jeudi 27 août 2015

Maloka ny aty


Mba ampindramo ny tsikindry aho dia hibaliaka ny masoandroko
Mba ampindramo ny feondry manga aho dia hihira ho an'ireo akamako
Mba ampindramo ny tanandry kinga mitendry mozika aho dia hampikorana ireo mitolofika.

Fa lavitra lanitra manga aky ny misy anay! 
Mangiana, mitoloko sy misento lava ireo manodidina ahy.

Mba ampindramo hery kely hijoroako ho mahery,
Mba ampindramo tara-pahazavana dia ho feno ny banga.
Fa sina loatra ny tontolo, ampindramo, ampisambory.

Miandrandra andry... Aza mijery sy mandalo fotsiny ihany,
Mba omeo talenta iray avy any.

Vonjeo hono izy fa arian'ny olona eo e


2 commentaires:

  1. ndry ve no nanoratra an'io? tsara ilay izy na mampalahelo aza. mirary ny masoandro hiverina any mba tsy ho maloka intsony <3

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. manakory aky a! eny, izaho io mirediredy io e, matetika aho manana rediredy hoatran'ito fa tehiriziko ahy aty fa izaho tsinona tsy manao tononkalo fa mba mandrakitra an-tsoratra izay sendra mandalo e,
      efa niverina tokoa ny masoandro dia nafana be teo, nanadala indray aza fa tsemboka loatra,
      bisous be ny mpiala sasatra

      Supprimer