vendredi 10 octobre 2014

FANOMEZANA ho FISAORANA - GIVEAWAY

Anio dia hafaliana be ny ahy no hozaraiko aminareo, satria tamin'ity erinandro dia nandeha nijerijery tsena aho ary nahita zavatra nanintona ny masoko be dia be tao amin'ilay fivarotana antsoiko hoe "Magazain'ny Nofy" fa tsy izany akory no tena anarany fa karana izy io raha tsy diso aho, karana mivarotra itony antsoina hoe kojakoja ho an'ny tokantrano itony ilay izy. Koa dia nividy aho ka nividy. (Hanao horonantsary momba izay novidiako tany aho tsy hoe ela).

Tampoka teo anefa ry zareo toa nisy bitsika injao reko tao an-tsofiko tao: raha mba hizaran'IkalaFanja amin'izao zava-misy izao moa ireo mpankafy mpamaky ny "blog" mety mba ho faly koa angamba izy any ambadimbadika any.

Koa dia tapaka ny hevitro, nividy aho ho atolotro anareo mpamaky ireo, ho fankasitrahana noho ny fiarahan-dalana.

Misaotra fa raha tsy misy anareo mpamaky erantany dia niteny irery foana teto ihany. Ho zary tsinontsinona ny diam-penina ("clavier" moa izany izy izao). 

Koa ireto ary ny loka hozaraiko aminareo.

 RAOZY: moule 1 sy sotro lehibe 1

VOASARY: sotro lehibe 2

VOALOBOKA: haingo ho an'ny mofomamy 1 sy "pâtes à sucre" 2

ZAKARANDA: sotro fanaovana "décoration" 4 sy famoasana tongolo gasy 1


Ity fanomezana ity moa, marihiko tsara, dia tsy misy mpanohana fa vola ampaosiko no nividianako azy koa aza tsiny indrindra raha tsy tonga lafatra sy voafetra ihany ny isany fa hiezaka aho hizarazara fanomezana matetika arak'izay fahafahana mba misy ampela-tanana.

Ary noho ny fanomezana voafetra an-kisa dia aleo mba asiana fitsipika kely indray mipika. 

Ny safidy hanondroana ilay mahazo loka dia atao fisarihana tsy ankijery ka tafiditra anatin'ireo ho voasarika anarana izay mahafeno ireto fepetra manaraka ireto:
  • Manoratra "commentaire" eto ambanin'ity lahatsoratra ity koa farito ny fanomezana tianao amin'izy efatra ireo: vintana 1
  • Manao "j'aime" ny Pejy Ikala Fanja: vintana 1+1
  • Raha mirotsaka manaradia ny "chaîne youtube: aina vicky": vintana 1+1+1
  • Raha manao fampielezana ito lahatsoratra ito ianareo any amin'ny facebook (alefaso eo amin'ny Pejy Ikala Fanja ny rohy nanaovanareo fizarana): vintana 1+1+1+1

Afaka mandray anjara ny olombelona rehetra maneran-tany ka mahay miteny Malagasy (satria izay tsy mahay teny Malagasy mety tsy ahalala izay mitranga ato akory).

Dia izay fa mirary anareo hazoto hilalao ary ny tenako.

Dia mamerina ny fisaorana anareo manaraka ahy hatramin'izao.

Ny fisarihana dia ho atao amin'ny 01 novambra 2014.


Mandrapihaona tsy ho ela

28 commentaires:

  1. Misaotra betsaka amin'ny fizaràna. tsy ny fanomezana ihany fa zava-tsoa maro efa hita eto hatramin'izay.Faly ery aho fa na tsy nisy loka aza dia efa nahafeno ireo fepetra rehetra satria efa mpanaraka an'Ikala Fanja eraky ny tambajoatra misy azy rehetra. Hozaraiko ao amin'ny facebook koa ity concours ity mba hampitombo ny vintako e hihi Ilay loka Raozy no iriako ho azo. Dia misaotra hatrany mazoto mizara izay hay aminay e

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. misaotra mandray anjara fa mahafinaritra loatra
      tonga soa ao @ Ekipa Raozy

      Supprimer
  2. Tiako be ilay idée:) misaotra mizara ho anay mpankafia.
    RAOZY: moule 1 sy sotro lehibe

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. mankasitraka anao mandray anjara
      tonga soa ao @ ekipa Raozy

      Supprimer
  3. Misaotra nanasa ilalao e. in moa fa dia tsara daholo, to be mpaka ny raozy koa aleo ary fa VOASARY e , mba mampazoto mianatra lakozia koa :)

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. misaotra @ fandraisana anjara fa mahafinaritra be
      tonga soa ao @ ekipa Voasary

      Supprimer
  4. Tena tsara be ilay hevitra. Ahatarafana ny hatsaram-ponao ilay fitiavanao mizara izay anananao ka hitanao fa hahasoa ny hafa. Ilay raozy no tiako indrindra amin'izy efatra fa mety amiko koa na ilay zakaranda aza.

