dimanche 3 août 2014

HaUl SoLdEs EtE 2014

Vita izay ny fiantsenàna Soldes ho ahy manokana. Efa imbetsambetsaka niverimberina teny an-tsena ka afa-po amin'izay. Koa satria eto fizaràna ny soa sy ny tsara dia mba zaraiko aminareo izay hitako sy nahasarika ahy tamin'ny Dernières Demarques (ilay mora be indrindra). Araho an-tsary ary izay tao anaty harona e! 

Eto ny ambony akanjo dia novidiko tao amin'ny Stradivarius 4€99, ny zipo tao amin'ny Camaieu 10€, ary ilay kapa kosa tao amin'ny André 22€.



Ny manaraka eto indray kapa novidiko tao amin'ny San Marina 34€, mahafinaritra loatra ahy izy io, vao tamin'ny pré-vente na ilay antsoina hoe varotra mialohan'ny fihenambidy ofisialy dia efa nanintona mafy ny masoko izy io ary tena nandrian'ny foko mafy dia mafy, saingy -20% monja izy tamin'izany ka mba nihaotra ihany aloha, efa ilay antsoina oe dernière démarque aho vao niverina indray ka mbola niandry ahy teo ilay anjarako, io mihitsy no farany teo, nitokana kely tery amin'ny dernières pointures. Dia azoko ihany e! 
Ny akanjo Stradivarius 7€99.


Ireto farany ireto tena manan-danja indrindra fa tena sady tiako loatra (amin'ny faran-tampom-pitiavako mihitsy) no faran'izay mora:
1-Kiraro Clarks (eny, tena tara loatra amin'ny kiraro ao aho.. Maro be ny tiako tao saingy indrisy..) 44€
2- pataloha Bershka 7€99
3- ambonin'akanjo Stradivarius 4€99
4- palitao Stradivarius 9€99


Dia izay ny tsena vita... Amin'ny Janoary indray mifankahita ;)

12 commentaires:

  1. am janoary isika miaraka manao soldes ao Paris madama an ;)

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Efa manisa andro ndray za manomboka zao mahita an'io :)
      Mety misy soldes antenantenany d ilazako ndry d miaraka ihany an

      Supprimer
  2. samy tiako daholo izy 3. :-) na lay lokom-bolo aza an...hihihihi

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Misaotra ky a! Mbola tokony hanampy kiraro maromaro za dia tsara be ohatran'nendry ny armoire-keliko ;)

      Supprimer
  3. Tiako be ireto farany ireto, tsy anampiana tsy hanalana.

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Mci ky Michelle! Mba mitovy ny fitiavantsika roa <3

      Supprimer
  4. Tsara dia tsara daholo fa ilay robe rose aloha dia ho alaiko an ;-)

    RépondreSupprimer
  5. Zao vao hitako ny blog-ndry fa d tena tsara akia. Sambatra nareo ao paris mba betsaka tsena...tena trotra nefa tsara b, misaotra @ fizarazarana :-)

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Misaotra aky mitsidika a! Aty anie be safidy fa lafo e! Any amerika no sady mora no tsara dia londres koa

      Supprimer
  6. Tiako loatra io tenue anao farany iou madama!!!! tena aoka marina!!! rarakivy tanteraka

    RépondreSupprimer