jeudi 26 février 2015

MAINTY SY NY FOTSY

Lasa eritreritra kely androany satria tafaresaka tamin'olona vahiny fotsy izay hiaran'ny fanavakavahana sy fankahalana ankehitriny nohon'ny finoana izay misy azy.  Mijaly hono izy ary mahita fa tsy rariny .

Dia injao koa, ny haino aman-jery sy ny serasera  misy rehetra (facebook, twitter, instagram ....) dia miresaka ny momba azy ireo avokoa fa diso tafahoatra ny zavatra mitranga. 

Ampoko lalina any, tsy mainty aho no tsy fotsy ihany koa, fa ny eoropeanina indrindra no tena nanavakavaka ahy, impiry moa aho no miantsena eny anivon'ireny "grande surface" ireny no tsy nisy niarahaba akory teo amin'ny "caisse" ? Hatrany anaty fitateram-bahoaka mangarika ery ny fotsy vao manantona hipetraka eo akaikiny eo ianao. Eny fa hatrany ampiangonana, iainako ny fanavakavaham-bolonkoditra.  

Fa ny olona miloko moa izany efa izay no niainana hatrizay dia tsy mahagaga, tsy mampalaelo? Zary toa tsy mankarary, fa inona izay olona tsy zarizary. Mandalo miserana ihany toy rano an-damosin-gana. Na ireo izay milaza azy ho mpiaro ny zo maha olombelona, inona moa no nataony? Mbola voavakavaka ny olona miloko.

Mba rediredy tsy aritra ny anio, fa raha fotsy aho, efa tsy toy izao (angamba), nofy ririnina any izany, efa zarazara aloha aho izao, olona karazany "miloko" ihany. 

Safidiko, aleoko izao ihany, Malagasy zarazara, malagasy hatrany ampara. Tsy haniry ny ho vazaha, na ho tonga  amerikanina na indianina, sns ihany koa. Malagasy aho, satria izay no anjara nomen'Andriamanitra ahy, raha tiany ho olon-kafa aho dia efa nataony teraka avy amin'ny reny sy ray hafa. Na ho mandrakizay ny fanavakavahana, dia tsy atao mampaninona fa izay no efa eo ampelatanana.

Aleoko eto no miteny, fa ndrao indray lazaina manivaiva ireto nanjanaka ireto razambe nipoirako raha namaly teo. 

Sady rehefa nodinihiko dia na samy malagasy aza moa mifanavakavaka, ny mainty sy ny fotsy, ny andriana sy ny tanindrana, ny mahantra sy ny manana... 

Eisy e ra-olombelona, Zanahary iray ihany no hitsara antsika ireto, fa tsy misy Andriamanitra ho an'ny karazam-pirazanana na karazan-doko. Rehefa maty toa mitovo loko, indro isika rehetra izao hody ho lasa VOVOKA MALOTO

2 commentaires: