mardi 14 octobre 2014

Sakafo TSOTRA azo aroso ny VAHINY

Miarahaba ny mpamaky sy mpanaraka hatrany Ny tontoloko :)

Efa manimbolo ny andro fety fa indro efa manantona moramora ny volana novambra. Na dia misavorovoro kely aza ny "politika eto amintsika" dia tsy ahasakana antsika tsy hisakafo sy hankafy ny fiainana an-davan'andro izany, aleo zareo samy lehibe hifanasa vangy any.

Ho arosoko anareo anio ary sakafo fidirana, sakafo "résistance" ary ho faranana amin'ny tsindrin-tsakafo izy amin'ny farany. 

Toy ny efa mahazatra, ho feno sary eto araka izay vitako sy kely mba haiko (tsy ampy traikefa).

Sakafo fidirana :

Lasary "cocombre" miaraka amin'ny saosy "yaourt"

 concombre en fleur
Ny fomba nanaovana azy:
  1. maka "concombre" 1 dia sasana tsara amin'ny savony, dia mampiasa antsy maranitra ka didina manodidina ny "concombre" atao lavalava mba ahafahana mamolavola azy ho voninkazo avy eo (izaho nampiasa fitaovana manokana ahavitana an'io, afaka jerenao any amin'ny horonantsary ao amin'ny youtube),
  2. maka atody 2 arotsaka anaty vilany, rakofana rano ary avela hiketrika ambony afo, rehefa mangotraka dia miandry 8mn dia tsoahina mba hisy somary lakirema ilay tamenany,
  3. ny atody iray sy tapany atao haingony miaraka amin'ny "concombre" fa ny antsasany sisa tavela potipotehina amin'ny sotro rovitra ary afangaro amin'ny "yaourt" iray sy sira sy dipoavatra kely ary tongolo maitso izay tianao. 

Sakafo fidirana mafana: karaoty


Ny fomba nanaovana azy: 

Maka karaoty  4 salantsalany, tetehina boribory ary andrahoina amin'ny entona,  aza avela ho masaka ny karaoty fa andraso, jereo matetika ary raha vao hita fa manomboka miha-malemy dia  esory hiala ny afo haingana, tsara raha aroso mafana,

Ny lasaosy kosa dia tsotra, "mayonnaise" asiana dipoivatra na izay mahazatra anao, afaka asiana tongolo maitso foana, na kotomila koa vao maika manitra mamerovero.


karaoty 

Sakafo "résistance" 


Vary no ady eo, aroso miaraka amin'ny ravimbomanga rony (mifangaro patsa mena), ary ny laoka dia henakisoa sy tsaramaso

vary maina

ravimbomanga rony
tsaramaso sy henakisoa

                                      Tsindrin-tsakafo :

Ny fomba nanaovana azy:
  1.  manaingina ronono 1/2 litatra miaraka amin'ny lavanila (avy ao Madagasikara azafady an), zaraina roa amin'ny halavany ny lavanila ary kikisana amin'ny antsy ny voany hirotsaka anaty ronono, asiana siramamy 100gr ihany koa miaraka aminy ao, 
  2. rehefa sahabo hangotraka ny ronono dia arotsaka tsimoramora ny "tapioca" 40grs, atao malefaka ny afo ary aroiroina tsy ankijanona mandrapaha-masany,
  3. arotsaka anaty vera kely, avela hangatsiaka any anaty vata fampangatsiahina ary rehefa hisakafo dia aroso miaraka amin'ny "chocolat noir" vokarina avy ao Madagasikara  (ny ahy io Robert) foana ihany.
chocolat noir de Madagascar
sur nid de tapioca à la vanille de Madagascar


Dia izay no masaka aroso, mirary anareo hazoto hikarakara ny tenako,

Mankasitraka amin'ny fandalovanareo tsy mitsahatra eto amin'ity rohy ity,

Bà Betsaka

Ikala Fanja




10 commentaires:

  1. Natao tamin ilay zavatra vo vidindry iny ve concomber io? Mety tsara koa kia. Hay ve otrizao fanaovana saosy yaourt. Lay hena kisoa sy tsaramaso ty kia tena mampitrhihinana. Misaotra nizara kia. ������

    RépondreSupprimer
  2. eny mihitsy, natao t@ lay fanaovana déco,
    angaha indry tsy mpanao saosy yaourt é? mba miala @ mahazatra dia miova kely fotsiny anie e,
    misaotra foana mandrakariva aky mandalo eto fa hafaliana be ho ahy :) <3

    RépondreSupprimer
  3. mampilendalenda ery ireto izy. misaotra fa manome hevitra foana ny zavatra zaraindry eto

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. @fo feno hafaliana no hisaorako andry tsy tapaka manao commentaire eto aky a! Izay article rehetra avoakako misy teny kely avy amindry foana! Tena faly be aho fa manana namana tokoa <3 misaotra be dia be

      Supprimer
  4. Tsotra, mora atao, tsara sady feno (y)

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. 👍 mba tsara endrika fotsiny anie fa sakafo tsotra be mihitsy ireo

      Supprimer
  5. Mhmmm! mankasitraka e!Yaourt nature zany raha azoko tsara an!andraso fa hanao am week end sady mora hatao .merci bcp Fanja

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Eny aky, yaourt nature na fromage blanc koa anie mety be e

      Supprimer
  6. Kouy kouy kouy, tsara daholo nefa mora atao fa tsy nandalo tao andohako. Momba ilay oditra concombre no mahasadaikatra ahy??? ngah moa iny azo hanina? lay yaourt mou zany nature mazava oazy ô?

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Tena fihinana mihitsy ny hoditra concombre fa mila sasana tsara fotsiny, mahazo mitsikilokilo google kely aloha raha mazoto fa mahasalama io hodiny io,
      Yaourt nature aky a

      Supprimer