samedi 26 avril 2014

TSIARO HO AN'I RALOLABE



                                          Affichage de photo 1.JPG en cours...


#Marie Roland Ralolabe Razafimahefa, raha mpanoratra aho dia inoako fa nahavita tononkalo ho fahatsiarovana anao, ho mariky ny fahalasananao izao anio izao. Saingy indrisy, olontsotra aho ka tsy nahavita na dia andalana tokana ihany. Na izany rehetra izany aza anefa, tsy haiko ny hangiana, ka aleoko mirediredy eto ihany, eto aminin'ity tontoloko, hizarako ny tolokoko.Manjombona ny lanitro, fa nihena iray indray ny mpanakanto namako akaiky, fa lasa nody mandry ianao namana tsy mahafoy ....

Misavasava ny tahiry aho, fa tsy mba manana na dia sary iray aza niarahantsika. Indrisy... Lesoka tsy hita hoharenina. Soa ihany anefa, mbola voatahiry ato ampoko ireny sangisangy (.."tanàna ve...?"...) sy ireo mozika tsy voatanisa ahatsiarovako anao. Gina aho izany, mbola tsy mety mino ihany... Nahoana loatra lahy..

Mirediredy toy ny very saina eto aho, mijery ireto sarinao, tsy mampino tsotr'izao ;(

Hany hery, mivavaka mangiana, i Kristy anie hitsena anao ry #Ralolabe, hianoka mozika miaraka amin'ireo Anjely anie ianao. Mandria ampiadanana ry sakaiza. Tsy hanadino anao izahay.

Mirary fiononana feno ho an'i Ramatoa Isabelle sy ireo taranak'i #Ralolabe ary ny fianakaviany manontolo.

Ny vatany no lasa, ireo hira sy mozika rehetra nosoratany mbola hokaloina hatrany hatrany... Tsy ho faty mandrakizay ianao.

                          Affichage de photo 2.PNG en cours...

4 commentaires:

  1. Tsy io olona resahandry io sady tsy misokatra aty amiko ny sary fa na izany aza dia mirary fiononana hoan'ny fianakaviany sy ho anareo namany e! Tombon-dalana ny azy fa samy mbola ho any daholo isika izao dia hifankahita indray. Miara ory retsy a

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. "Tsy fantatro io olona resahandry io" no tiako lazaina fa latsaka ilay teny :/ miala-tsiny

      Supprimer
    2. Misaotra e! Mampalaelo ery rehefa misy mialoha lalana ohatr'izao

      Supprimer