dimanche 27 avril 2014

TORO - HAY HANOLANANA VOLO TSOTRA

Mba tena anisan'ny fahafinaretana ho ahy ny mikitikitika sy manovanova io voloko io hatry ny fony fahakely, tsotra loatra ity izy, diso tsotra loatra ka zary mankaleo. Tadidiko i Neny taloha, nisahirana mafy, nanositra voasary makirana, labiera, ary mananasy ny voloko fa satria nahonena hono ny nijery ahy mba te ho holioly volo toy ny saribakoly filalaoko, fa lehibe ihany aho ity, mbola tsotra foana Ravolo.
Nandeha teny foana ihany anefa ny fiainana. Nandramana nohangitaina ity volo, tamin'ny fomba maro samihafa. Ny vola foana no lany, izy tsy nety niova. Fa izaho koa mikiry hatrany, tsy maintsy hohitako ny hevitra indray andro any. 
Fiteny fahizay manko ny hoe: "ny tarehy no ratsy ka ny volo no aolankolana", fa ankehitriny nohon'ny fivoarana, ny tarehy ratsy aza afaka asiana manjamaso dia efa tsara ery, fa maika moa ve fa vita tsara bango ny volo? Aoka re! Dia ho zazavavin-drano mandehandeha. Mba nofinofy ny ho tsara e, ka aleo aloha hikarakara. Ary ianareo mba nisy faniriana toa ahy koa ve? Sa efa natoraly ny volo tsara tarehy?


Dia indro fa hitako ihany ny lakile, hanolanana ny volo diso tsotra be, sady tsy sarotra no tsy lafo, koa dia hozaraina ho an'ireo izay mba te hiova toa ahy.



Andao ary e! Andeha ho atoro eto ny fomba rehetra. Ny dingana natao mba ho volo holioly no fetra.

Tsy dia mila fitaovana maro be vao mahavita manolana volo. Ho gaga ve ianareo raha ilazako oe karazan-javatra roa dia ampy? Fitaovaona voalohany indrindra ilaina ity : "Curl Contour" an'i "L'OREAL" ity, ny zavatra ilaina faharoa dia : "pinces plates / U".


Rehefa vonona ny fitaovana dia zarao ho toko 2 (toko havia sy toko havanana) ny volo (marihina fa volo maina no hiasana). Afatotra aloha ny antsasany tsy ho ampiasaina, dia raisina amin'ny tanana ny ampahany ho aolana, atsifitra amin'ny volo ho aolana ny tsiranoka ao anatin'ilay Curl Contour mba handray tsara ny volo. Rehefa vita izay dia maka tokom-bolo kely aolana moramora amin'ny tanana hatrany amin'ny foto-bolo, asiana Pinces mba tsy hampietsika azy amin'ny hodi-doha. Dia atao toy izay daholo. Rehefa vita ny toko ankavanana (io no mahazatra ahy ny manomboka azy) dia atao toy ireo fepetra narahina teo ireo ny toko ankavia.



Avela hilona mandritra ny ora maromaro amin'io izy naolana ka naraikitra amin'ny hodi-doha io ny volo, ny ahy aloha raha andeha fety rahampitso, na te ho manja tsotr'izao fotsiny, dia ny alina aho no mikarakara, ny maraina no vahana ny tokotoko lasa dokodoko :)

Rehefa vita izay fotoana nangalana aina, vahana moramora ny tokotoko avy. Jereo anie! moa va tsy niova be? 


Dia ho toy izao ny voloko anio tontolo, mba tsy hitsotra indray aloha fa mba hiova kely! Dia ho jefijefy anie izato ramatoa, mba sambany mitana ela ny voloko amin'ny fampiasana io tetikady iray io. 

 

Mba andramo ka lazao, nanao ahoana ny vokany tao.
Raha mahasoa ny torohevitro, mba zarao ity lahatsoratro mba ahasoa ny hafa koa, ireo izay mety efa vaky loha. Mba hitsiky amin'izay fa nahita tetikady tena izy ilay!

17 commentaires:

  1. Tena mety kosa an!! Tena tsara ny fivoahany ka!!

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Io koa vao maika mora atao be raha manana rouleaux anie

      Supprimer
    2. Ce commentaire a été supprimé par l'auteur.

      Supprimer
    3. Mety be Madama ah ...Ny an ny Zokiko izay malama be koa ny volony an rehefa tiany hiolakolana hotran io ny volony an dia ireny potika lamba kely ireny no ampiasainy fa mety be an hi hi ...

      Supprimer
    4. Ie, potika vori-damba koa fataon'ny olona

      Supprimer
    5. tiko be izy zany , andraso klou zany hividy < curl contour>

      Supprimer
    6. Andramo mihitsy! Sady mba miala @ brushing indray aloha ;)

      Supprimer
  2. andramako ndray ty akia,misaotra nizara akia ;)

    RépondreSupprimer
  3. Tsotra sady mety tokoa ilay izy (y)

    RépondreSupprimer
  4. Misaotra betsaka fa hoandramana indray izay :)

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Misaotra koa manandrana, mba ilazao vaovao avy eo oe nanao ahoana

      Supprimer
  5. o ry kala menavolo havako iny e ;)

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Rotsirotsian'ny fiarabe an'i RATP enao izao hahaha

      Supprimer