lundi 23 mars 2015

Izay azo andrandraina, fisaorana no atao


Anio, rehefa avy nangatsiaka indray, nilona tao anaty loto (pollution) ny mponina teto parisy dia nahazo ny anjara masoandro be migaingaina anio, koa dia tsy hijery ny lasa raha izaho manokana fa hankafy ny izao ankehitriny izao, satria raha mijery izay miandry rahampitso araka ny filazana toetr'andro ao dia orana indray no ho avy eo! Koa tsy aleo ve mankafy izay misy eto amin'izao ora izao? Mankafy ny masoandro, mijery ireo voninkazo manomboka mamelana sy manomboka mandefa hanitra hanazava ny tontoloko 😉.

Satria mihiratra ny andro, miramirana ho azy ny endrika, dia faly mizara izany fotoana mamy izany aminareo e! 

Ankafiziko tsotra izao izay misy eto izao. Dia zaraiko ihany koa izay voatsirambiko eto. 


Dite no hanalako hetaheta 👍, manasa hiaraka hisotro e!  Fa mahagaga ahy fa vao misy masoandro dia mora mangetaheta be na tsy mafana be mahatsemboka akory aza. Ny saina angamba no mitondra azy 😊. Tato ho ato dia tena nankafy tanteraka an'ity dite ity ny tenako e! Satria zatra ny dite mafana nandritra  ny ririnina angamba.

Ilay lokomena indray : ALL FIRED UP - MAC💄 hmmmm io mba nanamarihako ny fahatongavan'ny lohataona (lohataona ve printemps???)


Satria ny lamaody aty izao, dia ny loko marevaka, ny akanjo misy sarim-bonikazo ary ny pataloha tongotra elefanta 🙊 hahaha. Samy maka izay tandrify azy fa izaho aloha tsy fantako na rahoviana loatra vao ho sahy hiverina hanao pataloha "pattes d'éléphant", soa ihany aho fa mpanao akanjo sy zipo, iny mba tsy dia maninona.

Izay aloha ny anio, mandalo miserana fotsiny fa mbola maro ny adidy miandry ahy. 

Mazotoa daholo nareo. 

Ba betsaka 😘

jeudi 12 mars 2015

ESSENCE

Raha mba toa ahy ianao, mpijery Youtube dia tsy zoviana aminao intsony ny lazan'ity mpamokatra izay horesahiko anio ity. 

Izaho manokana, fony vao tonga voalohany taty an-dafy dia nitsidika an'i Berlin, ary tany aho no nividy voalohany indrindra pensily ho an'ny manjamaso tamin'ity marika Essence ity. Tadidiko fa izay nahita an'izay pensiliko (manga ny lokony, mbola tsaroako 😉) izay dia niteny daholo hoe tsara be. Ankehitriny efa misy mpivarotra vokatra Essence maro eto Frantsa koa dia afaka manaram-po amin'izay 😊

Tato ho ato aho dia nanandrana vokatra vaovao koa indro zaraiko aminareo: lokomena 03 isa, pensily ho an'ny molotra 02 isa, ary fototra fametraka alohan'ny manjamaso 01 no novidiako. Efa herinandro izay no nahazoako azy ireo ary noho izany dia efa nampiasaiko avokoa izy rehetra. Tsy misy mihoatra ny 3€ ny vidin'ny iray amin'ireo.



Ity izao ilay fototra fampiasa ahosotra alohan'ny hanao manjamaso, tena mahafapo tanteraka ahy izy ity satria mora ahosotra ary tena mitàna tokoa ny manjamaso rehefa ampiasaina. Izany hoe, tsy ilay lasa mitambatra eo anelanelan'ny hodimaso rehefa tsemboka  iny, maharitra eo ny loko natao mandra-panala azy amin'ny "démaquillant".

eyeshadow base Essence
Ireto manaraka ireto indray ny lokomena, karazany samihafa mihitsy izy ireto rehefa tena hita maso fa tsy amin'ny sary fa eto moa izy tsy dia hitanareo tsara angamba fa ialako tsiny (somary mila miofana maka sary angamba aloha ny tenako e). 

Adorable Matt - N° 14

On the catwalk - N°04

Blush my lips - N° 12

swatch (with flash): N°12 - N°04 - N°14

Ny azoko lazaina dia tsara loko ireo lokomena ireo ary tsy manamaina molotra mihitsy. Raha ny vidiny izay latsaky ny 3€ dia tsy misy hitarainana aho. Mandina tsara ny molotra na dia mbola mangatsiaka kely aza aty. Maharitra eo amin'ny molotro hatramin'ny oran'ny sakafo atoandro izy. 


