jeudi 28 août 2014

TORO HAY FANAOVANA MOFO BAOLINA

Salanitra é!

Mangatsiaka, manorana aty aminay amin'ity herinandro ity! Mahavalabalaka ny saina ny tsy mahita masoandro koa dia manita-kevitra manao izay mahavery dia ny tenako.

Ny tsotra indrindra dia ny manao sakafo, sady mahafinaritra ny mikarakara no mahafinaritra ny mihinana azy avy eo. Koa ho zaraiko aminareo ary ny masaka tato.

Mofo baolina no be dia be ato ry zareo a! Isika Malagasy dia samy manana ny fomba fanaovany azy, ary samy manana ny tsiro itiavany azy. Ny ahy ilay nahazatra ahy hatramin'ny fahazaza, ilay nataon'i Neny no tena ankafiziko; somary mitovy tsiro amin'ireny amidy eny anaty sobika eny an-tsena ireny izy ito ka asa na ho tianao fa izaho aloha tena mankafy mafy.

Aleo tsy manao be safary ary isika fa tonga dia alefa ny tanisa.

Ireto ary ny zavatra ilaina:

  • lavanila 1 (tahony)
  • lalovaitra 2 sotrokely
  • atody 4
  • lafarinina 1kilao
  • siramamy 200grs
  • ronono 36 sotro
  • menaka 1litatra (hanendasana azy)
Rehefa vonona ianao, dia andao hikarakara izato mofo

Maka lovia lehibe jobo isika, arotsaka ny lafarinina, ny siramamy, vakiana ny atody, alefa ihany koa ny ronono, ny lavanila izay nokikisana mba ahazoana ny voany ao anatiny ary ny lalovaitra. Rehefa izay, dia afangaro miaraka ireo zavatra ilaina rehetra ireo mandra-pahazo paty iray mibolongana. 

Avela hilona ora iray.

Maka vilany Saba (ao Madagasikara feno tsara tarehy fa izaho tsy manana indrisy), asiana menaka sahabo ho 1 litatra. Atao mamay tsara ny menaka vao arotsaka ny mofo novolavolaina ho boribory.

Marihina fa mitsingevana ho azy ny mofo ao anaty menaka rehefa mahazo ny hafanana mamay ilay menaka. Eny antsefatsefany ampanendasana eny dia mila alàna ambony afo ny saba raha mamay loatra ny menaka fa manjary may fotsiny ny ivelany ary tsy masaka ny anatiny.

Miparasadrasaka tsara no tokony endriky ny mofo baolina vita raha ity fomba arosoko ito no arahinao. 

Dia mirary anao hazoto homana indray ary!

Ito ambany ito ny rohy raha te ahita ny horonantsary ianao :)

https://www.youtube.com/watch?v=i91WvaXagA8

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire