samedi 13 décembre 2014

FOMBAN-DRAZANA MALAGASY AMIN'NY FAHORIANA

Nifandimby nifanesy izay ny fahoriana tato ho ato teto anivon'ny fianakaviako ka nahalasalasa fisainana mafy ahy, maro anie izato fombafomba tena mahasarotiny ireto fianakaviana sy mpiara-monina ary eo ihany koa ny mpiara-mivavaka. 

Mifamahofaho mafy avokoa ireto izay miseho ka variana sy mba lasa saina aho satria tsoriko fa hatramin'izay andro rehetra niainako dia nanaraka ireny fomba ireny aho tsy nametra-panontaniana akory, anio aho mba hanoratra kely mba hanontanitany aloha ho an'ireo rehetra manam-pahendrena izay sendra mba mandalo eto amin'ity blog-ko ity, mba atoroy aho, mba omeo  fanazavana amin'ireto fomba izay nataoko, inona marina no tena dikany?

Rehefa misy maty:

A- Famonosan-damba

A-a: eo manomboka mahavariana ahy, maninona no tsy maintsy antsoina hoe "olona" ilay razana fa tsy atao hoe "faty" na hoe "razana", toy izao ny fiteny fahenoko : "batao ny olona"

A-b: dia tsy maintsy 7 ve ny fatotra? satria nahoana? 

A-d: fa nahoana no tsy maintsy ilay zandriny indrindra fa maninona raha ilay lahy matoa no mamatotra farany ny tady?


B- Avy mandevina

B-a: Maninona ny lalana nandrosoana no tsy azo iverenana?

B-b: Maninona no mandingana afo rehefa alohan'ny hiditra ny trano?


D- Misasa

D-a: Rehefa misasa dia tsy maintsy eny amin'ny rano mandeha, satria nahoana?

D-b: Inona ny antony tsy maintsy hisàsana miaraka daholo?

D-d: Nahoana no manary lamba avalona rano?


Ireo aloha dia fomba tena nohajaiko hatramin'izay fa tsy nampihariko intsony tamin'ity taona ity, fa tsy haiko tsinona ny antony, ary izaho efa tena tonga eto amin'ilay fetra hoe tsy manao zavatra tsy hay akory ny dikany, koa mba manantena aho fa mba hisy hanoro sy hanome fanazavana.

Miandrandra mafy anareo namako rehetra eran-tany manana fahendrena sy mahalala ny fomban-drazantsika fa kolontsaintsika izany ary anisan'ny rehareha maha-Malagasy ny Malagasy.

Mankasitraka mankatelina sahady anareo rehetra

4 commentaires:

  1. tsy dia hoe nandalina aho fa mba nisy fanontaniana efa napetrako koa dia nisy valiny tsapako fotsiny, dia nisy navaly ahy, dia nisy reko.
    A-a- ilay fatotra indray amiko, mifanitsy amin’ny vanin-taolan’ny vatan’ny olombelona. dia mipetrapetraka tsara ny fatotra rehefa raha manaraka an’iny. Moa ny isa tsy ankasa rahateo tena manan-danja amintsika malagasy. Tsy voatery fito fa misy manao dimy ary misy manao roa ambinifolo mihitsy aza ( mifandray amin’ny tendrombohitra 12 indray raha iny isa ankasa iny). Rehefa tena dinihina dia réparti équitablement ny fatotra amin’ilay isa tsy ankasa.

    B-a- amiko midika io hoe ny indray mandeha tsy miverina ny fandevenana. Tsy miverina manatitra razana hafa intsony ( amin’ny fotoana mifanesy), ary indrindra mandry am-piadanana tsara ny maty fa tsy mitsiditsidika ny velona intsony.

    B-b- ny afo ( mazava) dia atahoran’ny herin’ny maizina. Ho antsika gasy dia mifandraika amin’ny maizina ihany koa ny fahafatesana. Dia mba hanasarahana izay mety ho asan’ny maizina ny handalovana afo (tsy arahin-dolo hoy ny Ntaolo). Fa amiko symbolique ihany zany, fa mila signifier-na amina fihetsika hita maso fotsiny hoe miditra amin’ny mazava amin’izay dia alavirina zay mety ho herin’ny maizina fotsiny angamba.

    D-a- ny fisasàna amin’ny rano mandeha dia mba handehanan’ny fahoriana sy ny ratsy rehetra manaraka ny renirano any e. tsy mananontanona ny fianakaviana intsony. mba hoe avalona ny pejy e

    D-b- Resaka hygiène indray ny fanariana ny lamban’ny maty amiko. satria mety narary izy, na dia ny razana ftsn aza dia mety efa hisy mikraoba ka ariana any ny aretina rehetra. Sady mety hoe reraky ny fahoriana dia tsy ho vita tsinona ny hanasa ny lamba rehetra, hanasa trano, hanao ménage sns, dia mba io no mety sy symbolique indrindra.

    D-d ny fiarahana amin’ny fianakaviana indray, dia hoe na dia misy aza ny fahoriana sy ny fitsapana dia mbola mifanohana hatrany ny fianakaviana ary miara-manovo hery amin’ny cadre miala kely amin’ilay tanàna nidom-pahoriana teo alohan’ny hiatrehana ny tohin’ny fiainana indray.
    Fa amiko, reo no nataon'ny Ntaolo satria ireo no tandrify azy, fa tsy manakana antsika tsy hi-adapter azy amin'ny vanin'androntsika akory rehefa mazava ny tena dikany. Moa misy koa no tonga amin'ilay fitenenana malaza hoe: " araka ny fomban-drazana izay tsy hita ny maharatsy azy" e! ;-)

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Mankasitraka aky a! Maka infos etsy sy eroa aho fa tsra ho fantatra ny fomban-drazana e! Izaho nanaraka bêtement h@zay tsy nahalala izay dikany akory

      Supprimer
  2. Ny kely mba fantatro dia efa novalin i Soapeta etsy ambony, fa @reo fanontanian dry ireo aza misy tsy fantatro akory hoe fomba!
    Misaotra fa nafataran javatra e :)

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Samy mba miezaka mianatra eto isika aloha izany koa! 😊

      Supprimer