mercredi 16 juillet 2014

Tanam-bakivaky

Rehefa lava loatra ny ririnina taty aminay dia nanjary nitaky hery be kokoa nohon'ny isan'andro ny vatana. Fa na niezaka ihany aza nisakafo ara-pahasalamana dia tsy nahasehaka firy aho. Ho ahy manokana manko tena nisy takaitra mihitsy ny ririna 2013/2014; hatramin'izao fotoana izao aza moa tsy dia hita loatra izay andro mafana fa tena mbola manalasala be ihany. Mbetika eo mafana be, mbetika indray mangatsiaka tampoka, ny orana moa izany dia tena nanao izay ho afany ihany koa tamin'ity taona ity. Samy mahazo anjara teo daholo e! Na ny kiraro lava, na ny kapa, na ny "bottes de pluie".

Fa tsetsatsetsa tsy aritra iny andro mivadibadika hafahafa iny. Toa tsy ny aty ihany aza moa no tsy hita hofaritana ny vonon'andro fa hatrany aminareo koa. Na izany na tsy izany, mba te hanampy anareo ao anatin'ny ririnina mamirifiry sao mahasoroka ny voka-dratsy ihany koa.

Vokatry ny hatsiaka manko dia zary maina kina koa ny hoditry ny vatako, ny tanana sy ny tongotra, nahazo takaitra daholo. Fa ny tena nahavariana ahy dia ny tanako vakivaky. Tena mahagaga anie izany ry zareo e! Tena tresaka, mandeha rà ireo ratsan-tanako ireo! Nangirifiry, naharary loatra. Ara-bakiteny ilay hoe sady naharary no nahamenatra... Dia nandramako avokoa izay menaka resahin'olona fa mba te hanana ny soa: Mixa, Neutrogena, Yves Rocher, Avène, sns... Maro tsy voatanisa fa tena tsy nisy nandaitra. Ny vola fotsiny no lany.

Dia nisy nanoro indray: huile d'amande douce, huile d'olive, karaza-menaka rehetra azo @ zava-maniry koa no nasesy teo, farany nataoko fa tsy nahavita azy ihany koa ny vaseline.

Ny tena moa vehivavy, tsy ahari-pery ela loatra, sady mba menatra ihany koa e! Toa ny vehivavy tsy mba mivoatra, dia mihosotrosotra eny e! Andramana aloha koa. Hohita eo ihany izay vokany rehefa any aoriana.

Fa sendra ny tsara aho dia tsy aritro, indro araikitro an-tsoratra sao hahasoa ny hafa koa. Mbola olona ihany no nanoro ahy: zazavavy kely malagasy...(Mankasitraka retsy a)... Hoy izy oe mahasoa ny "Beurre de Karité". Nanandrana aho ka afapo! Tena nahazo valisoa.


Dia nanao fanandramana aho, erinandro 2 monja! Tsy fahagagana akory. Fa mandaitra loatra ilay fika! Menaka indray mitsongo, no ahosotro isan'alina rehefa andeha hatory. Nony maraina koa, rehefa andeha hivoaka ny trano dia manosotra kely @lay menaka mafana mahasoa!

Ny vidiny tsy dia lafo! Aty izy 10€ eo! Any amintsika koa efa feno rahateo. Raha ny soa azo no lanjalanjaina, ankehitriny aho tsy mampiasa afa-tsy io menaka io, na @ molotra na @ vatana na @ tanana! Misy soratra hoe mety atao mena-bolo ihany koa fa izany hoe ny ahy moa ny volo efa mitera-menaka oazy eo. Azoko lazaina marimarina: raikim-pitia aho @ity Beurre de karité ity. Afapo tanteraka e!

Asiana sary kely aloha mba jerenareo ny fahombiazana t@ilay tànana. (Tsy hoe tsara tarehy be! Tsy mba anisan'ny manana rantsana mahafatifaty e!)








Antenaiko fa izay andrana nataoko mba ahasoa anao koa! Raha manandrana ianao dia mba amparitaho! Zarazarao @ namanao!!!

Amin'ny manaraka indray ary!


4 commentaires:

  1. misaotra nizara ikala fanja aaa!!!!tena ilaiko ty fikafika anji ty ;)

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Tsy misy fisaorana fa andramo aloha sao mahasoa! Sady io tonga dia la totale tsy mila menaka hafa intsony

      Supprimer
  2. Misaotra nizara kia, za koa dia anisany manana tanana maina refa ririnina.
    Hay,miresaka ririna enao fa tonga tato antsiko lay oe ririnindasa tsy tsaroina .

    RépondreSupprimer