vendredi 5 février 2016

AMBANIVOHITRA

Hafaliana indray fa afaka niaina ny rivotra madion'ny AMBANIVOHITRA. 

Izaho dia olona tena tia ambanivohitra. Izaho rahateo aza moa efa mpianatry ny "lycée" vao tena niaina teo Antananarivo renivohitra fa nohon'ny asan'i Dadako dia nipetraka ambanivohitra foana izahay. Fiainana tsotra, somary lavitry ny fivoarana no niainako. 

Mbola tsaroako izaho kilasy T9, rehefa mba te hiaraka hilalao tamin'ny namako nefa andro fialan-tsasatra dia indro mitety tanimbary miazakazaka antsefatsefan'ny saha mandritry ny ora iray mamonjy ny vohitra misy ny namako. Mitsiky kely aho ato fa mitamberina indray ilay tsiahy rehefa iny aho mitsamboatra be sady mikiaka mafy fa misy bibilava manakana tampoka. Andray! Izay no mba tena tsy tantiko tany ambanivohitra. Biby tena mampanofy ratsy ahy ireny bibilava ireny. Toa mitamberina midoboka ho azy ny foko ato nohon'ny fitambolon'izany fahatsiarovana mamy izany. Irony fahazazako. 

Hiverenako ny anio. 

Nandritra ny fialantsasatra teo izahay dia nandeha nivahiny tany amin'ny namana manana ambanivohitra, tao amin'i Blanchard mivady (ramatoa malagasy sy rangahy vazaha). Tanana kely antsoina hoe Montourtier izay anaty fiadidian'i Mayenne izy io. 

Tena talanjona ery aho nijery ilay tanana kely! Tena an-taonany maro aho tsy naheno akoholahy nihira "cocorico" vao maraina. Ny rivotra madio, ny omby maro be tsy hita isaina eraky ny tanety.

Toy ny ambanivohitra rehetra dia mitsitokatokana avokoa ny tanana kely. Koa raha hitsidika tanana hafa dia mandeha kilaometatra maromaro vao tonga eny. Aty ivelany aty moa ny olona efa mandroso be koa dia mitaingina fiara foana isaky ny misy aleha. Fa mba mahavariana, na tanana farak´izay anaty akata aza dia vita "goudron" tsara tarehy avokoa ny lalana. Izay aza no nandiso fanantenana kely ahy satria tsy nahita lalan-tany aho rehefa te-hiazakazaka fa dia arabe io foana ihany.
Mahatalanjona kely no sady mahakivy kely koa indraindray fa voafefy avokoa ny tanety rehetra. Izany hoe tsy afaka miriaria anaty natiora be fa na ala aza voafefin'ny tompony. Izany hoe, raha te hitsangatsangana dia manaraka ny arabe dia eny no mankafy mangiana. 

Eto amin'ity tananakely ity no misy ny lapoaly lehibe indrindra eto an-tany, voarakitra anaty "livre des records".


Na izany na tsy izany misy faritra voatokana iandraiketan'ny kaominina ihany toy itony rano itony ahafahan'ny sarababem-bahoaka milomano sy manjono. 

Mba jereonareo anie ireto fitaovan'ny mpanjono! Hoy aho tamin'ilay rangahy nanjono hoe hoatran'ny andeha hiady mihitsy! Tena fitaovambe anie izany fa tsy mba fitana kely dia vita.

Ankoatr'izay dia mba tsara vintana ihany koa izahay fa ny alahady nandalovanay tany no nisy ny lamesa tokana isan-taona fatao eo amin'ilay tanana. Satria moa tanana kely ny eo dia tsy misy Mopera raikitra, koa isaky ny alarobia in-2 isak'erinandro, no misy ny lamesa ho an'ireo mponina ao. Araka ny voalazan'ilay ramatoa nifampiresaka tamiko dia 8 eo izy ireo no mamonjy lamesa mandavan-taona. Fa tamin'io alahady io dia tena hipoka ilay fiangonana kely, sahabo ho 100 teo ny olona satria tonga nanatrika avokoa ireo "andriana" tamin'ny tanana manodidina. Taorian'ny lamesa dia nisy fiaraha-misotro zava-mamy izay ny Ben'ny tanana mihitsy no mandray antsoroka ny fikarakarana sy ny fizarazarana. 

