jeudi 12 mars 2015

ESSENCE

Raha mba toa ahy ianao, mpijery Youtube dia tsy zoviana aminao intsony ny lazan'ity mpamokatra izay horesahiko anio ity. 

Izaho manokana, fony vao tonga voalohany taty an-dafy dia nitsidika an'i Berlin, ary tany aho no nividy voalohany indrindra pensily ho an'ny manjamaso tamin'ity marika Essence ity. Tadidiko fa izay nahita an'izay pensiliko (manga ny lokony, mbola tsaroako 😉) izay dia niteny daholo hoe tsara be. Ankehitriny efa misy mpivarotra vokatra Essence maro eto Frantsa koa dia afaka manaram-po amin'izay 😊

Tato ho ato aho dia nanandrana vokatra vaovao koa indro zaraiko aminareo: lokomena 03 isa, pensily ho an'ny molotra 02 isa, ary fototra fametraka alohan'ny manjamaso 01 no novidiako. Efa herinandro izay no nahazoako azy ireo ary noho izany dia efa nampiasaiko avokoa izy rehetra. Tsy misy mihoatra ny 3€ ny vidin'ny iray amin'ireo.



Ity izao ilay fototra fampiasa ahosotra alohan'ny hanao manjamaso, tena mahafapo tanteraka ahy izy ity satria mora ahosotra ary tena mitàna tokoa ny manjamaso rehefa ampiasaina. Izany hoe, tsy ilay lasa mitambatra eo anelanelan'ny hodimaso rehefa tsemboka  iny, maharitra eo ny loko natao mandra-panala azy amin'ny "démaquillant".

eyeshadow base Essence
Ireto manaraka ireto indray ny lokomena, karazany samihafa mihitsy izy ireto rehefa tena hita maso fa tsy amin'ny sary fa eto moa izy tsy dia hitanareo tsara angamba fa ialako tsiny (somary mila miofana maka sary angamba aloha ny tenako e). 

Adorable Matt - N° 14

On the catwalk - N°04

Blush my lips - N° 12

swatch (with flash): N°12 - N°04 - N°14

Ny azoko lazaina dia tsara loko ireo lokomena ireo ary tsy manamaina molotra mihitsy. Raha ny vidiny izay latsaky ny 3€ dia tsy misy hitarainana aho. Mandina tsara ny molotra na dia mbola mangatsiaka kely aza aty. Maharitra eo amin'ny molotro hatramin'ny oran'ny sakafo atoandro izy. 


Ireto pensily fanosotra ny molotra ireto no tena tiako tena tiako sy ankafiziko indrindra, satria tena mety be loatra amiko, rehefa dinihiko dia tsy mila lokomena akory aza fa efa fahazarana moa ity mihosotra lokomena dia atao ihany. 

Tsy misy kihanina izy ireto amiko, manana karazany maromaro aho amin'ireto pensily ireto satria mora loatra dia tsy maninona na ananana avokoa aza ny loko rehetra 😜

Marihiko fa izy ireto dia tena "longue tenue" na misakafo misy menaka aza aho, ny faritry ny molotra mijanona tsara eo, tsy mila mitondra pensily mandehandeha toy ny hoe tsy maintsy mitondra lokomena. 



swatch (using flash): N°15 - N°08
 Dia izay indray ny tsena, asa ianareo raha mba mankafy ny marika Essence toa ahy! Mba zarao e 😉 

Mandra-pitafatafa indray ary ô 

Ba betsaka
IkalaFanja

6 commentaires:

  1. Mahafinaritra foana ny mamaky ny lahatsoratra avoaka-ndry. Ireto lokomena sy pensily no tena manintona ahy, ary isaki'ny avy mamaky lahatsoratra nosoratan-dry na vidéo nataon-dry dia te hahazo izay zavatra hita fa nahafa-po.
    Misaotra nizara akia.
    Bisous

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. misaotra aky fa tena mpanaraka mahafatrapo mihitsy indry a, tena mirana be foana koa ny foko isaky ny mahita ny anarandry eto ambany article, tena tsy misy banga fa eo foana ndry :) misaotra e,
      honerako @ fo feno fitiavana be ;)

      bisous aky a

      Supprimer
    2. Fitia mifamaly ny antsika izany. tsy misy hisaorana akia fa mahafaly koa na ny mamaky ny lahatsoratra soratandry aza. :)

      Supprimer
  2. Misaotra mizara ny tsara akia! tena tsara b sady tiako le crayon an! mety misy an'reo v aty sa andefasanjy za? d le maquillage kou madame tsara b! bisous njy

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Misaotra ny mpamaky koa e! Misy an'ireo any aky a! Ny crayon no tena mateza kokoa ny tenue nohon'ny lokomena araka ny hevitro

      Supprimer