Ireto pensily fanosotra ny molotra ireto no tena tiako tena tiako sy ankafiziko indrindra, satria tena mety be loatra amiko, rehefa dinihiko dia tsy mila lokomena akory aza fa efa fahazarana moa ity mihosotra lokomena dia atao ihany. 

Tsy misy kihanina izy ireto amiko, manana karazany maromaro aho amin'ireto pensily ireto satria mora loatra dia tsy maninona na ananana avokoa aza ny loko rehetra 😜

Marihiko fa izy ireto dia tena "longue tenue" na misakafo misy menaka aza aho, ny faritry ny molotra mijanona tsara eo, tsy mila mitondra pensily mandehandeha toy ny hoe tsy maintsy mitondra lokomena. 



swatch (using flash): N°15 - N°08
 Dia izay indray ny tsena, asa ianareo raha mba mankafy ny marika Essence toa ahy! Mba zarao e 😉 

Mandra-pitafatafa indray ary ô 

Ba betsaka
IkalaFanja

jeudi 26 février 2015

MAINTY SY NY FOTSY

Lasa eritreritra kely androany satria tafaresaka tamin'olona vahiny fotsy izay hiaran'ny fanavakavahana sy fankahalana ankehitriny nohon'ny finoana izay misy azy.  Mijaly hono izy ary mahita fa tsy rariny .

Dia injao koa, ny haino aman-jery sy ny serasera  misy rehetra (facebook, twitter, instagram ....) dia miresaka ny momba azy ireo avokoa fa diso tafahoatra ny zavatra mitranga. 

Ampoko lalina any, tsy mainty aho no tsy fotsy ihany koa, fa ny eoropeanina indrindra no tena nanavakavaka ahy, impiry moa aho no miantsena eny anivon'ireny "grande surface" ireny no tsy nisy niarahaba akory teo amin'ny "caisse" ? Hatrany anaty fitateram-bahoaka mangarika ery ny fotsy vao manantona hipetraka eo akaikiny eo ianao. Eny fa hatrany ampiangonana, iainako ny fanavakavaham-bolonkoditra.  

Fa ny olona miloko moa izany efa izay no niainana hatrizay dia tsy mahagaga, tsy mampalaelo? Zary toa tsy mankarary, fa inona izay olona tsy zarizary. Mandalo miserana ihany toy rano an-damosin-gana. Na ireo izay milaza azy ho mpiaro ny zo maha olombelona, inona moa no nataony? Mbola voavakavaka ny olona miloko.

Mba rediredy tsy aritra ny anio, fa raha fotsy aho, efa tsy toy izao (angamba), nofy ririnina any izany, efa zarazara aloha aho izao, olona karazany "miloko" ihany. 

Safidiko, aleoko izao ihany, Malagasy zarazara, malagasy hatrany ampara. Tsy haniry ny ho vazaha, na ho tonga  amerikanina na indianina, sns ihany koa. Malagasy aho, satria izay no anjara nomen'Andriamanitra ahy, raha tiany ho olon-kafa aho dia efa nataony teraka avy amin'ny reny sy ray hafa. Na ho mandrakizay ny fanavakavahana, dia tsy atao mampaninona fa izay no efa eo ampelatanana.

Aleoko eto no miteny, fa ndrao indray lazaina manivaiva ireto nanjanaka ireto razambe nipoirako raha namaly teo. 

Sady rehefa nodinihiko dia na samy malagasy aza moa mifanavakavaka, ny mainty sy ny fotsy, ny andriana sy ny tanindrana, ny mahantra sy ny manana... 

Eisy e ra-olombelona, Zanahary iray ihany no hitsara antsika ireto, fa tsy misy Andriamanitra ho an'ny karazam-pirazanana na karazan-doko. Rehefa maty toa mitovo loko, indro isika rehetra izao hody ho lasa VOVOKA MALOTO. 

vendredi 20 février 2015

One day with Soapeta

Yeah, I start everything by introducing my precious Soapeta because she deserves it :)

So, last Thursday 19th, was an ordinary day for everybody, but special one for us, because we've had so much fun.

The night before, we spoke to fix the appointment in Paris, we agreed to be at Musée du Louvre at 10h30. In the morning she called me: "my train is on time, see you in 1 hour". I left then my house to be on time too. 
On the metro, I received one message: "holy  crap, there is a mechanical issue and the train has to stop" . I replied: "no worries, I will catch you at Gare de l'est" . 15 minutes later " Fanja, take off at Cadet". I replied: " I'm at gare de l'Est" ... she called me: "come back, in 3 stop I wait you in the quai" ... misadventure .... finally we met.... yeahhh big hug, it was long time since we had seen each other.

