vendredi 5 février 2016

Niova hono aho, niova tsy toy ny taloha

Niverimberina matetika tato ho ato ny hoe: " lasa niova be indry". Rehefa anontaniako tsara:"niova ahoana?" ... Tsy mahazo valiny mazava aho.

Koa aleo aho no hilaza azy, ENY niova be tokoa aho tato ho ato izay. Variana be, latsaka lalina tanaty fanatanjahan-tena. Zary niova avokoa ilay tontolo nahazatra ahy hatrizay. Lasa IkalaFanja Vaovao 😜. Fa izany akory tsy midika fa tsy manam-potoana intsony aho ho anao namako, misy fotoana avokoa ny zava-drehetra dia samy mahazo ny anjarany ny tsirairay. 

Na ny sakafo haniko aty ambadika aty aza niova ho azy, satria ny vatako miasa be dia mila hery be dia be. Zary nirona be dia be kokoa amin'ny karazan-tsakafo mitondra otrik'aina, mitondra hery fiarovana sy hery fanorenana, sns... 

Hiezaka aho hizara moramora aminareo ny fiovako ato ambadika ato mba tsy hihevitra ianareo fa adinoko tanteraka ity tontolo mahafinaritra ahy ity.

Indro aloha aroso anio ny fandaharam-potoanako mandritra ity erinandro amin'ny fanatanjahan-tena. Sao mba mahaliana anareo tampoka, iza no moa no mahalala!

  • Alatsinainy: 
30mn maraina vao mifoha => abdominaux sy gainage

  • Talata:
8mn maraina vao mifoha => abdominaux
2ora -3ora => milomano
8ora alina -9ora alina => miazakazaka 10km

  • Alarobia:
8mn maraina vao mifoha => abdominaux
8ora alina - 10ora alina => mandihy (danse urbaine)

  • Alakamisy:
8mn maraina vao mifoha => abdominaux
8ora alina => yoga

  • Zoma:
3ora - 4ora => milomano

  • Sabotsy:
8mn maraina vao mifoha => abdominaux
10ora maraina => miazakazaka 8km sy manao renforcement musculaire

  • Alahady:
Miala sasatra sy manao étirement

Dia izay ny fandaharam-potoanako aloha amin'ity erinandro ity fa mba tsy manao "compétition" aho manko amin'ity indray mitoraka ity.

Eto ihany aho dia hiezaka hizara aminareo ny sakafoko omaly tontolo ahitanareo fa tena niova dia niova tokoa aho 💪👍. Niova daholo angamba afa-tsy ny fomba fihevitro: tsotra sady tsy miatsara ivelatsihy 😉. 


Sakafo maraina: bowlcake sy paoma ary kaoatry

Sakafo atoandro: mofo, lasary karaoty sy thon (misy kafe avy eo mamarana azy)

Sakafo hariva: melon misy levure de bière sy lelan'omby ary faranana amin'ny dite (tea)

Marihiko fa eny antsefatsefan'ora eny aho mihinana baie de goji sy paoma rehefa noana 😊. Mazava ho azy fa misotro dite betsaka ihany koa aho.

5 commentaires:

  1. Kay, tena niova amin'ny tsara ianao izany ramatoa. Tsara loatra ity programa fanatanjahantena isan'andro. Dia mahavità be e Sady mahafinaritra no mahasalàma io ka dia tohizo hatrany. Ny sakafo koa ity tena ara-pahasalamana be mihintsy. Misaotra nizara mba ho arahinay :) "Soa fianatsa ro mahavokatsa"

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Misaotra aky, za ky efa hitako tena miha antitra, antitry ny adim-piainana dia mba miezaka mafy mitaizataiza vatana eto aloha fa tsy te hiletra fanafody raha sanatria marary eo. Izay mahakolokolo hono manana ny soa dia mba te ho soa moa zany fa asa izay ho vokany. Dia andao hanaraka ahy! Izaho io miala tsimoramora @ tongolo fa tsy mahasoa ndray hono ny tongolo sy ronono e! Hahaha mahita zavatra ity fivoarana eto ambonin'ny tany ity. Misaotra aky miresaka eto foana a! Ba be dia be

      Supprimer
  2. Feno dia feno akia izany fandaharam-potoanan'ny fanatanjahan-tenan-dry izany, mendrika halaina tahaka. Fa na ny sakafo koa aza dia feno dia feno tokoa. Misaotra betsaka nizara! Mirary soa be dia be!! fa raha ireo aloha dia tena soa tokoa no azo avy aminy.
    Bisouus ♥

    RépondreSupprimer
  3. Coucou Fanja, tonga dia te hanontany aho hoe fa maninona akia no asina levure de bière ny melon ?! :D

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Coucou,
      Ny levure de bière aky feno vitamines sy minéraux ilain'ny vatantsika olombelona a. Dia au lieu dia manisy sira sy poivre ny ahy io no itako mampatsiro ny sakafoko 😉 ilaintsika vehivavy indrindra koa be fer ao, sady mampaniry volo, ny volo rehetra maniry be daholo 😜

      Supprimer