Zavatra kely tsy vitako an-tsary fa nahavariana ahy. Mbola misy ilay faritra fanoratana ny anaran'ny tompon-tseza tao @ dabiliom-piangonana. Izay marika ahafantarana fa samy efa misy toerany avokoa fa tsy mifangalatra. Fomba taloha moa izany fa tsy nalan'izy ireo ilay faritra mandrak'ankehitrio.

Farany, nandalo teny Sainte Suzanne ihany koa izahay. Izy io dia tanana anisan'ny tsara indrindra eto Frantsa. Tsy misy ho lazaina firy aho fa tonga lafatra ny hatsarany. Toy ny tafiditra tanaty horonantsary aho nitety ilay toerana. Natsiro loatra. 


Nahafinaritra ahy loatra ny fialantsasatro fa nandritra izay fotoana rehetra izay aho niaina tamin'ireo fitaovana fototra. Fahatsorana, fitiavana, lavitry ny fandrosoana. No indrindra indrindra afaka nitaingina bisikileta sy niazakazaka nanarampo mihitsy. Marihiko fa ireo fanatanjahantena ankafiziko ireo dia tena anisan'ny fanatanjahatena tian'ny olona any ambanivohitra any koa ankoatry ny dia mailaka (marche rapide). Ary ianareo ve tia ambanivohitra?



10 commentaires:

  1. Tsara ery izy izany fa misaotra betsaka nizara. Eny, izaho dia tia ambanivohitra satria zanaka tambanivohitra :) tany ambanivohitra ny fahatsiarovana mamy indrindra teo amin'ny fiainako (alohan'ny nanambadiana sy niterahana kosa aloha e hihihi) fotoana mamy isany tena tiako ny makany ary dia mitovy isika fa loza ny fatahorana bibilava lol Tsara ery ity toerana ity akia. Ndao hanendy atody na kitoza na zavatra hafa amin'io lapoaly be io e hahahahaha

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Mitovy isika roa izany! Samy tia ambanivohitra. Tena atody anie no nendasina t@ io lapoaly io e! 80.000atody. Dia gaga mihitsy aho. Nanaovana omelette indray mandeha no nampiasana an'io dia izay.

      Supprimer
  2. Salama akia. Finaritra ery mamaky ny lahatsoratra. te ho any ambanivohitra koa aho izany na dia tsy tamana ela aza, hahaa, loza. Ilaina mihitsy ny miova rivotra ee, indrindra hoetina miatraika ny fidirana indray.
    Bà mamy be akia. ♥

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Hay ndry tsy tamana rehefa mankany. Tany @ io ambanivohitra io koa aloha zara raha nisy reseau an! Raha vao tia telephone dia sahirana. Fa izaho aky tena tia be mihitsy a! Satriko foana. Saingy indrisy. Tsy mbola mahavelona ahy aloha any hatreto fa raha tsy izay dia efa iny aho ra tongotro. Ba be dia be ndry

      Supprimer
    2. Raha 2 na 3 andro tsy olana, ny mihoatran'izay mety sarotsarotra!! Tsy mahafoy tenkôlôjia ee!! hahaha!!

      Supprimer
    3. Izay indry vao tena hoe zanak'Iarivo ireny raha tsy fantatrao! Zanaky ny fandrosoana. Hahaha mbola ho avy ny fotoana dia hankafy ihany ndry! Ho satry foana hijanona any ambanivohitra. Sa ve tsy hisy izany? Mazotoa ary aloha fa mbola ankamantatra ny ho avy

      Supprimer
  3. Afa-po tanteraka. Lahatsoratra tongalafatra. Tany Lafrantsa fotoana fohy. Misaotra tompoko fa afa-po

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Misaotra tompoko nazoto namaky! Indry moa efa mba nilazako hoe andefaso voan-goavy aho fa izany no tsy ampy aty. Teo @ io lac kely io aky izahay nahita anamamy nisy namboly dia faly be ery! Nanongotra zanany nentina nambolena tao @ zaridainan'ilay tompon-trano. Tiako ky ny ambanivohitra. Tsy voatampîa mihitsy ny vavako fa mankafy be. Ba betsaka ho andry! 😘

      Supprimer
  4. Salama ooo , tena mahafinaritra ery ny sary ! misaotra nizara sy nitondra anay mpamaky tany ambanivohitra !!!!

    RépondreSupprimer
  5. Tadidiko ndry ilay mbola kilasy T9 :-)

    RépondreSupprimer