jeudi 10 décembre 2015

ANTSAPANANA

Efa akaiky indray ny fialantsasatry ny Noely. Mahafinaritra loatra fa na ireo mpino na ireo tsy mpino dia samy faly rehefa ho avy ny Noely. Ho an'ny ankamaroan'ny olombelona aloha dia fifaliana fa hifanolotra fanomezana. Ho an'ireo tso-po moa dia vao maika faly fa afaka hizara betsaka kokoa! Na ny tsy fianakaviana fa olon-tsotra aza dia tolorana fanomezana satria hafaliana ny mizara, eo indrindra no fanararaotana maneho fitiavana sy fangorahana: "esprit de Noël" hoy ry zareo vahiny. 

Fa ho an'ny olona sasany ny Noely dia midika ihany koa fa afaka handeha haka rivotra. Indrindra ireo izay monina andrenivohitra, mba andeha hikisaka kely hitady ranomasina, hifoka rivotra madio. 

Rehefa mandeha toy ireny, ilay miala an'Iarivo dia matetika loatra ny olona mizotra miantsinanana, ao ambadika ao manko tsy dia lavitra loatra nefa koa efa tena mahafinaritra. Maro ireo zatra loatra miantsinanana e! Na ho etsy Toamasina, na ho etsy Manambato na koa Vatomandry na mbola hitohy mankany mankany.

Samy manana ny mahavariana azy ny olona rehetra, fa izaho manokana, mba tena manamarika ahy loatra no sady tsy foiko, tiako hitoerana maharitra. Ilay tanana kely tsy maintsy ijanonana na mandroso na miverina raha misy dia aleha any atsinanana any dia Ilay Antsapanana. 

Asa loatra! Noho izy tsy mba matory ve? Noho izy misy sakafo mafana foana na amin'ny ora fahafiry na andro na alina ve? Sa noho ireo olona sariaka mandray anao tsy mialon-jafy? 

Tena tiako, mamiko ny mandalo eo amin'io toerana io, angamba hoy aho tsinona teo ihany aho nihinana ny sakafo matsiro indrindra teto an-tany: amalona lena sy henakisoa. Angamba koa satria aho mbola tsy nijanona teo nihoatra ny 30mn. 

Efa taona maro aty aoriana aho mahatsiaro fa tsy mba manana sary mirakitra fahatsiarovana momba io toerana io. Koa dia noho izany indrindra no nahatonga ahy hiara-hiasa amin'ity ranamana MizinPhotography ity mba haka sary ho ahy. Hitondra anareo fotoana vitsy monja eo amin'io toera-mamiko io. Mankasitraka azy feno ny foko.


Koa rehefa mandalo eo ianareo! Tsarovy ity namanareo ity! Mba itondrao voandalana. Sary iray nalainao tao Antsapanana. 

4 commentaires:

  1. Salama akia. Toa lasa tany nijery ireto sary, mahafiraritra ery ny mamaky ny lahatsoratra nosoratandry. Mitovy amin'i Ambondromamy izany raha hianavaratra. any kokoa no nahazatra ahy.
    Mirary soa akia. Bà ♥

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Tsara aky eo e! Mahavariana foana. Izaho indray tsy dia mpankany avaratra fa tsy tia mafana be. Ilay Nosy be iny zao no tiako jerena. Mirary soa aky a! Itondrao sary aho rehefa mandeha vacances eo ndry. Ba mamy be

      Supprimer
  2. Ndriiii.. Tsara erÿ ilay lahatsoratra. Tsy misy fiasorana Fanja a. Vonona hiara-hiasa foana aho raha toy izao foana ny ankaton'ny asa soratra. ;) Mizin

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Misaotra antsika isika fa mahafinaritra ny miara-miasa. "Mbola hitohy..."
      Mankasitraka e

      Supprimer