahiny aho omaly. Ny maraina alohan'ny hiantsena aho izany no nanomboka nanao manjamaso, nampiasa an'ity "base de teint" ity. Natokana ho an'ireo olona manana tarehy mitera-menaka izy io sy be mason-koditra, izay tena izaho mihitsy izay karazan'olona izay. Tiako ampahafantarina anareo aloha fa izaho dia tamin'ny 2 ora maraina vao nanala ny manjamasoko fa satria izay vao lasa ny vahiny. Izany hoe nataoko andrana mihoatra ny 10ora izy. Teny anatin'ny tontolo andro teny dia nisy fotoana aho nahandro sakafo, izany hoe nafana be ny toerana nisy ahy; na izany na tsy izany, azoko lazaina fa tena tsy nangirana mihitsy ny tarehiko ary tsy niala mihitsy ny "fond de teint" fa dia nitazona tsara teo foana. 


Naoty ho an'ny "base de teint" = +++++


Ny "mascara" natokana ho an'ny volomaso (sourcils) indray dia miloko volon-tany, tsy afaka nasiako sary fa tena sahirana mafy aho maka sary fa tsy mivoaka araka ny tadiaviko mihitsy koa dia aleoko tsy asiana fa dia io miloko vonlon-tany amin'iry sary fahobe ambony indrindra iry izy e!
Ny antony ampiasako "mascara" ho an'ny volomaso moa dia tsy inona fa tsy tiako misavoritaka ny volomasoko fa mitsiparaka lava izy ireo, volomaso maditra :) koa dia feheziko amin'ny "mascara" mba hanao jery atrika hendry tsara. Fa tena tsy ambaka ny hafa izy e, tena nahavita ny asany, ary maivana tsy heno akory hoe nisy "mascara" ny volomasoko.

Naoty ho an'ny "mascara" = +++++


Raha mba misy zavatra tiako ihany koa amin'ny tontolon'ny manjamaso dia ny lokomena, koa nanandrana an'ity lokomena "Ultimate Colour - 360" ary aho, izy io dia anisan'ireo lokomena tsy mangirana fa "matte".

Toram-po goavana ny ahy, tena tsara izy, tsy araka ny maha-lokomena mora vidy azy fa tena tsara kalitao, tsy manamaina molotra. Izy aloha tsy anisan'ireo lokomena mitazona ela be, tena tsy misy soratra milaza an'izany koa moa eo ka tsy hoe namitaka akory ny mpamokatra, koa rehefa avy misakafo ianareo dia mioman-komana izany aloha fa tsy maintsy miverina mihosotra lokomena avy eo.
Ny indro kely hitako amin'izy ity: mora mifindra amin'izay tratrany eo izy raha toa ka tsy miketoka "mouchoir" avy mihosotra azy, koa raha mividy koa ianareo, aza adino, somary atao mandalo an'elanelan'ny molotra ny "mouchoir" rehefa avy manao lokomena.



Naoty ho an'ny "lokomena" = +++++



Farany vokatra nandramako dia ity "vernis" fatao fototra alohan'ny hanao "vernis" misy loko. Ny hankafizako azy? mora maina kely ery izy ka tsy miandry 40segondra akory dia afaka manosotra ny "vernis" manaraka. Tiako satria izaho tsy manam-paharetana. Izy koa dia manamafy hoho ary natao hitazona ela ny "vernis", izaho manokana dia afaka manamarina aloha fa tsy misy lainga izay voalazany, raha ny omaly sy ny anio, mbola afapo aho. Mety fohy loatra ny fotoana nanandramako azy fa izaho koa anefa tsy manao "vernis" ela be amin'ny hohoko fa 2 andro ihany dia esoriko, izany hoe ho ahy manokana, mety tsara sady mahafapo ahy izy.

aza ny tanako tsy vita "manucure" no jerena fa ny "vernis" :p

Naoty ho an'ny "vernis" = +++++


Azoko hamehezana ity anio ity, izaho manokana dia afapo 100% amin'ireo vokatra novidiko, aza hitako ka hamporisika ahy hividy zavatra be dia be ao amin'io marika io fotsiny izao andrana nataoko izao, satria mora anie ny vidiny e, tsy misy mihoatra ny 6€ ny vokatra iray nefa tena tsy ambakan'ireo marika lehibe toa an'i Mac sy Urban Decay izy (ireo aloha ny mpamokatra tena haiko dia ireo no tanisaiko).

Dia izay indray ary aloha ry namako isany fa mirary antsika hiatrika erinandro feno fiadanana ny tenako.

Ba Betsaka

7 commentaires:

  1. Inona intsony moa ny lazaina fa avy mamaky ny lahatsoratra dia tena te hanandrana koa, indrindra ilay "base de teint" ny ambiny moa tsy lazaina intsony.
    Misaotra betsaka akia mampahafantatra anay sy manome ny hevitr'indry amin'ireto korotam-behivavy ireto a :p
    Bisouuus be ndry.

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. tsara aky ilay base de teint a, tapaka be ny hevitro tsy hividy base lafo be intsony fa aleoko io dia io, eto ampanandramana base de teint Rimmel aho izay tsara koa fa nefa be silicone fa ito efa nodinihiko tsara fa tsy misy silicone no tsy misy paraben, nefa ny vidiny mitovy, ny habetsahany mitovy
      ka aleo aloha mba ifampizarazarana eto ihany fa sao mahasoa ny hafa e, ndry zao tena hitako ahazo vokantsoa :)
      bon dimanche aky dia bisous be

      Supprimer
    2. Hiiii, tena ahazo vokatsoa mihitsy raha mahazo. Vao naika hanontany mihitsy aho hoe iza no tsara ny base: ny an'i Catrice sa ny an'i Rimmel? Fa dia mazava fa ilay tsy misy silicone sy paraben no handrian'ny saina :p

      Supprimer
    3. Tsara aky ny Catrice a! Andao mody atao hoe tia vao aho fa ilay base Rimmel izao efa elaela no nandramako tao fa tsy nety nambabo ahy loatra. Ngamba ilay sorata diso mazava be hoe misy silicone mdr .... Fa ny su aloha, tsy hividy base lafo intsony aho

      Supprimer
  2. Efa henoko koa ny lazan'io marika io dia misaotra an'Ikala Fanja manamafy fa tsara ilay izy :) asa rahoviana vao hisy hivarotra aty Madagasikara ary asa koa hoe ohatrinona ny vidiny rehetra tonga aty. Aza manambe amin'izany kohoka sy sery izany e

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. karakôry madamo?! hehehe mba hianatra hitarogna aho sé mahay :D

      indry za no tena nahalalako an'io anie aky e, resadresaka tazako tao @ page-ndry no nijereko youtube sy nanaitaitra ny lohako teo dia vao nahita an'ilay izy teo ambany masoko aho tonga dia nioraka be ohatran'ny adala...

      eo fa hivarotako ndry, tsy ataoko lafo hahahaha atao prix familial ;)

      misaotra aky marina moa, bisous be dia be ho andry

      Supprimer
  3. Aie aie aie aie mampitsiriritra ahy vao maraina nji ry Ikala :*

    RépondreSupprimer