So we went together to Musée du Louvre for a visit, after that, as we are both youtube users, we made some videos, we took some pictures. 

my sweet Soapeta and I


Time went fast, it was time to have lunch but where? MacDO? Starbuck? Restaurant? And then, my intelligent and smart friend asked me if I want to taste something new and special. Of course, I replied:" YES". So here we go, we took the Metro line 8 to stop at La fille du Calvaire, we walked 5minutes and we arrived at Marais on this amazing place "Rachel's".

This is a restaurant, I've ever seen in Paris, but I was hearing something like that in the novel by Douglas Kennedy (he's one of my favorite writers), and he illustrated that quartier of Marais so well, so when I arrived in the place, I've got that impression of "already been".

Anyway, I want know to tell you about that special restaurant (where you can eat the best cheesecake in the world) "Rachel's" because I ate a really yummy food, with a very cute presentation and Rachel (she is not french!) was really a smart person who takes care personally of all her clients. We ate for 1 hour and half, ya ya, because we "tchited and tchated" in the same time. And the waitress asked 2 times if everything was OK, if we were at our ease and please note, she smiled, not a marketing smile but a sincere smile, from her heart :)

By some pictures, I invite you guys to have a look at that best restaurant ever, and if one day you pass through Paris with someone that you love, don't forget to pass at Rachel's even to eat cheesecake and to drink coffee. 




One adress: 25 rue du Pont aux CHOUX - PARIS 3


Part of thing you can find there:



this is for free and it's so good
salad, small size for 13€ 

bagel's 18€

"THE" cheesecake 7€50

And Rachel's restaurant has a nice decoration ;)




After the lunch, Soapeta and I took back the Metro and we went at Galeries Lafayette, we did a little bit shopping but it's women's stuff so I think there is no need to show a picture of what we bought ;)

at Lafayette

It was late that day, we have to say goodbye, with an heavy heart everything has it's ending 


See you next time my lovely Soapeta




dimanche 15 février 2015

URBAN DECAY & IkalaFanja

FITIAVANA, hadalana, FITIAVANA, fahajambana, FITIAVANA

Anatin'ny erinandro mampalaza ny fetin'ny fitiavana isika izao, izaho manokana aloha tsy mankalaza fa tsy hoe tsy mankasitraka akory fa tsy azoko tsara ilay tena antony, no sady tsy misy fahazotoana loatra aho handalina koa dia andro toy ny andro andavan'andro ho ahy ny fetin'ny 14 febroary, fa na izany na tsy izany dia mirary fety sambatra ho an'ireo mankalaza azy mandrakariva isika.

Ny ahy izao ny fitiavana nankalazaiko tato ho ato dia ny fitiavako manokana an'ity marika mpivarotra kojakoja momba ny manjamaso ity dia izay efa hainareo loatra fa i URBAN DECAY, vao io marika io dia efa babo aho, fa izany hoe, ilay vidiny no mampisalasala sy mampitsahatra ny tongotro tsy hiroso matetika ;)


Fa na izany na tsy izany, rehefa mba misy hetsika ara-barotra ataony aloha dia indro aho tonga mamaly ny antso, satria maimaim-poana ny fanandramana ary aty amin'ny toerana misy ahy ny manandrana tsy midika mihitsy fa tsy maintsy mividy avy eo. Koa dia nanandrakandrana tany ny tenako dia BABO indray e, toy ny mahazatra, tsy mahatanty ny mena miraviravy, dia indro izy:

correcteur Naked Skin

Réf: MED DARK - Neutral
 Izy io dia fanositra ho fanitsiana :), atao ambanin'ny maso dia "anti-cernes" na koa apetaka eny amin'ireny marika sy tasitasy amin'ny tarehy ireny, toy ny mony ihany koa e, manana correcteurs 2 hafa aho (NARS sy MAC), fa nividy an'io iray io aho satria ilay NARS na dia nahafapo tanteraka ahy aza dia tsy afaka nampiasaiko intsony nony tonga ny ririnina satria izaho dia nihahatsatra dia hatsatra. Nividy MAC aho satria tsy nisy nifanaraka tamin'ny volon-koditro teo amin'i NARS na dia izy aza no marika mitana ny lohalaharana voalohany amin'ny anti-cernes, tsy ratsy akory ilay MAC fa sarotra hosorana ihany satria izy dia manana "texture crème" izany hoe mila fotoana kely manao azy. Vao nahita ity voka-baovao teo amin'ny URBAN DECAY aho dia roboka tanteraka sy babo satria izy io dia faran'izay mora ahosotra no sady tena mi-"flouter" tanteraka ny hodi-maso. Tena babo tanteraka aho, ary izaho dia nanararaotra nividy azy tamin'ny tolotra "saint valentin" ka 15€ no nividianako azy raha toa ka 20€ ny vidiny andavanandro.


