jeudi 23 avril 2015

Mankafy Fiainana

Maninona moa e? Maninona raha fongarina hatreo ny fijerena ny hafa dia mba mijery indray ny soa sy ny tsara izay tsy misy mpanana afatsy izaho irery? Satria mijery ny manodidina aho, toa sambatra ery i Ranona satria manana an'izato sy izato, sambatra loatra i Anona iry satria tsara tarehy, sady manga feo no manan-talenta no .... Eo dia variana mampitaha eo, ary izaho mba manana inona? 😞 dia valaka sy kivy saina eo.

Anefa vao ovaina ny fomba fijery dia lasa indro feno tsiky miteny irery: "Hay sambatra aho fa manana ANAO". Hay sambatra aho fa manana an'izao sy izao... Andray, hay ve e? Nahoana no tsy hitako raha tsy izao? Jamba loatra, nanampi-maso variana nitazana ny hafa ka zary tsy nahita ilay fahasoavana teo ampela-tanana.

Anio aho hizara ny fahasambarako, izay tsy miavaka akory, fa nahatsapako fahasambarana teo amin'ilay fotoana niainako azy.

Anio aho nisakafo maraina, fa naninona no tsaroako tampoka fa sambatra aho? Satria any ho any, maro ireo tsy mba manana anjara amin'izany, satria any ho any, misy no mangahiahy, raha mba misy azo arapaka lahy 😞.



Ity volana ity no nahazoako ity ranomanitra ity, fanosotro matetika, ary faran'izay mahasambatra ahy ny mamofona ny tenako isaky ny manao azy aho. Hanitra malefaka, mitondra ahy anaty fahasambarana tsy misy pentina. Sambatra aho, satria manana asa, manana fidiram-bola ahafahako mividy izay tiako. Sambatra aho fa mahay mankafy izay eo ampelatanako. 



Omaly tolak'andro, nafana be ny andro. Indro izaho sy ny bokiko, naka toerana malomaloka, naka fy ny tontolo, sambatra aho satria misy ny masoandro, sambatra aho nanana fotoana nakana aina. Tsy nisy afatsy izaho irery, nanadino ny taraina.



Izany hasambarana rehetra izany, afaka tsy hitako raha variana nijery ny hafa aho, raha tsy nitodika kely nijery ny tena izaho sy izay anjara fahasoavako.

Zaraiko aminareo anio, satria tiako mba ahatsapa fahasambarana koa ianareo. Teny nomena ahy ity nahasoa ahy ka indro zaraiko ahasoa anareo koa izao: "ampy ahy ny fahasoavaNao"


Naoty: lahatsoratra ataoko ety an-dalana ity nefa tsy andriko ny hizarana azy koa dia miala tsiny aloha fa mbola tsy vita kaly ny endriky pejy 😉

9 commentaires:

  1. Tsy mahita holaizaina aho akia fa marina loatra ny voalaza ao amin'ity lahatsoratra nosoratan-dry ity. Mila mahay mankafy izay eo am-pelatanana sy ambany maso fa ts hitady izay tsy fantatra any aloha.
    Sambatra aho fa manana namana nanokatra ny saiko sy ny masoko tamin'ny alalan'ny lahatsoratra mahafinaritra be.
    Bisouuus be ndry ♥

    RĂ©pondreSupprimer
    RĂ©ponses
    1. 😍 mahafaly anie ny mahita ny fahasambaran'ny hafa, hoatran'izao, mampitsiky be ahy ny commentaire-ndry, fantatro tsinona fa tsy miteny irery aho na dia tsy mahita statistique de lecture aza dia efa haiko fa misy namako foana ato mijery ato!!!! My TOP ONE 🙏

      Bisous be koa ndry @zao efa hirava miasa izao 😉

      Supprimer
    2. Hiiiii, vakiako am-pifaliana foana ny asa soratr'indry e. Rehefa jamba angamba vao tsy hamaky, hahahaa!! :p

      Am-pitiavana be akia ♥

      Supprimer
  2. Ce commentaire a été supprimé par l'auteur.

    RĂ©pondreSupprimer
  3. Ehhhhh, sambatra tokoa akia e, hihihi. Misy mitafatafa amiko vao maraina vao mifoha mandritra ny kafe maraina sy ny fiomanana ao amin'ny dosy. Ny alina anaty taxi be sy ny embouteillage. Reo rehetra reo mbola sambatra amin'ny fananana andry fotsiny fa hijery ny fahasambarana hafa indray zao. :) Misaotra akia nizara a, tsipiteny toy izao indraindray dia ampy manokatra ny maso amin'ny tsy hita nefa dia miaharihary.

    RĂ©pondreSupprimer
    RĂ©ponses
    1. Ny resaka be tsy misy lohany tsy misy vodiny hahaha! Mahafinaritra ery ny miresaka e! Tsy misy tsirony vao hoe irery! Hafa iany! Sambatra mihitsy ky isika mpinamana a! Bisous be!
      Beaucoup de bonheur pour toi 😉

      Supprimer
  4. Tsara be :) Raisiko manokana ilay hoe "Sambatra aho fa mahay mankafy izay eo ampelatanako" ny ahy ny filozofia entiko amin'ny fiainana dia hoe "mahantra indrindra izay tsy mankasitraka izay ananany" Mahafinaritra foana ny mamaky an'Ikala Fanja

    RĂ©pondreSupprimer
    RĂ©ponses
    1. Tiako be koa ilay fillzofia andry fa manambony moraly! Sady marina mihitsy fa isika olombelona anie tsy mba mety afapo ka tsy mahagaga raha tsy mahay mifaly. Soa ihany misy ny indraindray tonga saina 😊.
      Bisous ndry! Misaotra tsy manadino 😘

      Supprimer
  5. ion titanium hair color
    The titanium teeth result of titanium necklace mens the new generation of ion-titanium hair ford fiesta titanium color, an outstanding application made from titanium jewelry high-performance graphite that has ford ecosport titanium been in

    RĂ©pondreSupprimer