mercredi 23 avril 2014

SAKAFO MALAGASY

Malagasy aho, tiako ny teniko, betsaka ny zava-tsoa tsy ahafoizako ny taniko fa indrindra mamiko loatra ny sakafo malagasy! N'aiza n'aiza misy ahy, mbola hafa foana, mbola tsy mena mitaha amin'ny hafa ny vokatry ny taniko. Akory ny hafaliana rehefa indro misy vahiny tonga mian-trano ka mitondra voandalana: sakafo malagasy, ny kabaro, tsaramaso, sakay, ny angivy sy ny anana isan-karazany. Fa mba tena miavaka loatra hoy aho ny ravitoto, tena tsy manam-paharoa, ilay nototoina tanana, tamin'ny laona sy fanoto. Lazaiko fa tsy manan-tsahala.

Manina anao ry gasikara, vao maika mifikitra an-doha, manin-te hody aho nefa tsy afaka manoatra ihany koa. Vetsovetso no alefa eto ampitanehan'ito vokatry ny tany fa vetivety dia hisinda izany alahelo izany. 

Efa akaiky ny fotoana, indro hisonanika anatin'ny mamy, oran'ny sakafo ;)


Saingy indrisy hoy aho, hifonaka eto fa efa naka fahazarana kely, nolovaina avy amin'ireto mpanjanaka taloha, mba haroso aloha ny fanokafam-bavony hampangitangitaka ny anaty rehetra, lasary karaoty izao no misy, hifaliana aloha izay an-tanana



Fa fotoana fohy monja no lany tamin'iny haitraitra iny, ndeha hiditra lalina amin'ny tena fototry ny hery, ny ravitoto sy henakisoa, marina raha mba misy hitraka eto aloha. Mbola hanampy, mbola hasiana laoka ravitoto fanindroa ihany koa.



Rehefa voky tsara, sento tokana ihany, any ianao izay ry Gasikara, matsiro loatra any izany sakafo izany. Aleo ary ho faranana ny fety, mba hoasiana kaoatry vetivety :) Mba atao tapany anie azafady e! Dia mba ataovy be ronono :)



10 commentaires:

  1. mampilendalenda izy zany akia,adinondry ny bonbon anglais,otrany mihaino tantara aminy Radio Malagasy mamaky ny asa soratry nji ;) hita mihintsy hoe tiandry ny tenindry,Malagasy et fière de l'être

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Andraso fa mbola ho avy eo foana ny bonbon anglais. Tretrika kosa aloha aky fa mahay miteny malagasy tsara a! Izay diso enga anie hisy hanitsy eto koa! Miaraka mamerina izay voambolana adinodino e

      Supprimer
  2. Hay ve ndry mana-talenta toy zao e!!!! Mahafinaritra fa tohizo :-) !!!

    RépondreSupprimer
  3. mahafinaritra be ilay teny gasy ranoray. ilay sakafo koa aloha dia mpinamana isika amin'io taranja iray io

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Io izao aloha ny teny tena mba ankafiziko indrindra, sady mora ianarana e! Ny mpiasan'ny peace corps toa 2 herinandro dia mahay b.
      Tafaraka samy tendan-kanina ato daholo isika zany :)

      Supprimer
  4. Faly be mme Rabibisoa rah mahita ty asa soratr ndry ty :)

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Mme Mina ilay nampianatra antsika, ilay oe leo an-tenisany aho :D

      Supprimer
  5. Ilay kaopy kely ô!!! (y) tsy mahita ho lazaina fa mahafinaritra be :)

    RépondreSupprimer