Koa satria moa aho nihahatsatra araka ny efa nolazaiko tetsy aloha dia voatery ihany koa niova "Fond de teint", ka dia nividy an'ito NAKED SKIN n°08 ito indray aho ho solon'ilay N°09 fampiasako, manana Fond de teint maromaro koa aho fa arakaraky ny ho aleha no ampiasako azy. Ito Urban Decay  (satria izy lafo) ito dia fampiasako rehefa handeha hiangona sy handeha hiaraka amin'ny ankizy, fa ny andavan'andro hiasa dia Maybelline no mangana ato amiko ato.



Ity ho asehoko anareo farany ity dia tsy misy antony manokana tena nahatonga ahy hividy azy, fa adalana tsotr'izao, satria tiako Urban Decay dia tsy aritro fa nividy ity "palette NAKED ON THE RUN" ity aho satria izy io dia "édition limitée", izaho aza efa tsy nahita azy intsony teny amin'ny magazay fa tamin'ny tsena "en ligne" sisa no misy azy. Izy ity anefa nony voaraiko tato an-trano dia hafaliana be ihany ny ahy satria ilay lokon'ilay "blush" dia somary volomboasary ka tsy mitovy velively amin'ilay efa ahy ato, ilay "bronzer" ihany koa somary matroka noho ilay efa ahy, ary ireo manjamaso 6 isa ao anatiny dia samy loko tsy ananako avokoa, etsy andanin'izany ilay "gloss" dia io no voalohan'ny Gloss ananako avy amin'i Urban Decay, ilay pensily sy ilay mascara aloha aho efa manana soa aman-tsara fa dia tsy maninona fa soa ny manan-droa lehiretsy. 




Dia izay, raha ny tiako izao amin'ito palette Naked on the Run ito, satria izy io noforoniny ho atao KIT TRAVEL, izany hoe natao hoentina mandeha dia tokony mba nasiany "pinceaux" na zavatra hanosorana azy, eritreritra ny ahy, faniriana ihany koa e, fa raha ny vidiny kosa aloha efa mba antonony tsara ilay 49€ nefa misy ny ilaina rehetra (ankoatr'ilay pinceaux).


Izay aloha ny anio, asa raha mba tianareo ito fizarana kely nataoko ito, aza misalasala maneho ny hevitrareo ihany koa eo ambany eo, dia mba zarao hoe inona ny marika "cosmetiques" tena mba mahalasa adaladala anareo e?

dimanche 8 février 2015

SUGAR PARIS



Nandritra ny 3 andro, ny 06 ka hatramin'ny 08 febroary 2015, teto Paris dia nisy ny varotra fampiratiana antsoina hoe "SUGAR PARIS", mba anisan'ireo nitsidika teny ny tenako satria izaho dia tena tia mianatra sy mandalina ny manodidina ny mofomamy, ary indrindra ny manaingo azy. Izany indrindra no lohahevitra novohizina teny, fanaingoana ny mofomamy amin'ny alalan'ny "pates à sucre", "pates d'amande" sy ny hafa koa.

Efa teknolojia avo lenta moa ankehitriny ny haingon'ny mofomamy, mila endrika maro isan-karazany ny mpanjifa koa nandritra io fotoana io no nahafahan'ny tsirairay nanantona ny mpanjinjara ny akora ilaina.

Mba ho tsara kokoa ny fitantarako dia aleo sary no ezahiko atao maromaro ary, haingon'ny mofo mamy avokoa no hisesy eto, ary natao tamin'ny "pâtes d'amande" na "pates à sucre" avokoa, novolavolaina tanana fa tsy nampiasa zavatra hafa:

izany ka tena kanto é


ny macarron ihany koa dia tena efa lamaody tanteraka

ho an-dry zalahy

ho an'ireo tia Hello Kitty

isika vehivavy

raha hanao fety ho an'ireo tia manjamaso

ito indray dia akora hafa no nanaovana azy, toy ny "crème chantilly"


tena malaza tanteraka izao ny sarimihetsika "la reine des neiges" koa manaraka ny toetr'andro ihany koa ny sakafo e





Fa tsy voafehin'ny sakafo hanina intsony ry zareo maty hanina, koa dia namolavola firavaka ihany koa izy ireo, tena firavaka fa tsy azo hanina, jereo anie, mahafatifaty ery e?





