jeudi 18 septembre 2014

PaoZy Andavan'Andro


Falifaly aho satria, toa anao ihany koa, fa ho tonga ny Asabotsy hialana sasatra, hitsaharana kely amin'ny asa aman-draharaha, koa am-pitiavana lehibe no andeha hizarako an'ity paozipaoziko ity izay afaka alainao tahaka rehefa hivoaka ianao.


Anio tsy atao be dia be ny resaka fa somary voan'ny sery kely ny tenako ato, notapohan'ilay oram-baratra anikeo e! Tonga tampoka tsy nisy niomanana izy ka tena nitondra takaitra tsy nahy aho :)



Efa hitanareo tsara izao hoe izaho ity dia tsy mahita mihitsy raha tsy manao solomaso :)




Ny andinindininy momba ireto rehetra nanaovako ireto:
  • Ambonin'akanjo : Zara
  • Zipo: Mango
  • Kapa: André
  • Poketra: Texier



Dia izay indray ary aloha, mirary zoma mahafinaritra feno tsiky ho anao.


Mandra-pitafatafa indray o

12 commentaires:

  1. Tsara be ny paozinao ramatoa :) sady efa misy ho alaina tahaka satria hiverina izao ny andro tsara aty Madagasikara. Dia mirary faran'ny herinandro sambatra ary e

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Mankasitraka e! Raha manome loka izay olona matetika mandalo ato aho dia tsy mila mikaroka alavitra fa efa haiko hoe lasan'iza ;)

      Supprimer
  2. Pri ihany ito an :)Tsara sady tsotra , mety tsara amin'ny andro mafana ,fa le volo sy maquillage ko no tena tiko , Merci e!

    RépondreSupprimer
  3. Traisss tsara anie izany madama izany e!

    RépondreSupprimer
  4. Aoka fa dia aknto e, tsara ny gasy o!? dia mahagaga moa zany fa gasigasy foana ny fahitana an' Ikala Fanja na dia marque tsy marque reto akanjo. Ilay kapa no mba tena coup de coeur'ko teto

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. mankasitraka é! ka izaho aky gasy petaka be dia hoatran'izay rehetra anaovako lasa gasy petaka manaraka hay koa
      (esoriko ny étiquettes dia lasa tsy misy marque daholo ireo hihihi)

      Supprimer
  5. Maivamaivana sady mahafatifaty kely no maotina <3

    Tiko aloha e :)

    RépondreSupprimer
  6. Toa mba efa nanao commentaier teto a momba ireto kapa ankafiziko lôtra reto fa asa nakaiza? :( gasigasy mamy tsara ndry ry Ikala a!

    RépondreSupprimer