dimanche 3 août 2014

KIlalaoKO FahiNY, INdro tsaRoaKO ANkehitriNY

Manembonembona ny fahazazana indray aloha aho izany mahita ireo zana-bahiny anaty fialan-tsasatra. Manao fanenjika ireto izy, antsoina oe fanenjiky ny saka sy voalavo : "on joue au chat? ". Izay no mba tena malaza ankoatry ny kitra rehefa ety anjaridaina ety. Ankoatr'izay dia efa kilalao hafa tanteraka no miseho ety, toboggan, escalade en corde, bac à sable ... Indrisy fa kilalao samy maka ho azy no maro be ety fa tsy misy mba iarahana. 

Eeee mba tsaroako loatra irony fakàn-drivotra kely (récréation) tany an-tsekoly: tamin'izany, izahay ankizy vavy rehetra niaraka nanao lasitika, dia nasisika ery ity zipo, nasisika teo amin'ny takon-kenatra, natao mba tsy hiraviravy sao handöna ilay tady. Tsy mbola nahalala menatra akory tamin'izany fahazaza. Dia lasa izao, nifanesy, nifaninana, nitsambikina ka izay nahakasika ny tady dia resy, miala tsy manao aloha, fa miandry ny manaraka koa. 

Dia natao koa ny sabaka, tena nahafinaritra: tsy azo natao ny nanitsaka ireo soritra. Natosika tamin'ny tongotra ilay vato fisaka hanavatsava ilay fefy nofaritana ka izay tonga tamin'ny ara-sivy no nandresy.

Mbola tsaroako koa, ny tanisa vatokely! Mbola tiako ankehitrio: tanisa hono izany re ry zareo, ilay vato dimy efa maorimaorina notsongaina ho mora alaina. Misy apetraka dia misy atsipy... Hmmmmhmmm te hiverina ilalao mihitsy izany izao ankehitriny izao.




Eny e! Nahafinaritra ireny lalao fahazaza, fa namolavola fihavanana tamin'ireo namana, indraindray aloha velom-pialonana tokoa, misy manko be teknika, izy ireny nandresy foana na inona lalao atao na inona.


Fa mba tena nahamarika ny fahazazako koa indrindra indrindra dia Izaho tena nankafy ny tantara vato. Na dia milalao vovoka irery dia tsy mba nahatsiaro fahanginana, vato no nakapokapoka teny, dia niresaka izay tsy izy, tsy nangiana velively. Ny ahy zary tena lasa niaro adàlana ilay fahazazana, nentiko hatrany ampandriana ireo vato karangana. Rehefa avy iny ny orana manko, teo ampandriana ihany aho no nilalao vato. Nafenina tsara hono izany mba tsy hohitan'i Dada sy Neny, fa tsy tonga saina manko fa mipoapoaka ireny vato ireny, saingy tia zanaka ireo niandohàna, nodiany tsy hita ny nataoko, nitondra ireo fianakaviana vato tao an-trano.

Mba zaraiko aminareo, fa izaho koa fony fahazaza dia vavy tokana an-tanàna, bandy kely avokoa ireo nanodidina ahy taloha, dia nanao fanenjika teny, ny raosy jamba sy kômandô. Ahhhh izany rehetra izany, tena fahatsiarovana, feno fotoana mamy.

Ankehitriny izao, hany sisa mbola fanao, rehefa misy fiarahana amin'ireo akama: ny dômy, rami sy belôty. 


Fa niova ny ambiansy tsy toy ny taloha, izao efa lasa mihirahira ihany koa; raha vao samy tafaraka, indreo ry zalahy mandray gitara, dia samy mivetso na dia be ny mpamalana. 

Fehin'izany fahatsiarovana rehetra izany dia fihavanana tsy mety lany! Tsaroana foana ireo namana be dia be. Na antitra aza mbola misy revy koa ange e!

Mirary fialantsasatra feno fihavanana ho antsika rehetra :)

2 commentaires:

  1. Eny tokoa akia, za tsy mba nahay, nazefatra loatra angamba dia ara3 dia nihitsana, hany ka tsy nazoto nilalao tsony. :( fa nahafinaritra ka. tsikonona sy tantara (vato akapokapoka) no tena kilalaoako d miresaka sy mteny rery eo na tsy misy mihaino aza, rehefa bedy dia misitrika sady mezaka miteny mora no akapoka mora ny vato, Atao matevina ny bozaka asisika sao mafy ny fipoakany. Asa re tamin'izany inona no dikan'ilay bozaka. Ny tena nahagaga ahy dia rehefa izaho no manao tantara dia mitangorona ny ankizy, raha tokony ifandimby dia indraindray aho ampanaovin'izy ireo indroa na itelo. Ah lalaha, ny fahazazana!!!

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Ary ndry zany tena be inspiration h@ mbola kely, h@zao mitangorona mamaky ny blog-ndry daholo indray no atao anton'asa! Mahafinaritra aky a! Izao ndry efa manana namana be dia be e

      Supprimer