dimanche 8 février 2015

SUGAR PARIS



Nandritra ny 3 andro, ny 06 ka hatramin'ny 08 febroary 2015, teto Paris dia nisy ny varotra fampiratiana antsoina hoe "SUGAR PARIS", mba anisan'ireo nitsidika teny ny tenako satria izaho dia tena tia mianatra sy mandalina ny manodidina ny mofomamy, ary indrindra ny manaingo azy. Izany indrindra no lohahevitra novohizina teny, fanaingoana ny mofomamy amin'ny alalan'ny "pates à sucre", "pates d'amande" sy ny hafa koa.

Efa teknolojia avo lenta moa ankehitriny ny haingon'ny mofomamy, mila endrika maro isan-karazany ny mpanjifa koa nandritra io fotoana io no nahafahan'ny tsirairay nanantona ny mpanjinjara ny akora ilaina.

Mba ho tsara kokoa ny fitantarako dia aleo sary no ezahiko atao maromaro ary, haingon'ny mofo mamy avokoa no hisesy eto, ary natao tamin'ny "pâtes d'amande" na "pates à sucre" avokoa, novolavolaina tanana fa tsy nampiasa zavatra hafa:

izany ka tena kanto é


ny macarron ihany koa dia tena efa lamaody tanteraka

ho an-dry zalahy

ho an'ireo tia Hello Kitty

isika vehivavy

raha hanao fety ho an'ireo tia manjamaso

ito indray dia akora hafa no nanaovana azy, toy ny "crème chantilly"


tena malaza tanteraka izao ny sarimihetsika "la reine des neiges" koa manaraka ny toetr'andro ihany koa ny sakafo e





Fa tsy voafehin'ny sakafo hanina intsony ry zareo maty hanina, koa dia namolavola firavaka ihany koa izy ireo, tena firavaka fa tsy azo hanina, jereo anie, mahafatifaty ery e?





Izaho moa dia tsy naharitra e, mba tena mazoto sady efa nahazo toromarika sy fampianarana vonjy maika koa dia nividy izay fitaovana tsy ampy tato amiko mba handeha ihany koa, hiezaka hanatsara ny haingon'ny mofomamy rehefa ho avy ny andro ka handray vahiny na koa rehefa mazoto iny. Indro zaraiko aminareo izay remby azoko avy any.


série de moule, spatule, thérmomètre de cuisine, pâtes à sucre et lisseur de pâtes à sucre


Dia izay ny vaovao tamin'ity andro nibaliaka fa nangatsiaka ity, manantena fa tsy ho ela dia afaka hizara traikefa aminareo,
Mankasitraka mandrakariva anareo mpamaky,
Amin'ny manaraka indray e :)

9 commentaires:

  1. woooowwww le paradis des gourmands hihihi milaza mialoha akia aho rehefa handalo ao amindry amizay mba afaka manomana mofomamy ho ahy ndry ;) Tena mana-talenta ny olona nanao ireto hita amin'ny sary ireto. mino izahay fa hizara ny vokatra eto koa Ikala Fanja rehefa manao handrana. Misaotra betsaka mizara fa ahafantaran-javatra ity blog ity

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Hihihi tany aloha toerana tsy natao ho an'ny olona tsy tia mamy e! Vao mihodina dia mamy daholo, fa ny fika amin'izy ity izany dia mila manana aingam-panahy @ sary aloha, izay vao mamolavola, toy ireny milalao tanimanga sy pâtes à modeler ireny ihany izy manko e! Volavolaina ela be @ tanana.

      Enga anie mba ahay koa aho

      Supprimer
  2. Ohatra ny haiko sy hitako sahady ilay "collab" hatao :p efa hazoko antsaina!! miandry ary izahay.
    Tsy foy hohanina ireto izy marina, nefa zao sady matsiro ihany koa :p

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Eny aky! Efa vakiana fotsiny e!

      Izaho manokana aloha tiako be ilay endriny fa mamy be anie io e! Sady vao tratran'ny rivotra dia mafy be, ohatran'ilay rose amidy eny @ pavillon izany ireo e

      Supprimer
    2. Hihii, izaho efa nihinana fa tsy dia mamy nefa, raha hohanina mitokana ilay pâte à sucre dia oui, effectivement, mamy be. Fa équilibré ilay izy rehefa niaraka tamin'ilay gâteau!! fa dia tena mafy aloha vao tratran'ny rivotra, aleo ilay malemilemy malléable iny ihany :)

      Supprimer
    3. Ndry aky mety tia mamy! Fa za na macarron aza mankadoa ahy. Tena ilay siramamin'ireto vazaha ireto tsy misy ahenoako tsiron-kanina mihitsy. .. Ny olona ndray nefa rehefa mihinana gateau ataoko dia mitaraina hoe tsy ampy siramamy hahaha za no sampona be eo

      Supprimer
  3. Ce commentaire a été supprimé par l'auteur.

    RépondreSupprimer
  4. Ry zareo maty hanina ve? hahaha. misaotra mizàra e. zaho tsy mahay manao fa mihinana ihany, dia misaotra nampilendalenda, te ho any an-dafy mahita itony. :) :p

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Efa hitako misy mahay be an'ireny koa ary aky ao tanà, mandefa sary eo @ facebook eo!

      Supprimer