lundi 28 mars 2016

Ranomboankazo

Tratry ny paska e!

Ankoatry ny hafaliana hifampizarana nohon'ny fahatsiarovana ny famonjena sy fahasoavana azontsika olombelona satria nandresy ny fahafatesana ilay Tompontsika na dia noho ny fahotantsika aza; dia zary lasa fomba amampanao ihany koa ny manao fihinanam-be, indrindra fa ny fihinanana sakafo matsiro be sy ny fihinanana "chocolat" be dia be. 

Samy manararaotra avokoa fa tsy isan'andro no manaram-po. 

Koa rehefa vita izay ny fety dia andao hijery fahasalamana vetivety. 

Mba tsy ho simba loatra ny aty, mba tsy hatavy be noho ireny menaka maro be. Dia indro zaraiko aminareo fika kely. Tsotra sy mahomby hanampy anareo ahazo tanjaka amin'ny alalan'ny vitamina. Ary koa hanampy anareo hanaisotra ny kolesterola ratsy any anaty vatana any.

Ranomboankazo "détox":

Zavatra ilaina: 
- silaka voasary makirana 4 manify
- silaka sakamalao 4 manify ( efa voaofy)
- ravina solila 5 voasasa tsara 
- raha misy dia ampio "framboise" kely 6 na 7 (tsy voatery)

Rehefa vonona ireo akora rehetra ireo dia atao anaty tavoahangy ary fenoina rano antsasaky ny litatra. Avela hilona farafahakeliny tapakandro. Dia vonona ny rano.

Mahasoava e




Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire