dimanche 2 août 2015

Fanadiovana Tarehy

Fony fahazaza, ny atao hoe manasa tarehy: maka rano, dia lemana ny tarehy, somary safosafoina amin'ny tanana avy nomandoina tamin'iny rano iny dia izay, madio ny tarehy. Tena madio tokoa anie izany e. 

Taty aoriana, mampiasa an'ity karazana akora rehetra ity: "démaquillant", "gel lavant",  "gommage", sns mbola tsy tonga lafatra ihany ity tarehy kely. 

Izaho manokana dia mba te hanandrana foana hatrizay hoe mba ahoana loatra re ny tarehy rehefa avy sasana amin'ireny Clarisonic ireny e! Ny vidiny manko dia tena tsy misangy. Raha tsy diso aho toa 160€ izy izay. Izaho moa tsy manana fa mba te hanandrana ihany saingy indrisy. 

Vao haingana, raha haingana izany hoe vao 6 volana teo, nisy olona niteny tamiko hoe mividiana borosy Shiseido fa mora be 27€ nefa dia tena malefaka sy madio be ny tarehy rehefa diovina aminy, itony antsoina hoe "dupe" moa izany ny filaza azy, "dupe de Clarisonic". Nandeha tokoa aho fa izaho moa tia andrakandrana ity, nandeha nanontany teny anivon'ny Sephora fa tsy mivarotra hono izy ireo fa vidio mivantana amin'ny tranokala Shiseido. Iny fiantsenana an'abakabaka iny moa tsy mbola tena talentako loatra fa mampisalasala ahy matetika koa dia adinodino teny raborosy "dupe".

Indray andro izay ary aho nandalo Primark, ka nahita an'ity borosy ity 1€50, vidina mofodipaina e! Aleo raisina ihany aloha. Mba andramana dia hita eo. 

Aoka re ramatoa! Fa taiza aho hatrizay tsy nahalala an'ity zava-mahasoa ity. Tsy niova akora aho hanadiovako ny tarehiko fa kosa nampiasa ilay borosy, maraina sy hariva. Tena tsy lainga fa maro be ny olona mahita ahy lasa niteny fa tsara be ny hodi-tavako. Lasa malefaka sy malandina kokoa. Sady izay indray, afaka manotra ihany koa anie ity izy, tonga lafatra e, hitady inona intsony.

Ny taona miha-mandroso fa ny hoditra tsy miofo! Hafaliana foana fa 1€50 no niala ampaosy fa tsy 160€. Tena tretrika, afapo, afaka mizara aminareo, tsy voatery lafo ny zavatra tsara. Tsy voatery marika ambony vao mahakarakara 😜.

Fa efa ho lany ihany ity akora ity ka aleo aloha araraotiko zaraina aminareo an-dahatsoratra ihany koa fa tena mety ahasoa. Ity no fanasako ny tarehiko. Tsoriko aminareo fa misy fotoana aho tsy mahatandrin-tena: mihinana sakay, miletra sakamalao be, misotrosotro rano misy alikaola kely eny 🙊. Fa ity fanasako tarehy ity dia niantoka ny fahadiovan'io tavako io. Raha be indrindra 1 ny mony maditra, tsy mety resy, tsy mety lefy fa mipoitra eo amin'io tarehiko io. Mampibaribary ny "mauvaise hygiène alimentaire" ataoko hono izany ny tanjony e! 


(Tea Tree @THE BODY SHOP: arbre à thé nettoyant purifiant visage)

Dia izay ny anio, fahazarana kely nozaraina taminareo. Ny omaly tsy miovan'ny maraina sy hariva, ireo ny fitaovana fototra ampiasaiko manadio ny tarehiko na manao manjamaso aho na tsia. 

Koa mahasoava e. 

5 commentaires:

  1. Salama akia. Faly dia faly aho amin'ity lahatsoratra iray ity satria dia tena ilaiko. Eefa amam-bolana maromaro mihitsy aho no miketrika ny "Clarisonic" saingy tsy mety tapa-kevitra. Efa avy nitety site maro nitady dupes, ny an'i Clinic, tao amin'y Beauté Privée, ny an'i Braun ... nisy an'i Sephora izay koa fa tsy misy intsony ilay izy ... hahaha!! Misaotra an-dry nahavonjy :p fa dia io izany no ho vidiana. Ity nettoyant visage koa mampitsiriritra, hodinihana afaka volana vitsy :p hahaha.
    Bisous akia ♥

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Ilay Clarisonic aky asa na ahoana na ahoana fa izaho vao zavatra lafo be nefa tsy coup de coeur dia tsy mety roboka mihitsy! Fa tena tsy manao dokambarotra aho na dia manao ihany aza fa io borosy kely io dia efa mahadio be ny tarehy, tena voaporofo eo no ho eo fa mahazo loto mihitsy io borosy io manko, visible à l'oeil nu.
      Ilay fanasana tarehy ndray tena be dia be ny mahababo fa dia andramo izay mahaso andry e!
      Ba be dia be

      Supprimer
    2. Dia tena ho roboka tokoa raha ny filazandry azy fa dia miandry :p Hahaha!! ny fanasana tarehy mbola tsy sahy aho izao aloha fa aleo vita tsara ny traitement, mbola ilay no-conseiller-n'ny dermato-ko aloha no ampisaiko izao izay tsy hita izay maharatsy azy. Afaka volana vitsy hijery hafa ny tia handrakandrana!! Lol.

      Supprimer
  2. Salama :)
    Raha azoko tsara izany Fanja dia tsy atao amin'ny tanana intsony ny fanosorana an'ilay "demaquillant" sns fa atao amin'ny borosy ?!
    Ilay Rabre de thé efa malaza hoe manala mony, otrinona hono akia izy io dia atao ahoana ny fanosotra azy ?!
    Misaotra

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Akory aky a!
      Ny ahy ky tonga dia ataoko mivantana eo ambonin'io borosy io ny produit a! Fa izaho anie tsy mampiasa démaquillant, menaka olive na diloilo coco no ataoko @ vovo dia iny no analako mascara sy maquillage aloha raha manao aho dia avy eo tonga dia sasako @ io borosy io rehefa misy produits.
      Tena voaporofo be kosa aky fa tsy mampisy mony io tea tree io a! Tena tsy lainga

      Supprimer