Izaho moa dia tsy naharitra e, mba tena mazoto sady efa nahazo toromarika sy fampianarana vonjy maika koa dia nividy izay fitaovana tsy ampy tato amiko mba handeha ihany koa, hiezaka hanatsara ny haingon'ny mofomamy rehefa ho avy ny andro ka handray vahiny na koa rehefa mazoto iny. Indro zaraiko aminareo izay remby azoko avy any.


série de moule, spatule, thérmomètre de cuisine, pâtes à sucre et lisseur de pâtes à sucre


Dia izay ny vaovao tamin'ity andro nibaliaka fa nangatsiaka ity, manantena fa tsy ho ela dia afaka hizara traikefa aminareo,
Mankasitraka mandrakariva anareo mpamaky,
Amin'ny manaraka indray e :)

dimanche 25 janvier 2015

TANGLE TEEZER


Miarahaba tratry ny taona vaovao 2015 antsika MALAGASY rehetra ny tenako, vao avy nankalaza tsy ela akory izay ny taom-baovao Malagasy koa isika ka asa na mba hitanareo amin'izany fa mba firenana manana ny hasina maha izy azy isika MALAGASY? Toy ny firenena matanjaka rehetra, mba manana ny sata sy ny mampiavaka antsika mandrakariva ankoatran'ny saina sy ny hiram-pirenena. Koa dia mirary taona ZINA sy fahatsarana betsaka lavitra kokoa noho ny taon-dasa rehetra ho antsika tsirairay avy ny tenako.

Koa dia hiverina amin'ny adavan'androm-piainana ary isika ry zareo, ny ahy ny vaovao dia ny volo nihalava sy nihanaevina andro aman'alina. Araka ny efa nolazaiko ihany dia ny menaka kinana sy ny diloilo no tena angady sy zezika naha toy izao azy io fa ireo rehetra izay efa nahalala ahy taloha dia mahatadidy tsara fa fohy volo lalan-dava teny aho ary manify volo koa.

Ankehitriny, zary lahasa be koa ilay mibango volo, ka nijerijery eraky ny tranok'ala teny ny tenako dia nahita laza tsara an'ity atao hoe "TANGLE TEEZER", inona tsara moa izy ity? Fihogo io e, fa nokarohana manokana mba hahamora ny fanogoana ny karazam-bolo rehetra: ny tsotra hatramin'ny ngita, ny fohy hatramin'ny lava. Ny fahitako azy moa dia fihogo plastika toy ilay ohatran'ny eny amin'ny sinoa eny behoririka ireny, fa ny lehilahy no toa mpampiasa azy ireny raha tsy diso aho. Ny nifinifin'ity fihogo ity dia misy fohy sy lava manao an-dalana roa mifanelanelana. 





Efa maro ireo nanamboatra azy ity ny marika isan-karazany fa ito amin'ny sary ito no tena "orijinaly" vitan-dry zareo britanika. Tena andro maromaro izay no nampiasako azy ary tena marina ny voalazany fa tsy manapaka volo izy, ary mora hogoina ny volo aminy na maina na lena. Misy an'io sarony kely maintimainty io izy mba tsy hitoeran'ny vovoka rehefa avy ampiasaina, ary afaka entina any anaty poketra ihany koa raha tia mibango volo matetika isika vehivavy satria izy dia kely no sady maivana. Misy loko samihafa izy io eny amin'ny mpivarotra fa ny ahy manokana mavokely no nalaiko satria izay no nanintona ahy. Eto frantsa dia eny amin'ny magazay "Sephora" no ahitana azy ka 16€50 ny vidiny. 

Fehiny momba io fihogo kely io: Tsara tsy anenenana ary mihena kokoa ny fotoana lany amin'ny fihogoana volo mihoatra ny fihogo tsotra efa nampiasaiko.

Fa efa miresaka fanatsotsorana fiainana ihany isika dia mba tiako zaraina aminareo ihany koa ito akora vaovao hitako ito, dia tsy inona fa "après-shampooing". Marika AUSSIE izy ity ary eto Frantsa dia ao amin'ny magazay MONOPRIX ihany aloha no mivarotra azy hatreto ka 6€50 eo ny vidiny.




Tsy hiresaka be dia be aho fa mba tiako hanandrana ianareo dia mba tantarao amiko eo ambany eo ny vokany taminareo, fa ny ahy manokana dia tena fahafahampo tanteraka no azoko.

Izay indray aloha ry namana sy tapaka rehetra fa manantena ny hiverina tsy ho ela eto indray.

Mankasitraka anareo rehetra mpamaky.