lundi 28 juillet 2014

Mofo mamy

Misy namako akaiky izay, anisan'ireo nihinana ny mofomamy nataoko tamin'ny fetiko tamin'ity taona ity dia tena nankafy ny asa tanako ka faly ery aho fa tsy mbola nahita sitraka toy izay! Tena fanomezana lehibe ny nahenoako fa mba nisy nankafy izay nahasahirana ahy. Mbola nandona ny foko hatrany raha nangataka tamiko izy andro vitsy lasa izay oe mba atoroy fanaovana an'iny mofomamy iny. Koa dia ito ary izy, zaraiko aminareo rehetra, sao mba misy te-hanandrana koa any ho any.

Ireo zavatra ilaina (ataoko fatra fara-fahakeliny, ho an'olon-droa ny eto ka ampitomboy arak'izay isan'olona ho asaina):

- Atody 4
- Siramamy 120g (ny ahy eto nosoloiko édulcorant liquide)
- Lafarinina 160g 
- Hanitra (lavanila, voasary makirana na izay tiana)
- Dibera 30g (nosoloiko menaka ny ahy fa io mba tsy be kaloria)

Fomba fanaovana azy:

Vakiana anaty bol jobo ny atody, arotsaka ao koa ny siramamy rehetra dia kapohina miaraka mandrapaha-fotsy ilay fangaro, lasa toy ny lakrema ny endriny vao ajanona.

Mila afanaina ny fatana 180°C ny hafanana mandritra ny 10mn.

Arotsaka anaty lafarinina ny hanitra nosafidiana - ny ahy lavanila - dia arotsaka tsimoramora ao anatin'ilay atody sy siramamy voakapoka, avy eo mandrotsaka kely an'ilay dibera mitsiranoka (na menaka toy ny ahy), somary ingaina ny sotrobe hazo rehefa manafangaro azy mba hiaina ilay laro. Alefa tsimoramora toy izay hatrany mandra-pifangaron'izy rehetra.

Rehefa mifangaro tsara ny laro dia alaina ny moule ka hosorana dibera kely ihany koa mba tsy hiraikitra ny mofo rehefa masaka, avy eo dia arotsaka moramora ny laro rehetra.

Andrahoina anaty lafaoro mandritra ny 20mn.

Dia vonona ny mofomamy, anjaranao indray ny manaingo azy amin'ny lakirema izay safidin'ny fonao, toy ny lakirema vita amin'ny dibera, na koa lakirema chantilly, na ny tsotra indrindra dia ny mampiasa pâtes à sucre (vidiana vita eny an-tsena). Amin'ny manaraka raha tianareo dia mbola handefa horonantsary hafa aho hanaovantsika lakirema sy haingo fa izao aloha araho an-tsara izay voalaza rehetra teo e!






Dia mazotoa homana avokoa ry namako sy mpanara-dia ahy rehetra 

Mankasitraka hatrany aho noho ireo soso-kevitra alefanareo, sy ireo fangatahanareo mba ho avoakako lahatsoratra eto.

Mandra-piresaka indray ary ;)


2 commentaires:

  1. I can't open your video. Thanks for recipe,your cake sounds really yammi.
    Hey,moule means lasitra in Malagasy language ��������

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. You can watch the video on youtube directly!
      Thanks fo this vocabulary honey

      Supprimer