lundi 23 mars 2015

Izay azo andrandraina, fisaorana no atao


Anio, rehefa avy nangatsiaka indray, nilona tao anaty loto (pollution) ny mponina teto parisy dia nahazo ny anjara masoandro be migaingaina anio, koa dia tsy hijery ny lasa raha izaho manokana fa hankafy ny izao ankehitriny izao, satria raha mijery izay miandry rahampitso araka ny filazana toetr'andro ao dia orana indray no ho avy eo! Koa tsy aleo ve mankafy izay misy eto amin'izao ora izao? Mankafy ny masoandro, mijery ireo voninkazo manomboka mamelana sy manomboka mandefa hanitra hanazava ny tontoloko 😉.

Satria mihiratra ny andro, miramirana ho azy ny endrika, dia faly mizara izany fotoana mamy izany aminareo e! 

Ankafiziko tsotra izao izay misy eto izao. Dia zaraiko ihany koa izay voatsirambiko eto. 


Dite no hanalako hetaheta 👍, manasa hiaraka hisotro e!  Fa mahagaga ahy fa vao misy masoandro dia mora mangetaheta be na tsy mafana be mahatsemboka akory aza. Ny saina angamba no mitondra azy 😊. Tato ho ato dia tena nankafy tanteraka an'ity dite ity ny tenako e! Satria zatra ny dite mafana nandritra  ny ririnina angamba.

Ilay lokomena indray : ALL FIRED UP - MAC💄 hmmmm io mba nanamarihako ny fahatongavan'ny lohataona (lohataona ve printemps???)


Satria ny lamaody aty izao, dia ny loko marevaka, ny akanjo misy sarim-bonikazo ary ny pataloha tongotra elefanta 🙊 hahaha. Samy maka izay tandrify azy fa izaho aloha tsy fantako na rahoviana loatra vao ho sahy hiverina hanao pataloha "pattes d'Ă©lĂ©phant", soa ihany aho fa mpanao akanjo sy zipo, iny mba tsy dia maninona.

Izay aloha ny anio, mandalo miserana fotsiny fa mbola maro ny adidy miandry ahy. 

Mazotoa daholo nareo. 

Ba betsaka 😘

5 commentaires:

  1. Toa tonga any Parisy vetivety raha mamaky ny lahatsoratra. Namako be ndry amin'ilay dite, ilay lokomena moa tsy lazaiko intsony fa toy ny amin'ny lahatsoratra nosoratandry mampiseho zavatra dia maha te hanana sahady.
    Tsy hita avy aza ilay hoe tsy misy "mise en page" ;)
    ♥ ♥ ♥

    RĂ©pondreSupprimer
    RĂ©ponses
    1. tsy efa niteny andry ve aho fa izaho koa anie mpisotro dite be e, ny ahy sady kafe no dite be dia be

      eo aky fa mbola ho ananandry daholo ireo ry zandrikeliko a! nisy olona niteny hoe izay rehetra iriana hono azo foana :)

      bisous be dry

      Supprimer
    2. Ny kafe indry no tsy namako :p
      Hahaa, enga anie akia.
      Bisouus ♥

      Supprimer
  2. Mahate hanandrana ahy ity dite ity ry Ikala Fanja :) Ankafizo ny andro tsara e Aleo ankasitrahana izay azo anio fa tsy hay ny ateraky ny ampitso

    RĂ©pondreSupprimer
    RĂ©ponses
    1. tsara aky io dite io a, fa mividy an'ilay dite "thé vert" ireny fotsiny anie dia izay, tavoahangy no mahafatifaty @io fa dite foana ny dite, tsy manitra ary anie io e, tsy manitra ohatran'ireny dite mafana ireny :(
      eny aky, hafa mihitsy ny moment présent, tsy hay tokoa ny ampitso fa tena marina loatra

      Supprimer