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. mankasitraka @ fandraisana anjara sy ny toraka vonikazo :)
      tonga soa ao @ ekipa Raozy

      Supprimer
  5. mahafinatra be ilay toe-tsaina tia mizara, tsara fa tohizo hoy ny mpampianatra izay :)
    izany izao no tsy ampy @zao vanim-potoana iainantsika izao
    efa afaka manao coms @zay aho fa nanokatra compte google

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. misaotra mandray anjara é, mahafaly fo
      iza ny ekipa misy an'i Madama? eran-tany anie mandray anjara fa aza manahy

      Supprimer
  6. Misaotra @fanomezana Ikala Fanja a! Rehefa fanomezana ka vokatry ny fo dia mahafinaritra foana e! Ny ahy izany ilay voaloboka no mba tiko ho azo :)

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. mankasitraka @ fandraisana anjara é
      arabaina fa ianao no voalohany @ ekipa Voaloboka,

      Supprimer
  7. misaotra ny fifampizarana RAOZY ny ay no tiako

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. mankatelina @ fandraisana anjara
      tonga soa eto @ ekipa Raozy

      Supprimer
  8. Misaotra mizara ee!! Tohizo hatrany fa tena mahaliana foana e!! Ny ahy ny RAOZY no safidiko. Mankasitraka ee

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. mankamamy sy misaotra @ fandraisana anjara
      tonga soa @ ekipa Raozy

      Supprimer
  9. Humm, hatao ahoana ny tsy handray anjara amn'ity lalao ity amin'ireto loka tsara tarehy be dia be ireto!! indrindra ilay Raozy izay mba nofisiko :)
    Misaotra betsaka akia amin'ny fizarana rehetra fa mahafinaritra a.

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. misaotra be dia daly be ny fokeliko
      tonga soa @ ekipa Raozy

      Supprimer
  10. Za efa no com's fa toa tsy hitako eto e! Lasa aiza nga e! Lay zakiranda ny ahy. Misaotra nizara e! Ba many.

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. tsy noesoriko aloha ilay com's fa aza manahy,
      ndry no voalohany eto @ ekipa Zakaranda koa arabaina fa tonga soa

      Supprimer
  11. Mafinaritra ny manaraka ny tontolon'ikala Fanja, ary tiako ny voankazo VOALOBOKA ary safidiko ny Voaloboka @ty lalao ity. Misaotra @ fizarana!

    RépondreSupprimer
  12. Mifarana hatreo ny fandraisana anjara! Ho ataoko ny fisarihana koa holazaiko @ commentaire manaraka ny nahazo loka. Sy ho avoaka @ pejy facebook

    RépondreSupprimer
  13. Ireto ary ny valin'ny lalao:

    Raozy: Volatiana Razafimahenina
    Voasary: Lai Faralalaina
    Voaloboka: Mikolo Raitra
    Zakarandaha: Olivia Razafinjatoniary

    Mankasitraka ireo rehetra nilalao,

    Mankatelina ny rehetra mankafy ny Blog

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Misaotra indrindra akia Ikalafanja a!!! Miandry lalao manaraka indray ary e

      Supprimer
  14. Arabaina hoany mahazo loka. Miandry ny lalao manaraka

    RépondreSupprimer
  15. Arahabaina izay nahazo loka eee dia miandry ny lalao manaraka indray :) mazotoa hatrany mizara fa mahafinaritra

    RépondreSupprimer
  16. Misaotra indrindra amin'ny loka. Nahafinaritra ny lalao sy ny fanarahana anao "virtuellement." Mirary soa hatrany.

    RépondreSupprimer
  17. Misaotra antsika rehetra e! @ manaraka indray 😉

    RépondreSupprimer